Tonizia: Fitsikerana Tafika Nampiditra Roa Volana An-tranomaizina

Tamin'ny 9 Novembra, Nabil Hajlaoui, mpahay fambolena sy fiompiana avy ao Sidi Bouzid, voampanga higadra roa volana an-tranomaizina noho ny fitsikerany ny andrim-panjakana miaramila Toniziana. Araka ny voalazan'i Houssem Hajlaoui, mpanoratra ny bilaogy iombonana Nawaat, nosamborina i Nabil Hajlaoui taorian'ny lahatsoratra navoakany, izay nanomezany tsiny ny tafika noho ny fikomiana vao haingana sy ny fandrobana niseho tao Sidi Bouzid.

Nanoratra izy hoe:

على إثر تعرّض المرافق الحيويّة والمؤسّسات الوطنيّة بسيدي بوزيد للإتلاف والحرق على خلفيّة الحوادث الأليمة الّتي جرت في مدينة سيدي بوزيد وذلك بعد الإعلان عن نتائج الانتخابات، اعتقل المناضل نبيل حجلاوي من طرف الجيش التّونسي على خلفيّة مقال ينتقد فيه تحرّك الجيش منذ بداية الأحداث.

Fotoana vitsy taorian'ny fanambarana ny vokam-pifidianana, izay niteraka gidragidra mahatsiravina tao Sidi Bouzid, sy nitarika fandrobana, ary fandoroana fotodrafitrasa iankinan'ny fiainam-bahoaka sy ny tranom-panjakana ao an-toerana, ao Sidi Bouzid, nosamborin'ny tafika Toniziana ilay mpitolona Nabil Hajlaoui noho ny lahatsoratra navoakany mitsikera ny fomba fanaon'ny tafika hatramin'ny nanombohan'ny hetsika

Notohizany hoe :

الاستاذ نبيل حجلاوي ليس الوحيد في سيدي بوزيد الذي وجّه تهم السّلبيّة و التّقاعس للجيش الوطني على ضوء تعامله مع أعمال العنف التي اندلعت في المدينة على هامش الاعلان عن نتائج انتخابات المجلس التّأسيسي, حيث قام مجموعة من المحامين و الحقوقيين بتقديم شكوى رسميّة ضدّ المؤسّسة العسكريّة
Tsy ny Profesora Nabil Hajlaoui ihany no olo-tokana nitsikera ny tafika noho ny fahalainany miasa sy ny fahakamoany hanakana ny loza niseho taorian'ny fanambarana ny voka-pifidianana amin'izay ho mpikambana ao amin'ny antenimieram-dalampanorenana. Fa fitambarana mpisolo vava sy mpanao lalàna maromaro koa no nametraka fitoriana ny andrim-panjakana miaramila

Fikomiana taoriana ny fifidianana tao Sidi Bouzid, sary avy amin'i SBZone

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Taorian'ny fanambarana ny  vokam-pifidianana vonjimaika ny alin'ny 27 Oktobra, nidina an-dalambe tao Sidi Bouzid ny mpanao fihetsiketsehana mba hanohitra ny fanapahan-kevitra noraisin'ny komisiona tsy miankina misahana ny fifidianana izay  nanilika seza maromaro efa fantatra fa natolotry ny lisitra tsy miankina ”the Popular Petition” “Fangatahan'ny Vahoaka” noho ny ”fanitsakitsahana ny resa-bola amin'ny fampielezan-kevitra.” Nahazo ny ankamaroan'ny vato anefa ny ”Fangatahan'ny Vahoaka” tao  Sidi Bouzid, tamin'ny fihetsiketsaham-panoherana nitarika ny fionganan'ny filoha teo aloha Zeine El Abidine Ben Ali.

 

Tsara ny manamarika fa tamin'ny 8  Novambra, namoaka didy ny fitsarana misahana ny ady amin'ny fanjakana, izay nilaza fa nahazo seza valo ao amin'ny antenimiera indray ny ‘Fangatahan'ny VAhoaka” .

Nabil Hajlaoui, olom-pirenena Toniziana, niatrika fitsarana ady miaramila tao Sfax (Atsimon'i Tonizia).

Nadia A. ni-tweet:

En pratique comment empêcher des cas Hajlaoui? Qui a les prérogatives nécessaires pour interdire le jugement de civils par les militaires?

Raha ny tokony izy, ahoana ny fomba hanakanana ny tranga mahazo an'i Hajlaoui toy izao? Iza no manana ny fahefana rehetra ilaina handraràna ny fitsaran'ny miaramila ny olom-pirenena?

Fianakavian'i Nabil Hajlaoui Nitaky Mafy ny: Famoahana ny Zanany lahy…Tsy meloka izy

Fanindroany izao no nisy fisamborana olona milaza ny marina sy maneho hevitra toy izao isaky ny vita ny fihetsiketsehana revolisiona Toniziana. Tamin'ny 29 Mey 2011, “mpitsikera ny tsy mety” Samir Feriani no efa nosamborina noho ny fitsikerana nataony tamin'ny Minisitry ny Atitany. Noafahana izy efa-bolana taty aoriana.

 

 

Samira Abed ni-twee hoe:

Mialoha ny naha #Feriani an'i #Hajlaoui, misy olona afaka handefa ny nosoratany ve? Te-hahafantatra raha noho ny zavatra nosoratany marina no antony nisamborana azy #sidiBouzid

Nikarakara fihetsiketsehana mitaky ny famoahana azy tsy misy hatak'andro ny Fianakavian'i Nabil Hajlaoui niaraka tamin'ny mpitolona maromaro. Anisan'ny niampangana azy ny ”fanaparitahana ny tsy filaminana.” Nilaza ny fianakaviany fa voasambotra izy noho ny tsikera nataony tamin'ny andrim-panjakana Toniziana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.