Tonizia: Nampizarazara Ireo Toniziana Mpiondana Aterineto Ny Famonoana Toniziana Iray Tao Iraka

Vao maraina be ny  16 Novambra, notanterahan'ny manampahefana Irakiana ny famonoana ho faty an'ilay Toniziana, 27 taona, izay voaheloka ho nanao asa fampihorohoroana tany Iraka. Niditra tany Iraka i  Trigui fony mbola izy 19 taona monja.

Ny 20 May 2006, nosamborin'ny tafika Amerikana izy, ary taty aoriana kely, io taona io ihany, dia nohelohin'ny fitsarana ao Bagdad ho faty izy  noho ny fanondroana azy ho nandray anjara taminà fanapoahana baomba tamin'ny toeram-pivavahana Shi'a iray isan'ny masina indrindra. al-Askari shrine, tao an-tanànan'i Samarra, ary famonoana mpanao gazety iray avy amin'ny fahitalavitra  Al-Arabiya, Atwar Bahjat. Ilay fanapoahana baomba dia nandrehitra ny afon'ny tsy fifandeferana ara-pinoana teo Sunnits sy ny Shi'ites tao Iraka.

Tamin'ny 2009, ary noho ny tsy fahampian'ny porofo, nahantona aloha ilay fanamelohana azy ho faty, ary nahazo sazy 15 taona an-tranomaizina i Trigui noho ny fidirana ”tsy nahazoana alàlana ny faritra Irakiana.” Manamafy ny fianakaviany fa, ny Febroary 2011, ary tao anaty antso an-telefaona, no nilaza tamin'izy ireo izy fa izy dia nosaziana ho faty indray – fitsarana tsy natrehiny.

Nanoratra [ar] ny rainy tao amin'ny pejy Facebook “Tous pour que Yosri Trigui rentre chez lui ,en tunisie [fr]” ( Isika Rehetra Miara-mirona Hamerina an'i Yosri Triqui hody any Tonizia):

يوم الأحد 06/02/2011 حيث أعلمنا انه وصلته رسالة م وزارة العدل العراقية تعلمه انه حكم عليه غيابيا و بدون حضور أي محامي بالإعدام مجددا لكل التهم المنسوبة إليه سابقا
Ny Alahady 6 Febroary 2011, izy [Yosri Trigui] dia niteny tamintsika fa nahazo hafatra avy amin'ny Minisitry ny Fitsarana Irakiana, nilaza taminy fa izy dia voampanga ho faty indray tamin'ny fitsarana tsy nifanatrehana ary tsy natrehan'ny mpisolovavany,noho ireo vesatra teo aloha nanenjehana azy.

Tamin'ny Jolay 2011, Amnesty International dia nangataka tamin'ny manampahefana Irakiana mba hanolo ilay fanamelohana ho faty mahazo an'i Trigui, izay ”voaheloka ho faty taminà fitsarana toa tsy nanaraka akory ny fepetra iraisam-pirenena ho an'ny fitsarana tsy miangatra”, hoy ilay fikambanana ao anatin'ny fanambaràny.

Araka ny ambaran'ny Amnesty, Trigui dia isan'ireo olona 11 nenjehina noho ny asa fampihorohoroana, tsy maintsy hahantona amin'ny 16 Novambra.

Nampizarazara ireo Toniziana mpiondana aterineto ny famonoana an'i Trigui. Misy ireo mino, fa noho ny nandraisany anjara tamin'ny famonoana olona am-polony maro tsy mana-tsiny, dia mendrika azy ny fanamelohana azony

@djerbafr nandefa siokantsera hoe [fr]:

avant de pleurer l’exécution de #yossritriki ayez une petite pensée pour la famille des centaines de ses victimes!

Alohan'ny hitomaniana ny famonoana an'i Yosri Trigui, dia mandeha any amin'ny fianakavian'ireo olona anjatony maro novonoiny aloha ny saina aman'eritreritra.

Le supplice du Pal manampy hoe:

ce n'etait q'un terroriste… pourquoi s'indigner

Mpanao asa fampihorohoroana anie izy e…inona no mahatezitra?

Ireo izay tohina tamin'ny nahazo an'i Trigui dia manamafy fa ny fitsarana azy dia tsy araka ny fenitra iraisam-pirenena, ary mety ho voasàsa atidoha izy no nahatonga azy hahavita zava-doza toy izany.

Ilay bilaogera, Tarek Kahlaoui, dia nanakiana ny governemanta tetezamita ankehitriny ho tsy nanao na inona na inona hamonjena azy [ar]:

اعدام يسري الطريقي خبر مؤلم لعائلته ولكثير من التونسيين خاصة انه لم يحظ بمحاكمة عادلة[.. .] كان على الباجي قائد السبسي او المبزع القيام بمسعى “رسمي” حتى ربما يقع نزع الذرائع لدى السلطات العراقية لاعدام الطريقي.
Ny vaovao momba ny famonoana an'i Yosri Trigui dia tena maharary ho an'ny fianakaviany sy ny Toniziana maro, indrindra indrindra fa izy tsy mba nahazo fitsarana tsy miangatra (…) Beji Caid Sebsi [PM ankehitriny], na Mbezaa (President ankehitriny) dia tokony mba nanao hetsika ”ofisialy” (hanakànana ilay famonoana) mba, farafaharatsiny, ho lany lainga ny manampahefana Irakiana ka tsy hiroso amin'ny famonoana an'i Trigui.

