Ireo Fandinihina Manokana Momba Ny Tetibolan'i Timor Atsinanana

Ny Parlemanta Nasionalin'i Timor Atsinanana dia nanaiky vao tsy ela izay ny Tetibola 2012 naroson'ny governemanta ary ireo fandinihina manokana momba izany dia mbola hitohy hatramin'ny fifidianana farany izay hatao ny 25 Novambra 2011. Ny ONG La’o Hamutuk eo an-toerana dia nanokana pejy ao amin'ny vohikalany hanaràhana ny resaka mikasika io tetibola io amin'ny fanomezana ho an'ny sarambabem-bahoaka antontan-taratasinà tetibola , famakafakana, ary ireo politikam-panavaozana.

Budget Overview: 'Goodbye Conflict, Welcome Development'

Famintinana ny tetibola : 'Veloma ny Fifandroritana, Tongasoa ny Fandrosoana'

La’o Hamutuk dia manamarika fa ny fiakaran'ny tetibola ao Timor Atsinanana no isan'ny avo indrindra manerana izao tontolo izao :

Raha jerena ara-tarehimarika, ny tetibola 2012 dia mihoatra 35% raha oharina ny tamin'ny taona 2011, ary mihoatra ny dimy henin'ny tetibolan'ny taona 2008. Raha araka ny fijerin'ny FMI na ny mpamatsy vola iraisam-pirenena, dia i Zimbabwe no firenena tokana maneran-tany nahitàna fiakaranà tetibola haingana indrindra tato anatin'ny efatra taona izay. I Congo (RDC) dia eo amin'ny toerana fahatelo izay ahitana fiakarany 267%. Na dia taorian'ny fandaminana noho ny fiakaran'ny vidim-piainana aza, ny tetibolan'i Timor-Leste ho amin'ny taona 2012 dia mihoatra ny 25% raha oharina ny tamin'ny taona lasa ary niakatra 273% hatramin'ny taona 2006.

Famintinana ny tetibola natolotra

Ny toekaren'i Timor Atsinanana dia miankina betsaka amin'ny tamberimbidin'ny solitany kanefa ny mpahay toekarena dia efa nandrisika ny governemanta mba hampifangaroharo ny lahasa ara-toekaren'ny firenena. Nanahy i La’o Hamutuk fa tsy hamaly ny filàna tokony hampandrosoana ireo Indostria tsy mikirakira solitany ilay tetibola :

Raha esorinao ny fandaniam-bolan'ny fanjakana, ny toekaren'i Timor-Leste tsy ampidirana ny solitany dia tsy mandroso mihitsy ary angamba aza miha-ratsy . Miaraka amin'ny fidiram-bolam-panjakana izay ny 95% eo ho eo no entin'ny solika sy entona fandrehitra, toekarena inona indray no hampiasaintsika aorian'ny fahataperan'ny solitany sy entona fandrehitra ?

Ao anatin'ny fotoana tsy dia lavitr'ezaka loatra, ny harena ara-tsolitanintsika dia tsy afaka ny hanefàna akory ny antsasany amin'ny asa izay ho tontosain'ny Governemanta amin'ny taona ho avy. Izay no antony ilantsika hampiroborobo ny toekarenantsika ankoatry ny solitany.

Timor Atsinanana dia tsy ananan'ny firenen-kafa trosa saingy mety ho lasa mpindram-bola izy amin'ny taona ho avy :

Ilay tetibola natolotra dia ahitana $33 tapitrisa indramina ho fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka sy ny lalàm-pirenena ao Dili mandritry ny taona 2012, sy maro hafa izay atao amin'ny taona ho avy. Vao voalohany izao no nangataka fankatoavana avy amin'ny Parlemanta mikasika findramam-bola marina ny Governemanta, amin'izao fotoana izay naneken'ny “Deputados” ny fepetra reheta takian'ny lalàna tato anatin'ny volana vitsivitsy lasa.

Namorona ny Budget Transparency Portal ny governemanta izay ahafahan'ny sarambabem-bahoaka mahafantatra ny antontan-taratasy momba ny tetibola. Ny governemanta koa dia nampakatra tao amin'ny vohikalany ilay tetibola 2012 naroso. Misy ihany koa famintinana ilay fandinihana manokana mikasika ny tetibola tao amin'ny Parlemanta.

Ny parlemantera sasany dia nanakiana fa hoe ny tetibola natokana ho an'ireo sehatra telo laharam-pahamehana (fampianarana, fahasalamana, fambolena) dia niha-nihena hatrany raha oharina tamin'ny taon-dasa, izay ambaran-dry zareo fa maneho ny tsy fahampian'ny firaharahiana avy amin'ny Governemanta ho an'ireo sehatra ireo izany ary mifanohitra amin'ny faneken'ny Governemanta tany amboalohany. Fanampin'izany, ny sasany nanambara fa toa hoe aleon'ny Governemanta hono mampiasa vola aminà tetikasa goavana izay mihoatra lavitra ny fahafaha-manaony ary hiafara amin'ny fandaniam-bola be fahatany. Ny sasany nilaza fa manao ambanin-javatra ny sehatra faran'izay ilaina fatratra ny governemanta, izay andry iankinan'ny fandrosoana ho an'ny governemanta tsirairay manerana izao tontolo izao.

Nisy antontan-taratasy iray ‘Budget Made Simple’ na ‘Tetibola natao tsotra’ ihany koa navoaka mba hanomezana topimaso amin'ilay tetibola :

Ankehitriny Timor-Leste dia manana rafitra tetibola isan'ny iray mangarahara indrindra maneran-tany tamin'ny fanaovana ilay fandaharana adihevitra nivantana tao amin'ny fahitalavitra sy ny radio, ny antontan-kevitra momba ny tetibola azon'ny sarababem-bahoaka kiraina ary ny fampahafantarana amin'ny fotoana itrangany avy hatrany ao anaty aterineto ny fandaniana izay natao amin'ny alàlan'ny “Timor-Leste Transparency Portal”

…Ny Governemanta dia manolotra ny “Tetibola natao tsotra”, fanentanana ara-torohay natao hampahafantarana ny vaovao mikasika ny tetibola amin'ny fomba mazava sy tsotra.

La’o Hamutuk dia mihevitra fa mila fanatsaràna ireo vohikalan'ilay tetibola :

Mankasitraka ny fiaraha-miasa mahomby misy eo amin'ny Parlemanta sy ny Ministera izahay amin'ny famoahana haingana anaty aterineto ireo antontan-taratasy, manatsara hatrany ny fangaraharana mba hahamora kokoa ny fidirana amin'izy ireny noho ny tamin'ny taona lasa. Indrisy anefa, maveasatra be ny firana amin'ny vohikalan'ny Ministera ary ny sasany amin'reo mombamomba ny tetibola dia be zavatra tsy ilaina no sady lava loatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.