Lahatsary: Manome Mari-pankasitrahana An'ireo Tanora Mpamokatra Horonantsary Ny Plural+ 2011

Nahazo mari-pankasitrahana tany New York ireo tanora manerana izao tontolo izao noho ireo horonantsary fohy manainga ny fisainana anehoan-dry zareo ny tolokevitr'izy ireo mba hahatonga ny ny fiaraha-monina hilamina kokoa sy hanana kolontsaina maro amin'ny alàlan'ny firesahana io lohahevitra toy ny fahasamihafana, fifindra-monina sy ny farotsahana an-tsehatra amin'ny lafiny sosialy.

multicolor handprints on white cloth

Tànana CCBY avy amin'i John-Morgan

Ilay Fetiben'ny Horonantsarin'ny Tanora Plural + dia natao mba hanekena ny tanora ho singa mahery amin'ny fiovana ara-tsosialy.  Ary nandritra ny Fotoana Fanolorana ireo Mari-pankasitrahana dia nizara mari-pankasitrahana ho an'ireo tanora mpamokatra horonantsary tamin'ny fandresen'ny ezaka nataony.

Ndeha hijery vitsivitsy amin'ireo horonantsary nandresy:  GIFT dia noforonin'i Pang Jia Wei, Ryan Tan Chuan Min ary ilay Kolejy Tunku Abdul Rahman any Malezia, io horonantsary io dia nandresy tao amin'ny sokajy ny 18-25 taona. Anatin'izany, isika dia mahita sy maheno ny filàna ny fahasamihafana mba hananganana firenena iray.

 

The New Portuguese dia fanadihadiana fohy mikasika ny mpifindra monina any Portiogaly: na mifindra monina any amin'ny renivohitr'i Lisbon avy any amin'ny toerana niaviany izy ireo na nifindra tany Portiogaly toerana nahaterahan-dry zareo ny ray aman-dreniny, samy miady ho amin'ny fanekena azy ireo sy hanana ny  toerany any amin'ny tanàna sy firenena izay noraisiny ho toy ny fonenany ry zareo.

Wish dia horonantsary fohy momba ireo fianakaviana any Shina. Mitantara ny fiainana zazalahy iray miaina miaraka amin'ny raibeny izy raha miasa any amina tanàna lavitra azy ireo kosa ny ray aman-dreniny, sy ny fikarohana ny tsara sy mety ho anà zaza iray amin'ny resaka ara-toekarena dia mety ho sarotra noho izay noheverina.

I am Quiaqueña dia nofinofina tovovavy iray teraka tany amin'ny sisintany  manelanelana an'i Arzantina sy Bolivia, sy ny mahasarotra ny fipetrahana aminà toerana iray rehefa mifangaro ao ny toe-tany sy ny politika.

Ny fisian'ny teboka maro itoviana dia mety tsy ho ampy rehefa misy ny fahasamihafana izay heverina ho goavana kokoa… ohatra amin'izany ny Between Us Two, (Eo Amintsika Roa” avy any Israely.

Our Hood dia manana ny Wafalme Crew, tarika ara-java-kanto iza ahitana ankizin'arabe izay mipetraka any amin'ireo “ghetto”-n'i Nairobi, Kenya izay mihira sy mitantara ny fomba nampiovàn'ny hira ny fiainan'izy ireo ho tsara kokoa, mampianatra azy ireo hijoro manoloana ireo fanamby sy hijery ny lafiny tsara amin'ny fiainana.

Misy tovolahy iray manoratra ho an-drainy izay nandany ny ainy manontolo niasa lavitry ny fonenany ao anatin'ny Exile Song, mampatsiahy azy fa rehefa manantena haheno ireo voronkely sy ireo hazo “palmier” izy… ny hany zavatra tokony hataony dia ny mody an-trano.

Ao anatin'ny Belong, miady hevitra momba ny zava-niainany tamin'ny fonenana lavitry ny tanindrazany ireo mpifindra monina any Finlandy, sy ireo zavatra mahatonga azy ireo hahatsapa ho tena iray amin'ny fonenany vaovao.

Hitanareo ao amin'ny Pejin'ny Plural + Youth Video Award ireo horonantsary hafa nandresy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.