Ejipta: Nahoana No Hafahana Ilay Bilaogera Alaa Abd El Fattah?

Ity lahatsoratra ity ampahany amin'ny fanadihadiana nataonay manokana momba ny Revolisiona ao Ejipta 2011.

A graffiti of Alaa Abd El Fattah which reads: Don't forget me. Photo by Bassem Sabry

Ny graffiti iray misy an'i Alaa Abd El Fattah dia mivaky toy izao: Aza manadino ahy. Sary avy amin'i Bassem Sabry

Mpitsara iray tao amin'ny fitsarana ara-miaramila no hanapa-kevitra amin'ity anio ity na hohafahana i Alaa Abd El Fattah na mbola handany 15 andro hafa indray ao an-tranomaizina, eo ampiandrasana ny fanadihadiana ambaran'ireo mpiaro fiampangàna tsy marina. Nohelohina ho manainga ny olona hanao herisetra amin'ny miaramila,  nangalatra fitaovam-piadiana sy nanimba fananan'ny miaramila.

Tamin'ny 30 Oktobra no nisamborana an'i Abd El Fattah, rehefa nandà tsy hohadihadian'ny mpitsara miaramila mpanao famotorana, ho fanoherany ny maha ara-dalàna azy. Ny fisamborana azy, sy ny vokatr'izany tamin'ny sehatra iraisam-pirenena, dia nahakasika sivily maro maherin'ny 12,000, izay anenjehana azy ireo ara-miaramila ao Ejipta rehefa naka toerana ny “Supreme Council of the Armed Forces (SCAF) na Fitsarana Ambonin'ny Tafika Mitam-piadiana.

Tao amin'ny Twitter, dia nanambatra ny heriny ireo mpanohana ho an'ny fanafahana azy tamin'ny fanaovana ny tenifototra “#WhyFreeAla.” Indreto ny sasantsasany amin'ireo bitsika ampiasàna ity tenifototra ity.

Mibitsika i Mostafa Rafat:

@llvllostafa: #WhyFreeAlaa satria any an-tranomaizina izy mba hisolo toerana ahy sy ianao.

Mizara fihetsehampo mitovitovy amin'izany ihany i Ahmad moein :

@ahmadmoein: #WhyFreeAlaa satria ianao no manaraka!

Manampy i S K:

@nolesfan2011: #whyfreealaa satria izy dia maherifo, tsy manan-tsiny izy ary namako sady anisan'ny olona fantatro ho tena manome aingam-panahy indrindra.

Milaza i Hussein Adel Fahmy fa [ar]:

عشان أقوله أسف أنى كنت واخد فكرة غلط عنك تماما قبل الثورة..
@7usfahmy: Mba hahafahako miala tsiny aminy satria izaho dia tena diso hevitra mihitsy momba azy talohan'ny revolisiona.

Ary ny anabaviny Mona Seif, izay nandresy tamin'ny raharaha ara-pitsarana miaramila an'ireo sivily, hatramin'ny fiandohan'ny revolisiona, dia mibitsika hoe :

@Monasosh: #WhyFreeAlaa satria izaho dia tena manina anao ary efa reraka ny mieritreritra hoe moramora izany.

Mamintina azy ity ilay mpanoratra lahatsoratra fanadihadiana isanandro, atao hoe Mona Eltahawy :

@monaeltahawy: #WhyFreeAlaa satria ataony #izay hahatsara kokoa an'i Ejipta.

Ity lahatsoratra ity ampahany amin'ny fanadihadiana nataonay manokana momba ny Revolisiona ao Ejipta 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.