Etiopia : Adihevitra Mikasika Ny Fifanambadian'olo-mitovy Raha Mampiantrano Ny Fihaonambe Momba Ny SIDA Ny Renivohitra

Fivoriam-be Iraisam-pirenena iray momba ny SIDA sy ny Aretina Azo avy amin'ny Firaisana izay hatao ao Afrika  no nahatonga resabe taorian'ny fivorian'ireo mpitondra fivavahana sy ireo manampahefana avy amin'ny  governemanta ao Etiopia ny 29 Novambra 2011, ny amin'ny hoe  ho raràna na tsia ny fivorian'ireo mafàna fo mpiaro ny zon'ireo  “gays” izay kasaina hatao hifanindran-dalàna amin'ilay Fivoriana Iraisam-pirenena.  Natao ilay fivoriana taorian'ny fanafoanana valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nataon’ ireo mpitondra fivavahana hangatahana fanakanana ny fivoriana nokarakarain'ireo mafana fo mpiaro ny zon'ireo “gays”.

Ilay Fivoariam-be Iraisam-pirenena faha 16 momba ny SIDA sy ny Aretina Azo avy amin'ny Firaisana ao Afrika dia ho atao ao an-drenivohitra Addis Abeba ny Alahady ho avy izao, izay mafana fo mihoatra ny 200, manam-pahaizana manokana ary manam-pahefana avy amin'ny ONU no andrasana handray anjara amin'izany.

Taorian'ilay andrana nataon'ireo vondrom-piarahamonina ara-pivavahana handraràna ilay fivoriana, ireo Etiopiana mpiondana aterineto dia nitodika tamin'ny Facebook mba hiresaka ny fifanambadian'olo-mitovy ao Etiopia. Ny fifanambadian'olo-mitovy dia heloka bevava ary azo saziana hatramin'ny 15 taona an-tranomaizina.

ICASA 2011: Own, Scale-Up and Sustain. Image source: ICASA 2011 site.

ICASA 2011: Itompoy, akaro ary tazony. Loharanon-tsary: tranonkalan'ny ICASA 2011.

Araka ny nambaran'ny  Pew Global Attitudes Project ny taona 2007, 97%-n'ireo monina ao Etiopia no milaza fa tokony tsy ho eken’ ny fiarahamonina ny fifanambadian'olo-mitovy, io no taha faharoa avo indrindra amin'ny fandavana ny fifanambadian'olo-mitovy amin'ireo  firenena 44 nanaovana fanadihadiana, aorian'ny Mali izay ahitana 98%.

Na izany aza,  ny sasany amin'ireo Etiopiana mpiondana aterineto ao amin'ny Facebook dia manomboka manana fomba fijery hafa mikasika ny fifanambadian'olo-mitovy.

Hallelujah dia manao antso hisian'ny adihevitra amin'ny fomban'olo-mandroso mikasika ilay raharaha :

Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ilàna adihevitra amin'ny fomban'olo-mandroso momba ilay izy. Tsy tokony hankahala na hanavakavaka, fa  hatanjaka, hanana saina mandanjalanja sy mamakafaka mba hanehoantsika ny tsy fankasitrahantsika ny fifanambadian'olo-mitovy amin'ny lafiny ara-panahy, ara-moraly, ara-tsosialy, ara-pahasalamana ary ny natiora sy ny fahavelomana.

Ity manaraka ity dia fanamarihana namalaina ilay hafatr'i Hallelujah tao amin'ny rindriny.

Lilly Kidane dia mihevitra fa mila mampiseho fitoniana mikasika io resaka io :

Tokony hiresaka ny momba izany isika ary hanandrana ny  haneho fitoniana koa, nanefy Andriamanitra araka ny endritsika isika ka  rehefa misy zavatra tsy tiantsika sy tsy azontsika na tsaraintsika dia lazaintsika fa tsy tian'Andriamanitra koa izany, kanefa amin'ny hevitro, Andriamanitra dia tokony hiraharaha zavatra misy dikany kokoa noho ny hoe iza no mandry miaraka amin'iza. Isika rehetra dia mila ny mikatsaka izay mahafaly antsika ary hahay mankasitraka.

Nampiany hoe :

Mahasosotra be raha mitovy be izao tontolo izao. Mila izao karazana olona rehetra izao hamenoana azy

Bisrat Teshome dia milaza fa tsy azo ekena ny fanehoan-kevitra ara-pihetseham-po amin'ny fifanambadian'olo-mitovy :

Araky ny hevitro manokana, dia tsy mihevitra ny fifanambadian'olo-mitovy ho olana manokana aho. Izay safidin'ny olona ihany io. Misaina ny olona ary manana ny zo sy fahalalana feno ny hisafidy ny tsara aminy (mazava ho azy fa eo ambany fanarahana ny lalàna misy eo amin'ny fireneny). Ny karazana fanehoan-kevitra ara-pihetseham-po toy izany sy ny fanehoan-kevitra manavakavaka avy amin'ny mpivavaka dia tsy azo ekena.