Tarek Kahloui dia nandrisika ny manampahefana Toniziana mba hirotsaka an-tsehatra ho famonjena ny ain'ireo Toniziana hafa voaheloka ho faty ao Iraka.

لايزال هناك سجناء تونسيون في العراق بدون محاكمات عادلة. من واجب السلطات التونسية الجديدة الدفاع عن حقهم في ذلك وهو حق كل تونسي خارج بلاده.
Mbola misy Toniziana mifonja, izay tsy mbola nahazo ny fitsarana sahaza azy, ao Iraka. Andraikitry ny manampahefana Toniziana vaovao ny miaro ny zon'izy ireny hahazo fitsarana tsy miangatra, izay zon'ny Toniziana tsirairay any ivelan'ny fireneny

Tarek Cheniti manipika hoe [fr]:

Dégouté par l’annonce de l’exécution de Yosri Trigui en Irak. Stop à toute cette violence y’en a marre.

Kiriko tamin'ny fanambaràna ilay famonoana an'i Yosri Trigui tany Iraka. Atsaharo ny herisetra, ampy antsika izay

Pejin'ny Ministeran'ny Solika Irakiana Taorian'ny Fijirihana Azy. Sarin'i Yosri Trigui Miaraka Aminà Hafatra Iray Avy Amin'ilay Mpijirika

 

Ho fanoherana ilay famonoana, Toniziana iray mpijirika antsoina hoe  GlaDiaT0R no nitsofoka tamin'ny pejin'ny Vohikalan'ny Ministeran'ny Solika Irakiana. ”Tsy adinonay, Tsy ho avelanay, tsy hoe tsy misy anarana izahay, Toniziana izahay. Ho avy izahay’ io no hafatra navoakan'ilay mpijirika, somary nakàna tahaka ny fomban'ilay vondrona iraisam-pirenen'ny mpjirika, Anonymous.

Mandritra izany, ny mpanoratra ilay bilaogy Boukornine dia miampanga an'i Yosri, rainy, sy ny mpitarika Islamista Rached Ghannouchi, ary ireo Toniziana vato nasondrotry ny tany [fr]:

J'accuse Yosri Triqui de naïveté, de bêtise, d'avoir été embobiné, endoctriné, manipulé (…)Je l'accuse… d'avoir faussement rassuré l'opinion publique(…)J'accuse l'élite tunisienne de ne pas guider cette jeunesse (…)J'accuse le père de Yosri Triqui de glorifier la mort bête et inutile de son enfant, de ne pas s'avouer qu'il a échoué dans son éducation, qu'il n'a pas été là pour le guider quand il a commencé à avoir ces idées macabres (…)Ton départ me torture, Yosri. Ton exécution me hante, je te regarde mais ne vois pas de terroriste.

Ampangaiko ho vendrambendrana ihany i  Yosri Trigui, ary adaladala, nanaiky norebirebena, nosasàna atidoha sy nolalaovina (…) Ampangaiko izy [Rached Ghannouchi] tamin'ny fanomezana toky fitaka ho an'ny daholobe [andro vitsy nialoha ny famonoana, nanamafy izy fa nanome toky azy  an-telefaona ny filoha Irakiana fa tsy hamono an'i Yosri] (…) Ampangaiko ireo Toniziana vato nasondrotry ny tany tamin'ny tsy fitarihan-dàlana ity tanora ity (…)  Ampangaiko ny rain'i Yosri Trigui amin'ny fankalazàna ny fahafatesan-janany amin'ny fomba kidaladala sy tsy misy fotony, sy ny tsy fanekeny fa tsy nahavita ny nanabe ny zanany izy, amin'ny tsy naha-teo azy hitantana ny diany, rehefa nanomboka nanana izao hevitra mamoa-doza izao izy (…) Manorotoro ahy ny fahalasananao ry Yosri. Mahatonga henatra ho ahy ny famonoana anao. Mijery anao aho, nefa tsy mahita mpampihorohoro.

Faranan'ny mpanoratra amin'ny hafatra iray ho an'ny ray aman-dreny rehetra ilay lahatsoratra :

Expliquez à vos enfants que le plus intense et le plus glorieux des djihad est de réussir à l'école, de devenir un bon citoyen, de trouver un boulot, de fonder une famille et de vivre heureux

Hazavao amin'ny zanakareo fa ny tena Jihad (Ady Masina) goavana, sy faran'izay be voninahitra dia ny fahombiazana any an-tsekoly, lasa olom-pirenena mendrika, mahita asa fivelomana, manorina fianakaviana ary miaina finaritra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.