Mali, Nizera: Zara Fa Heno Ny Fitarainan'ny Toaregy Nandritra Ny Ady

Hatramin'ny niatombohan'ny ady tao Libya, nitombo hatrany ny firotsahana an-tsehatra nataon'ireo manam-pahaizana momba ny fandriampahalemana sy ny politika mba hanoherana izay mety ho fandrahonana ataon'ny Toaregy ao Sahara, an'i Mali sy Nizera. Fandrahonana tsy misangy sa tombatombana no tena marina? Amin'izao fotoana izao kosa, ao amin'ny aterineto no toerana tokana ahafahana mihaino sy mahita ny Toaregy.

Nanomboka avokoa izany rehetra izany tamin'ny fibosehin'ireo mpifindram-ponenana avy any Libya ho ao amin'ny firenena manodidina azy. Maro ireo olo-tsotra nihevitra taloha fa ny filoha Libyana teo aloha Gaddafi no nanakarama ireo Toaregy mba hitandro ny filaminana ao atsimon'ny firenena sy hanohana ny fandrosoana ara-toekarena Libyana, ary mahazo tombotsoa amin'ny fampiasana mpiasa (mora kokoa) . Nanosika ireo Toaregy hiverina ao Mali sy Niger ny fahalasanan'ny “Mpanjakan'ny Mpanjakan” i Afrika (Gaddafi) .

Fandrahonana tsy misangy?

Niteraka tsaho tao amin'ny faritra ny fiverenan'ireo mpitondra fitaovam-piadiana sy olo-tsotra tsy nitondra afatsy tanam-polo. Nisy ny tsaho fa tonga tao an-tanàna ihany koa ny zanaka lahin'i Muammar Gaddafi, Saif al Islam, fantatra anefa fa tsy mitombina izany vaovao izany. Tamin'ny 11 Novambra 2011, mpiady Toaregy 14 niverina tao Libya no fantatra fa nisy namono taorian'ny fifampitifirana tamin'ny mpitandro ny filaminana avy ao Nizera tao amin'ny sisintany misy an'i Nizera sy Mali.

Ny fampahalalam-baovao ao an-toerana sy ny iraisam-pirenena no tena nanasongadina ny fisian'ny fandrahonana hikomy ao avaratry ny faritra izay fandrahonana tsy misy akory anefa. Miresaka momba ny ahiahin'ny manam-pahefana ny amin'ny mety hisian'ny fikomiana Toaregy  ny fampahalalam-baovao. Mampitombo ny isan'ny miaramila ny governemanta ao Mali sy Nizera ary mandray andraikitra amin'ny fitandroana ny fandriampahalemana ao amin'ny faritra Toaregy. Ny tsy ampy amin'izany rehetra izany dia ny tsy fandrenesana ny feon'ny Toaregy mihitsy.

Nitoka-monina sady tsy ahitan-teny

 Ara-jeografika, eo amin'ny an'arivony kilometatra miala ny renivohitr'i Mali ao Bamako ny faritra misy ny Toaregy. Nampisy hatrany ny fakana an-keriny ataon'ny fikambanana Al-Qaeda ao Maghreb Islamika (AQMI) ny fitokana-monina mianjady amin'ny Toareg, izay manakana ireo vahiny marobe tsy hitsidika ny faritra Sahara.

Sady olana ara-psykolojika ny fitokana-monina no olana ara-jeografika ihany koa, izay mahatonga ny fanararaotana misy ao amin'ny faritra ka miha-sarotra ho an'ny vahiny ny mahafantatra marina ity faritra ity.

Ankoatra ireo fanambarana sy filazana samihafa, hita ao amin'ny YouTube ny fampafantatarana ny zava-misy ao amin'ny faritra. Ao Kidal, tanàn-dehibe ao avaratr'i Mali, Toareg tsy fantatra isa no nidina an-dalambe nitaky ny fahaleovantenan'ny faritra Azawad tamin'ny 1 Novambra lasa teo (sary hita ao amin'ny YouTube notontosain'ny  tamin'ny 2 Novambra):

Namaly ny antso nataon'ny MNLA (Mouvement national de libération de l’Azawad na Hetsika nasionaly ho fanafahana an'i Azawad) ny sasany tao an-tanàn-dehibe ao Menaka, Gao ary Tombouctou.

Misosa tsara ny fandaminana ataon'ny MNLA ao amin'ny aterineto izay hanehoany ny tanjony ao amin'ity tranokala ity:

Ny tanjon'[Ny MNLA] dia ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny ara-tsosialy ao an-tanàna rehetra voarakitry ny faritra sy ny firenena hafa koa mba ho fampiharana ny demokrasia. Nisy ny fampiharana ny politika ara-dalàna ao anaty foto-pisainana demokratika ary ao anatin'izany, ny fiampangana ny herisetra amin'ny endriny rehetra.

Mbola tsy mazava tsara ny fitakian'izy ireo. Mitaky ny fahaleovantena kanefa tsy lazainy mazava tsara ny fomba ahatongavana amin'izany

Mpamaha bolongana Kal-Azawad nanasongadina ny tanjona milamina tratrarin'ny hetsika ataon'ny MNLA. Nilaza momba ny hetsika ara-tsosialy izy, fa tsy fikomiana ary niampanga ny tsaho miely ihany koa:

Ho fanazavana ny sain'ny olona ao an-toerana sy any ivelany no iantefan'ity hafatra ity: fantaro fa ireo mpiady miverina ao Libya dia tsy manam-pikasana hanao tahaka ny AQIM velively, na hikasa hanao zava-dratsy hafa. Mifanohitra amin'izany aza, tonga hitondra tetikasa goavana ny mpiray tanindrazana amintsika: indrindra ny fampandrosoana maharitra ny firenena ary ny fandriampahalemana ho an'ny vahoaka ao Azawadi sy ny akaiky azy: Songhai, Toareg, Arabo, foko Fula, ny fiarovana ny fananan'izy ireo manoloana ny tranga fandrobana sy  fakana fiara an-keriny ataona vondrona tafika tsy voaara-maso, fanentanana lehibe ho fanoherana ny fitarihana ny olona ataon'ny Al-Qaeda ao Maghreb, ary hampiatra ihany koa ny fanarenana indray ny sosialy ao an-toerana mba hampiray ny vahoaka ao Azawad!

Mpanaramaso ao amin'ny fahitalavitra frantsay France 24, nanazava fa miompana amin'ny ady politika hitarika fahatsahapan-tena ny adihevitra fa tsy ho amin'ny valifaty noho ny fahafatesan'i Gaddafi na fiaraha-miasa amin'ny AQIM.

Mbola miahiahy ny  Toaregy manoloana ny tsaho miely manerana ny tanàna. Na dia izany aza, ho hita eo ny fomba ahafahan'ny Toaregy miala amin'ny tahotra taorian'ny fahafatesan'i Gaddafi.


1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.