Emira Arabo Mitambatra: Nantsoina Hatao Fanadihadiana Ilay Vehivavy Mpampiasa Twitter Atao hoe Rowda Hamed

Avatara Twitter iray ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra antsoina hoe Rowda Hamed

Tamin'ny Alarobia maraina, dia nisy vehivavy iray mpampiasa Twitter, antsoina hoe  Rowda Hamed (@Rowda_Hamed), avy ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra no nibitsika ka nilaza fa nahazo fiantsoana hatao fanadihadiana. Izy no iray amin'ireo mpampiasa Twitter vitsivitsy avy ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra mpanohana ireo mafàna fo miisa dimy izay voafonja ary nanao fitokonana tsy hihinan-kanina vao tsy ela akory izay, ka tamin'ny fidirany tao amin'izany no nanehoany ny fanohanany tanteraka, araka ireo bitsika izay nalefany taloha. Ny Bilaogera Khalifa Al-Nuaimi (@Alnuaimi_k) no nanomboka nanao ny tenifototra hoe #RowdaHamed mba hanohanana azy sy hanapariahana ny momba azy tamin'ny alalan'ny Twitter. Bitsika maro, indrindra fa ireo izay avy any ivelan'ny Emira Arabo Mitambatra, no nibitsika ho fanehoana firaisankina. Nanoratra manazava ny fomba nahatongavan'ilay fiantsoana [Ar] i Rowda :

والدتي منهارة من خبر استدعاء جهاز الأمن لي،بغضّ النظر عن الأذى الذي سأتلقاه أنا أو أسرتي،أنا ثابتة على موقفي
@Rowda_Hamed: Ny reniko dia valalanina noho ilay  fiantsoana ahy avy amin'ny mpitandro filaminana, kanefa na dia eo aza ny zavatra atrehako sy ny ankohonako dia hijoro hatrany aho.
للعلم هذا رابع استدعاء لي،ذهبت مرتين،وفي الثالثة لم أذهب ومع ذلك أوذيت،الله وحده يعلم ما يحضّرونه لي من مفاجآت طالما لم تنفع القوة والتهديد
@Rowda_Hamed: Ho fampahafantarana ho anareo, ity no antso faha efatra voaraiko, efa indroa aho izay no nandeha tany fa ny fanintelony kosa tsy nankany aho, dia tsy nisy na inona na inona nanjo ahy. Andriamanitra irery ihany no mahalala hoe inona no zavatra homanin-dry zareo ho ahy rehefa tsy mandaitra intsony ny fampiasan-kery sy ny fampitahorana!
الاستدعاء لا يعتبر رسميا،طالما كان عن طريق الاتصال بأخي،لذلك لا أنوي الذهاب حتى لو أرغموني بالقوة
@Rowda_Hamed: Tsy ofisialy anefa ilay antso satria ny anadahiko no nantsoiny. Tsy ho any aho na dia terena aza.

I Nouf Abdullaziz (@nofah1), bilaogera vehivavy Saodiana iray, dia nanoratra ny iray tamin'ireo fanehoan-kevitra voalohany tamin'ny zavatra nanjo an'i Rowda:

روضة ساعدتني في مجال المعتقلين دون أن تنتظر جزاءًاأوشكورًا لم تقل هؤلاء ليسوامن بلدي، بل بادرت،اللهم انهانصرتنا فأنصرها ياالله
@nofah1: Nanampy ahy ary tsy niandrandra valiny na fisaorana i Rowda tamin'ny zava-nanjo ireo gadra Saodiana. Tsy noheveriny akory hoe tsy anisan'ny mpiray firenena aminy ireo. Hanampy azy anie Andriamanitra.

I Ibrahim Alharam (@IbrahimAlharam), avy amin'ny Emira Arabo Mitambatra, dia manameloka ny hetsika toy izany atao amin'ireo mafàna fo :

روضة حامد مثال للفتيات الاماراتيات اللواتي يحملن هم هذا الوطن ،، لا للاجراءات الأمنية التعسفية ضد كل الناشطين
@IbrahimAlharam: I Rowda Hamed dia modely voalohany ho an'ireo vehivavy ao Emira izay mihevitra ny fireneny. Fa tsy ho an'ireo mpitandro filaminana mampiasa hery amin'ireo mpanao fihetsiketsehana akory

I Rashid Al-kaabi (@rashid580) dia nanoratra fnakianana ho an'ireo mpitarika any amin'ny Golfa :

تستغرب عندما يغردون القاده العرب والخليج بشكل خاص وينصحون بشار ونسو انفسهم
@rashid580: Manontany tena ianao hoe nahoana ny Arabo sy indrindra fa ny mpitarika any amin'ny Golfa, no manoro hevitra an'i Bashar Assad sady manadino ny zavatra efa nataon’-dry zareo.

