Liberia: Iza moa izany no tena resin'i Ellen Johnson ?

Dibo-kafaliana tanteraka, tahotra, fitaintainana na ra mandriaka aza; nandalo dia niserana ny fifidianana filoham-pirenen'i Liberia amin'ny ankapobeny. Na izany aza, maro ireo tantara, fihetseham-po, fahatsiarovana tavela ao an-tsain'ireo mponina Liberiana. Nandresy tamin'ny fifidianana indray i Ellen Johnson Sirleaf teo amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena izay tsy nandraisan'ny mpanohitra anjara.

“Fa iza marina moa izany no resiny e?,” manontany @Rwandankunda :

@Evode7 Fa najanon'ny haino aman-jery hoe efa 90% ny fandreseny. Fa iza marina no tena resiny? tamin'ny taha-pahavitrihana 30%? #Liberia

@Rwandankunda indray:

@geoffreyyork C'mon, ahoana no misy afaka hilaza izany hoe fandresena anefa ny mpanohitra tsy nandray anjara? Fironana tena manahirana mihitsy izany aty Afrika #Liberia

Feo maro, Tombontsoa maro, Firenena Iray. Sary nahazoana alalana tamin'ny@liberiaelection.

Manao hetsika mikasika ity vaovao ity, ny mpanohitra Winston Tubman izay manolotra safidy ny hanafoanana indray ny fifidianana ho filoha an'i Ellen Johnson-Sirleaf, hoy ny mpiserasera Liberiana, i Moses Carter, hoe :

Raha hitory ny CDC [Congress for Democratic Change (Kongresin'ny Fiovana ara-Demokratika)], dia ny fitsarana ihany no hany vahaolana. Mieritreritra aho fa mila ajanon'ny antoko rehetra amin'izay ity korontana ity na ara-drariny izy ity na tsia ary aleo hiroso amin'izay i Liberia … Raha marina izay teniko izay, dia ampahafantaro ahy!!!

Manontany tena i Mohamed Kamara:

Fa maninona ny haino aman-jerin'izao tontolo izao no mamaritra ny fandehan'ny fifidianan'i Liberia ho ” FIFIDIANANA MISY FIFANOHERAN-KEVITRA” ?

Mitsikera ny fanakanana, dia hoy i @Kenyaeric :

Ny fidongiana tsy hifidy any #Liberia dia tena fomban'ny tahotra Afrikana hamahana ny fifaninan'olon-droa ara-politika mankany amin'ny herisetra.

Hoy i @sarankjones :

Hita mihitsy ny olona sasany fa manan-kevitra hafahafa. #Tubman #Liberia #Liberia2011

Naneho fanambarana avy amin'ny Congress for Democratic Change (Kongresin'ny Fiovana ara-Demokratika) ny bilaogy The New Dispensation:

Niharan'ny herisetran'ny fifidianana noho ny fifandroritana filoha Liberia'. Sary nahazoana alalana tamin'ny @liberiaelection

Tsy miova ny hevitsika amin'ny tsy fanekena ny valin'ny fifidianana; TSY hanaiky ny antsoina hoe nandresy ny filoha Sirleaf isika raha ho valin'ny dingana feno hadisoana izay nitondrana ny fifidianana ho amin'ny fiodinana faharoa; mety hihaona ao anatin'ny fotoana fohy ny antokontsika ary iverenana hodinihina ny hevitsika ary raha hita fa mety hoe misy hevitra vaovao manatombo na mampiahiahy, dia ho lazaina amintsika rehetra ihany

Farany, mitoraka bilaogy mikasika ny vaovao mifandray amin'ny fifidianana nisy teo amin'ny sehatra sarintany Ushahidi Liberia i Kate Cummings

Nandritra ny herinandro farany, ny ankamaroan'ny vaovao voalaza isam-paritra voalaza tao dia momba ny herisetra tamin'ny Alatsinainy, ny fivoriana nivadika ho herisetra ny ampitso sy ny andro manaraka. Hita tao amin'ireo tranga voalaza ny: fanandramana nangalatra vata fandatsaham-bato, ny fanodinana ny vokatra tany amin'ny biraom-pifidianana, ny entona mandatsa-dranomaso nalefan'ny polisy hanalavirana ny olona amin'ny vata fandatsaham-bato, ny fanakatonana ireo fampielezam-peo telo lehibe izay voampanga ho mampiely tenim-pankahalana, fandorana tobim-pampielezam-peo lehibe izay mbola eo am-panaovana fanadihadiana, ary ny famotsorana olona 84 izay nogadraina nandritra ny fivoriana.
Hatramin'ny Alarobia teo, saika nandefa vaovao avy amin'ny haino aman-jery eto an-toerana sy avy amin'ny mpanara-maso iraisam-pirenena toy ny Carter Center sy ECOWAS ny ekipan'ny Ushahidi Liberia. Efa miomana ny hanavao hatrany ireo vokatra azo izahay mandra-pivoakan'ny vokatra farany. Na izany aza, tsy hitsahatra ny hamoaka ny vaovao farany izahay mandra-pahazoana ny valim-pifidianana rehetra. Saingy zohina ny vaovao farany dia hoe handà ny vokatra ny mpitarika ny mpanohitra Winston Tubman ary hitory araka ny lalàna izy hanaovana fifidianana hafa amin'ny volana manaraka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.