Korea Avaratra: Mampatahotra an'i Kim Jong Ve Ny Famonoana Natao An'i Gaddafi?

Koreana Tavaratra nitsoaka ny fireneny lasa mpanao gazety manoratra ao amin'ny bilaogy antsoina hoe North Korea RT (Real Talk) i Joo Sung. Teraka tao Korea Avaratra Andriamatoa Joo ary nahavita fianarana ambony tao amin'ny oniversite Kim Il-sung, iray amin'ireo oniversite manan-danja indrindra ao Korea Avaratra. Niala tao an-tanindrazany izy ny taona 1998 ary nahazo ny fizakana ny zo maha-olom-pirenena Koreana Atsimo efa-taona taty aoriana. Mamoaka lahatsoratra matetika mitantara ny fiainany amin'ny antsipirihany tao Korea Avaratra izy mba hampahafantarana bebe kokoa ny zava-misy marina ao amin'ny fanjakana mitoka-monina.

Ity lahatsoratra ity dia tsikera nataony tamin'ireo tati-baovao marobe nanaparitaka fa mihorohoro i Kim Jong-il, mpanao didy jadona ao Korea Avaratra raha nandre ny fionganan'i Kolonely Gaddafi, filoham-pirenena Lybiana teo aloha. Tsy faly fa anisan'ireo mpanao didy jadona maherisetra fantan-daza manerantany, mitovy avokoa ny mombamomba azy ireo ary azo heverina tsara lavitra koa fa mpinamana izy ireo.

Image of Gaddafi and Kim Jong-il, two of the world's most notorious dictators, Posted in Mr. Joo's blog, used with permission.

Sarin'i Gaddafi sy Kim Jong-il, mpanao didy jadona roa fantan-daza manerantany, Nalefa tao amin'ny bilaogin'i Joo, nahazoana alalana.

카다피가 망한 뒤 각 언론사 사설 칼럼을 통해 김정일이 떨 것이라는 분석이 많은데, 저는 ‘No’라고 말하고 싶습니다.김정일이 과연 떨까요? 천만의 말씀입니다. 김정일은 오히려 카다피를 비웃고 있을 가능성이 크죠. 바지 벗어주고 뺨 맞은 바보 같은 놈이라고요. 카다피는 솔직히 나토가 개입해서 죽은 것입니다. 내부 시민혁명으로는 절대 망할 리가 없었죠. 김정일은 북한에서 내부 시민혁명이 일어나기는 리비아보다 백 배 더 힘들고, 일어나면 외국에 알려지기 전에 다 진압해버릴 수 있고(아무리 큰 봉기도 불과 반나절이면 끝)…

무엇보다 가장 중요한 점은 외세가 절대 개입 못한다는 점을 알고 있습니다. 북한엔 핵도 있겠다, 200만의 대군이 있겠다, 중국이 버티고 서주겠다, 석유도 없겠다…누가 북한을 공습할 수 있을까요. 그러니 리비아를 보면서 떨 일이 뭐 있겠습니까. 콧방귀를 뀌고 있겠죠. 다만 김정일도 리비아를 보면서 대비는 하고 있겠죠. 기동타격대를 조직했다던가, 국경 통제를 아주 강하게 한다던가, 중동 소식을 절대 알리지 않는 다던가, 쿠데타 못 일어나게 정치위원 더 강화시킨다던가 하는 것이 대표 사례입니다.

김정일의 가장 큰 불안은 자기가 죽고 김정은이 버틸 수 있을지 여부겠죠. 하지만 설명이 길어져서 더 쓰진 않겠지만요. 저는 지금처럼 노는 한 절대 2년 이상 못 버틴다고 봅니다.

북한 체제가 인위적으로 망할 수 있는 가장 가능성이 큰 방식은 두 가지 정도가 아닐까 봅니다.

하나는 위에서 쓴 것처럼 주민들과 말단 간부들까지 태업하면서 점점 곪아 문드러져 쓰러지는 것이죠. 하지만 시간은 꽤 걸리겠죠. 허울뿐인 정권도 누가 직접 무너뜨리지 않는 한 존속하기 때문입니다. 하지만 허울만 남겨지면 쓰러뜨리기가 훨씬 쉽죠.

둘째는 백성들의 원성이 하늘을 찌른다던가 권력 암투가 심해지면 제2의 안중근, 김재규가 나오면 되겠지요. 박정희 정권이 그리 끝날 줄 불과 하루 전까지 누가 알았겠습니까.

하지만 이 둘 보다 훨씬 더 확실한 것은 김정일은 늙었다. 그러니 죽는다. 언제? 곧….이것이 아니겠습니까.