Osman Mohammedsiraj dia milaza fa ny adihevitra dia tokony hirona amin'ny hoe ahoana no hiarovana ireo Etiopiana amin'ny “fihanahan'ilay valan'aretina” :

Ny zon'ny  “gays” sy ny “lesbiennes” dia ao anatin'io resaka io izay zavatra tsy tokony ho resahana ao Etiopia akory satria fantantsika fa ny olona rehetra any amin'ny rafitra ara-pivavahana dia manohitra izany daholo. Fa ny resaka dia tokony hiompana amin'ny fomba hiarovana ny mponina amin'io valan'aretina io

Nuhamin Getachew dia mino fa ny fifanambadian'olo-mitovy dia tsy manana ny toerany ao Etiopia :

Misaotra an'Andriamanitra aho ny amin'ireo olona izay mbola mihevitra fa zavatra tena tsy mifanaraka amin'ny natiora izany. Ary koa, Tsy MAMPINO AHY hoe mamaky fankatoavana avy amin'ny ETIOPIANA aho momba io ?? Mba miangavy aho ry zalahy a, andao mba ho tehirizina ilay firenena madio navelan'ny razam-bentsika ho antsika ary aza afangaro ny hoe fandrosoana sy ny zavatra tsy mifanaraka tanteraka amin'ny ara-moraly !!

Markos manontany hoe :

Mihevitra aho fa eto dia voadingantsika ilay teboka TOKANA … Nanomboka oviana no nisy olona notsinontsinoavina toy izany noho ny ZAVATRA ataony ho an'ny tenany manokana ?

Mesfin Tekle dia milaza fa mila miatrika io resaka io i Afrika :

Saropady be io resaka io kanefa na ho ela na ho haingana ny firenentsika sy ny kaontinanta Afrikana dia tokony hiresaka io ihany. Tsy valan'aretina azo tsaboina toy ny lefakozatra izy io  izay azo sorohana amin'ny fanefitra.

Bob Herold dia manontany hoe :

Inty misy zavatra natao hisainana. Inona no ataonao raha ny iray amin'ireo zanakao izay NOLALAINAO, narovanao, ary notaizainao dia tonga manantona anao ary milaza hoe ” gay” aho.  Hanome lamosina azy fotsiny ve ianao. Moa ve izany manao azy ho olon-dratsy. Ary manaraka izany, moa ve izany manova azy ireo amin'izay zavatra ataony any amin'ny TAKONA ANY an-tranony any. Hmmm.

Selam Arayadia mahita ny fifanambadian'olo-mitovy ho toy ny mariky ny taranaka misavoritaka :

Nanandrana ny namaky ireo fanambarana sy ireo adihevitra tetsy ambony aho. ary nanontany tena aho hoe “Inona no mety ho valintenin'ireo olona taloha amin'io fanontaniana io?.” Izay heveriko fa manohitra tanteraka ny fifanambadian'olo-mitovy ary tsara kokoa aza, dia ny momba ireo taranaka ho avy. Izay inoako fa manaiky ilay izy. Isika no ilay taranaka misavoritaka!

Sewinet Belete dia nampakatra ito hafatra maneho fanoherana manaraka ito amin'ny teny Amharic tao amin'ny Facebook :

Hafatra maneho fanoherana manohitra ilay fivoriana

Fandaharan'ilay Fivoriana navoaka tao amin'ny hotely Jupiter.

Ho an'lay Fivoariam-be Iraisam-pirenena momba ny VIH izay atao ao amin'ny efitra malalaka “Millenium”, ny teboka lehibe indrindra amin'ny fandaharana dia ny “Fampiatoana ny fihanaky ny VIH SIDA sy ny fifanambadian'olo-mitovy no vahaolana”… tanjona hafa amin'io fivoriana io ny handresena lahatra ny governemanta Etiopiana hanao lalàna manohana io fomba fanao faran'izay tsy manjary io izay mitondra any amin'ny fitontonganan'ny fianakaviana sy ny firenena.

Mba hahatongavana amin'izany, dia miezakan ny mandany vola be izy ireo ary mitalaho fanampiana avy amin'ireo fikambanana iraisam-pirenena.

Nandray anjara mavitrika tamin'io ireo olona manan-kaja, manan-karena ary manam-pahaizana tao Etiopia,  toy ny hoe io no faratampon'ny fahendreny sy fahalalan-dry zareo.

Ary ny olona rehetra izay mino ny fisian'Andriamanitra… ny olona rehetra izay mahafantatra ny fomba tokony hiainana anaty fiarahamonina dia tokony handà/hanohitra io zavatra mamoehatra io izay namotika an'i Eraopa sy  ny Tontolon'ny Tandrefana.

Mbola mitohy ao amin'ny Facebook ilay adihevitra, izay ny 90% n'ireo mpampiasa aterineto ao Etiopia no afaka miditra aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.