Songadina Lahatsary: Lavo-Tondro, Mpialokaloka, Ady ary Teknolojia Mivelatra

Ny kendren'ity fizarana ity dia ny hampivoitra ireo lahatsoratra mahaliana faramparany tato amin'ny Global Voices mampiseho ny fomba maro ahafahan'ny olona avy amin'ny vazantany efatra manerantany milaza ny tantarany amin'ny alalan'ny lahatsary. Afaka manaraka ny zavamisy isam-paritra ianao amin'ny alalan'ny Fantsona YouTube -nay na amin'ny alalan'ny fitendrena ny rohin'ny faritra.

Azia Atsinanana

Tao amin'ny Pejy manokana Aterineto sy Fiteny no nahitana lahatsoratra momba ny fiteny samihafa ao Timor Atsinanana. Ity sarimihetsika fohy ity no mampiseho antsika ny lanjan'ny fitaizana amin'ny tenin-dreny sy ny fihavaozan'ny politkam-panabeazana ho amin'ny fiteny maro izay noraisin'i Timor Atsinanana.

Afrika Atsimon'i Sahara

Tao amin'ny hafatra ‘Mali, Nizera: Zara Fa Heno Ny Fitarainan'ny Toaregy Nandritra Ny Ady ‘, no nanasongadinan'ny lahatsary iray ny feon'ny Toaregy:

In Kidal, a town in north-eastern Mali, an unofficial number of Tuareg people marched to claim the autonomy of the Azawad region on November 1.

Any Kidal, tanàna avaratra atsinanan'i Mali, Nisy Toaregy maromaro tsy nisaina nanao diabe nitaky ny fizakan-tenan'ny faritra Azawad tamin'ny voalohany volana Novambra

Any ‘Kenya: Fiainana any Dadaab, tobin'ny mpialokaloka lehibe indrindra Manerantany‘ no ijerentsika amin'ny alalan'ny mason'ireo fikambanana mpanao fanampiana isankarazany ny fahasarotan'ny fiainana marolafy ao Dadaab,toby mandray olona mihoatra ny 1400 isan'andro:

Azia Afovoany sy Kaokazy

Any Armenia sy Azerbaijan, ampiasaina ny lahatsary mba hampisy fifankahazoana bebe kokoa rehefa mireska ny lohahevitra sarotra mampisaraka ny vahoaka roa tonta. Rohizinay amin'ity bolongana mahiratra momba ny Fifandiran'i Armenia sy i Azerbaijan araka ny hita ao amin'ny lahatsary YouTube. Tafiditra ao ity lahatsary manaraka ity, izay mampiseho ny zavamisy iainana mahaliana eo amin'ny andaniny sy ny ankilan'ny sisintany. Ao amin'ity lahatsay ity mpanamory fiarakaretsaka maka sary ny fihetsiky ny mpandeha araka ny hira alefan'ilay mpanamory fiarakaretsaka: mandefa hira Azeri any Armenia ary hira Armeniana any Azerbaijan. Nadika ho teny anglisy ny resaka ataon'ny mpandeha.

Azonao tsidihana ny Fitantarana Manokana momba ny Feo Re Mandritra ny Fifandirana ao Kaokazy hahazoana bebe kokoa ny toe-java-misy ao amin'ny faritra. Raha tianao ny hamaky bebe kokoa ny anjara asan'ny Lahatsary mandritra ny fifandirana ahitana vaovao fanampiny dia tsidiho ny ‘Fifampiresahana Armenia-Azerbaijan amin'ny alalan'ny Sarimihetsika‘ sy ny fizarana faharoa aminy, ‘Filazana Hafa Indray momba ny Fifampiresahana Armenia-Azerbaijan amin'ny alalan'ny Sarimihetsika‘.

Amerika Latina

Nifampitafa tamin'ny manampahaizana manokana Latino-Amerikana maro ny mpanoratra Global Voices sady Tonian'ny Lingua amin'ny teny Espaniola Juan Arellano. Ao amin’ ity iray ity izy no nifampitfatafa tamin'i Santiago Hoerth avy ao amin'ny Codigo Sur project miresaka momba ny teknolojia misokatra sy ny Rindrambaiko misokatra:

Ao amin'ny tafatafa hafa no niresahany tamin'ny mpisolovava sady solotenam-paritry ny Creative Commons Ramatoa Carolina Botero sy ny nanontaniany ny momba ny heviny mikasika ny fanaovana piraty.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.