Mpisolovava Qatar iray atao hoe Ahmad Alkhanji (@aalkhanji) no nitsikera ihany koa ny fanjakana Emira momban'izany :

كيف تدعي الرغبة في الاصلاح السياسي ثم تعتقل من يتعاطف مع سجين الرأي؟
@aalkhanji: Ahoana no ilazanareo fa mila fiovàna ara-politika ianareo, avy eo anefa misambotra olona mifanerasera akaiky amin'ireo gadra ara-politika?
سلطات ابوظبي تخلق لنفسها مشكلة وتشوه صورة الامارات امام المنظمات الحقوقية .. والله من لا شي!
@aalkhanji: Ny fanjakana Abu Dhabi dia nanova ny endriky ny Emira Arabo Mitambatra teo anatrehan'ny fikambanana miaro ny zon'olombelona. Ary tamin'ny tsy antony akory!

Ilay Saodianay mpampiasa Twitter mafana fo (@SAUDI_LIBER) dia nanao ny trangan'i Rowda ho tonga ohatra iray ho an'izay mety ho hataon'ireo mpitantana any Golfa :

روضة…صورة من النفاق السياسي لحكام الخليج..وازدواج المعايير..وفي كل دولة خليجية الف روضة
@SAUDI_LIBER: Nasehon'i Rowda ny sarin'ny fiatsarambelatsihy ara-politikan'ny mpitarika any Golfa sy ny fitsara-mitanila. Isaky ny firenena ao Golfa, dia misy Rowda an'arivony maro.

Manao fampitahana i Abdullah Al-Balasi (@3bdlla) eo amin'ny Arabia Saodita, fireneny, sy ny Emira Arabo Mitambatra :

بالرغم من سوء الموقف المحلي لدينا في السعودية، لكن يبدو اننا لانقارن بالامارات! الفتاة ليس لها تأثير والفلوزر ألف ليه التحقيق؟!
@3bdlla: Na dia eo aza ny fahasarotan'ny raharaha ao Arabia Saoudite, dia toa tsy mety ampitahaina amin'ny Emira Arabo Mitambatra izany. Tsy dia manana toerana mavesa-danja loatra  ilay tovovavy ary anarivony monja ireompanara-dia azy, ka nahoana no tsy maintsy nohadihadiana izy!

Ilay Injeniera Emirati iray atao hoe Tariq Alhammadi (@Tariq_Alhammadi) dia nametraka fanontaniana tsotra :

سؤال يطرح نفسه : قبل ان يسرف الجميع في الحديث عن موضوع روضه حامد ، حد منكم يعرف روضه حامد شخصيا ومتأكد من مصداقية ما تقول ؟!
@Tariq_Alhammadi: Alohan'ny hireshan'ny tsirairay  ny momba an'i Rowda Hamed, misy ve iray aminareo mahafantatra azy manokana ary tena sahy milaza marina ny maha ara-drariny ny fitarainany?

I Sami Emirati (@bnt3bdallah) dia nanazava sy niaiky:

@bnt3bdallah: Tsy mino aho hoe ny Emira Arabo Mitambatra no ho tonga amin'izany fanjakazakàna izany.. KANEFA tsy mino aho hoe rariny raha isika no ho ao anaty haizina mikasika ireo 5 voaheloka.

Mpampiasa Twitter iray hafa (@dankendonuts) avy ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra no nanoratra tamim-panantenàna :

السلطات الإماراتية مستحيل تضرها بِ شي ! و روضةة راجعتلگم ، وحتى المعتقلين بإذن الله بيرجعون، حگومتنا ما تظلم
@dankendonuts: Ny fanjakana Emira Arabo Mitambatra dia tsy hahavita hanao ratsy azy na oviana na oviana! Haverina aminareo ihnay i Rowda, ary ireo gadra miisa dimy ihany koa. Tsy manao ny tsy rariny izany ny governemanta aty aminay.

Mpampiasa Twitter maro  avy ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra tsy mitonona anarana no namely an'i Rowda sy ireo mafàna fo dimy voatàna. Ity farany ity ohatra, dia mampiasa mitovy amin'ilay tetika fikomiana malaza any amin'ny faritra ankehitriny, izay milaza fa izay rehetra manohitra ny fitondrana dia Iraniana :

روضه حامد إيرانية وليست إماراتية … ولا تمت بصله للإمارات

@Rozez_r_rEd
: Iraniana i Rowda Hamed fa tsy Emirati. Tsy misy na inona na inona tokony hataony miaraka amin'ny Emira Arabo Mitambatra.

Ity farany, amin'ny lafiny iray, no nizaka ny iraisan'ireo Emirati rehetra  izay mametraka ny avy amin'ny mpanohitra ho mpikambana iray ao amin'ny Firahalahiana Silamo  :

يا سلام يا الإخونجيه بتلعبون علينا تفووو عليكم تحرضون على الدولة بهذي الإيرانيه ههههههه الحق بيبيين كالعادة
@AliAlisaeed5: Ianareo avy amin'ny Firahalahiana Silamo dia mihevitra ny hilalao anay fotsiny. Roraiko mihitsy ianareo e. Miantso vahoaka ianareo mba hanoherana ny fanjakana amin'ny alalan'ity vehivavy Iraniana ity. Hivoaka toy ny mahazatra eny ihany ny marina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.