07 Desambra 2011

Tantara tamin'ny 07 Desambra 2011

Brezila: Sarin'ny Filoha Dilma Rousseff Tamin'izy 22Taona

  07 Desambra 2011

Mpanao gazety breziliana Marco Antônio Araújo nitsikera ny adihevitra politika maivana, nitohy tamin'ny famoahana ny sarin'ny Filoha Dilma Rousseff tamin'ny fahatanorany izany ny ampitson'iny. Mampiseho ny sarin'i Dilma Rousseff nandritra ny fitondrana jadona izany sary izany, 22 taona izy tamin'izay, nandritra ny fanadihadiana nataon'ny miaramila izay mikasa hanafina ny endriny. “Mahamenatra?”, hoy...

Porto Riko: Nasehon'ny Bilaogera fa Namboamboarina Ilay Dokambarotra

  07 Desambra 2011

Nisy dokambarotra iray nahitana ilay mpihira sy mpilalao sarimihetsika Porto Rikana Jennifer López mitondra Fiat 50 cc manerana ny lalan'i Bronx, New York, toerana nahitany masoandro sy nahalehibe azy. Milaza momba ny fiaviany eo amin'ny toerana sy ny aingam-panahy azony avy aminy i López. Naseho eo amin'ny pejy ofisialin'ny Fiat ofisialy eo amin'ny...

Etiopia : Adihevitra Mikasika Ny Fifanambadian'olo-mitovy Raha Mampiantrano Ny Fihaonambe Momba Ny SIDA Ny Renivohitra

  07 Desambra 2011

Fivoriam-be Iraisam-pirenena iray momba ny SIDA sy ny Aretina Azo avy amin'ny Firaisana izay hatao ao Afrika no nahatonga resabe taorian'ny fivorian'ireo mpitondra fivavahana sy ireo manampahefana avy amin'ny governemanta ao Etiopia ny 29 Novambra 2011, ny amin'ny hoe ho raràna na tsia ny fivorian'ireo mafàna fo mpiaro ny zon'ireo "gays". Nifandrimbona ireo mponina tao amin'ny Facebook momba izany.

Timor Atsinanana: Manangana Firenena Iray Avy Amina Fiteny Maro

  07 Desambra 2011

Samy nosafidiana ho fiteny ofisialy avokoa na ny Tetum na ny fiteny Portigey ho an'i Timor Atsinanana izay firenena vao teraka raha nahazo ny fahaleovantenany izy tamin'ny taona 2002. Na izany aza, maherin'ny 16 ny isan'ny fiteny nasionaly, ary roambinifolo mahery ny isan'ireo tenim-paritra hafa ampiasain'ireo mponina Timorezy amin'ny andavanandro.