북한도 이미 카운트다운에 들어간 겁니다.

Taorian'ny fionganan'i Gaddafi, samy namoaka lahatsoratra ny fampahalalam-baovao isan-tsokajiny nanambara fa hihorohoro manoloana ny vaovao i Kim Jong-il. Saingy TSY izany kosa no eritreretiko. Hihorohoro manoloana ny vaovao tokoa ve izy? Toa tsy hisy izany. Raha ny tena marina, toa te hivazivazy ny amin'i Gadahafi fotsiny i Kim noho ny fahavinirany ary mbola mananihany ihany na dia izany aza [vazivazy]..

Amiko manokana, ny fidiran'ny OTAN an-tsehatra no nitondra ny fahafatesan'i Gaddafi, fa tsy ny revolisiona anatiny.

Ny momba an'i Kim manokana, sarotsarotra kokoa, angamba sarotra avo zato eny ho an'ny revolision'ny olom-pirenena  no hijoro hanao fiokona ao amin'ny firenena Koreana Avaratra. Na dia mbola tsy nataony mihitsy aza anefa izany, fantatra fa tsy hitsitsy avy hatrany ireo tafika mankato ny fitondrana handrava mora foana ny fiokona, mialoha ny fiparitahan'ny vaovao manerantany mihitsy aza.

Fantatry Kim tsara fa tsy mora ho an'ny fahefana avy any ivelany ny miditra amin'ny raharaha anatiny ao Korea Avaratra: manana fitaovam-piadiana nokleary izy, manana tafika roa tapitrisa. Ary tohanan'i Shina ihany koa , ary tsy manana solintany kosa i  Korea Avaratra… Iza no sahy hanafika an'i Korea Avaratra raha toa ka tsy hitondra afatsy korontana izany? Araka izany, tsy misy antony na iray aza tokony hampitahotra azy manoloana ny vaovao farany ao  Libya.

Na izany aza, tsy isalasalana, fa ho sahirana mafy Andriamatoa Kim manoloana izay mety hiseho. Mety efa nandray fepetra amin'ny fandaminana ireo mpitandro ny filaminana izy, ny fanamafisana ny fanaraha-maso eny amin'ny sisintany, fanakanana ny fampahalalam-baovao rehetra avy any Moyen-Orient ary fanamafisana ny antoko politikany mba hisorohana izay mety ho fanonganam-panjakana, sns.

Ny tena mampanahy an'i Kim Jong dia ny fieritreretana raha mbola mahafehy ny fitondrana ihany ny zanany lahy mpandimby azy, Kim Jung-un, azy na tsia, rahatrizay maty izy. Raha ny fijeriko azy dia ratsiratsy ihany ny toe-draharaha. Raha mbola mitohy ny ataony [mpandimby], dia tsy haharitra roa taona akory ny fitondrana.

Ny hany azoko vinavinaina dia tranga roa ihany no mety hampirodana ny fitondrana Koreana Tavaratra.

Tranga voalohany: Mpanao kolikoly loatra ny olom-pirenena sy ny manampahefana sady tsy miraharaha ny andraikiny ka lò tanteraka ny fitondrana dia mirodana [ho azy raha mbola manohy ny fanaony izy ireo]. Saingy mbola ho elaela ihany izany mazava loatra. Ny fitondrana lò, na dia hoe anarany fotsiny aza, dia mbola afa-mijoro raha tsy hoe misy fahefana hita maso hafa manongana azy.

Tranga faharoa: mety hipoaka tampoka ny fahatezeran'ny olotsotra na misy ady seza sy fahefana ao amin'ny samy mpitondra ao. Iza no mahalala? Mety hahita Koreana tavaratra tahaka an'i Ahn Jung-geun na Kim Jaw-kyu isika. [i Ahn Joong-gun dia ilay mpitolona Koreana izay namono ny Praiminisitra Japoney izay eo an-dalam-panjanahana an'i Korea Atsimo; Kim Jaw-kyu indray dia Jeneralin'ny Tafika Koreana Tatsimo namono ny filoha KOreana Tatsimo taloha, Park Chung-hee, izay tsarovana ho sady mahay mitarika no mpanao didy jadona.]

Fa ny zavamisy mivandravandra hafa ankoatra ireo tranga roa ireo dia izao: Antitra i Kim Jong-il ary ho mety faty atsy ho atsy. Ny fanontaniana sisa dia hoe ‘rahoviana’ fa ny antenaiko moa dia hoe ‘efa akaiky dia akaiky’.

Efa manomboka ny fanisana ny ora farany any Korea Avaratra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.