Ejipta: Sambory ny Sisa Tao Amin'ny Fitondrana Teo Aloha

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ireo Tolona any Ejipta 2011.

Ny volana Aprily lasa teo ny fitsarana Ejipsiana dia nandidy ny faharavan‘ny antoko politika izay nanjaka tao amin'ny firenena amampolon-taona, dia ny National Democratis Party (NDP) na Antoko Nasionaly Demokratika. Tamin'izay, noraisin'ny maro, toy ny mpanao blaogy Ejipsiana Zeinobia, ho fanatanterahana ny tolom-piavotana sy fanasaziana ireo nanaratsy ny fiainana ara-politika tao Ejipta tamin'ny andron'i Mubarak izany didy izany.

Izao no nosoratany:

Ity fitsarana efa niandrasana ela ity dia kapoka ho an'ny fieboebon'ny mpikamban'ny NDP, “mpikambana taloha hisondrotra” izay tsy te hiala sy tsy te hanaiky ny heloka izay nataony tamin'ity firenena lehibe ity.

Nanomboka tamin'izay dia lasa anisan'ny voambolana vaovao farany nampiasan'ny ejipsiana ny teny hoe “Felool” [ar], izay midika hoe “tavela tamin'ny fitondrana taloha”. I Mohammad Salah dia nanome fanazavana antsipiriany momba ilay teny:

Eo anelanelan'ny matotra sy ny mampihomehy, ny teny hoe “tavela” dia lasa ny teny ampiasaina indrindra eo amin'ny fiarahamonina Ejipsiana tao aorian'ny tolom-piavotana. Ny tavela dia ireo resy, ireo nilaozan'ny fitondrana taloha: na ireo niasa tao amin'ny fahefana manatanteraka sy nanana toerana avo sy be voninahitra tao amin'ny fanjakana, na olona ambonin'ny Antoko Nasionaly Demokratika (NDP) izay efa rava; Depiote tao amin'ny antenimiera sy ny filankevitra Shura izay nahazo toerana tamin'ny alalan'ny risoriso, na olona misy ifandraisana amin'ny fitondrana Mubarak na dia tsy tao amin'ny fitondrana sy tsy nanao politika mivantana aza – tahaka ireo mpandraharaha, olo-malaza, mpanakanto, mpilalao baolina sy olona nampiasain'ny fanjakana nanomezana rariny ny nataony, nampiasany ahazoan'ny zanak'i Mubarak ny toerana Filoham-pirenena ho lova!

Ary mandritra ny fiomanan'ny Ejipsiana amin'ny fifidianana parlemanta amin'ny volana Novambra dia misy ireo tavelan'ny fitondrana Mubarak lasa mampametraka fanontaniana ho azy ireo. Misy ireo mpikambana taloha tao amin'ny NDP no nanorona antoko politika vaovao, ny sasany lasa mahaleo tena.  Na avy amin'ny antoko hafa aza dia misy koa amin'ireo no miankina amin'ny lazan'ny mpikambana talohan'ny NDP mba hahazo seza maromaro kokoa eo amin'ny parlemanta.

Azza Sedky dia nitantara ny naha-voaendrikendrika ny Al-Wafd (iray amin'ireo antoko Ejipsiana tranainy indrindra) ho nampiditra mpikambana taloha tao amin'ny Antoko Nasionaly Demokratika tao aminy.

Nanazava izy:

Na eo aza izany, na ny Wafd aza toa manana olana amin'ny lisitra, noho ireo mpikambana sasany misisika hirotsaka amin'ny fifidianana amin'ny parlemanta, raha mifanohitra amin'izany kosa ny eritreretin'ny komity avon'ny antoko. Mostafa El-Gendy, izay niala vao haingana tao amin'ny antoko, dia anisan'ireo nanivana ny Wafd noho izy ity voalaza fa nampiditra tao anatin'ny lisitra natolony ireo mpikambana taloha tamin'ny Antoko Demokratika Nasionalin'ilay filoha naongana Hosni Mubarak (NDP).

Ramy Mahrous koa dia nandefa tweet:

@RamyMahrous: Ayman @ayman_shweky dia manambara fa ny sasany amin'ireo kadidà  an'ny Antoko “Alwast” ho an'ny parlemanta dia NDP taloha #Matrouh #Egypt #Parliament #Elections

Ny olana tahaka itony dia miteraka hevitra maro na eo amin'ireo antoko tsirairay izany na eo amin'ny samy antoko miaraka amin'ny fironana politika, ka nitatitra iray amin'izany ohatra izany i Bassem Sabry tao amin'ny blaoginy:

Anisan'ny anton'ny fisarahana ireo mpikambana NDP taloha nirotsaka ho fidiana amin'ny vondrona Ejipsiana, ary koa (mazava ho azy) ny fanomezan-toerana ao anatin'ny vondrona.

A list of NDP spin-off parties, tweeted by Maram AdeL

Iray tamin'ireo vahaolana natolotra ny lalàna iray mandràra ireo mpikambana taloha tao amin'ny NDP tsy hirotsaka ho fidiana amin'ireo fifidianana parlemanta hoavy. Na izany aza, niteraka adihevitra be izany satria ny hery politika sasany dia mahita fa ilaina izany ho an'ny tena demokrasia any Ejipta, ny hafa kosa dia nitsikera izany ho nametraka tetezana ho amin'ny fanilihana politika.

Mbola dinihan'ny Fitsaràna Ambonin'ny Tafika (SCAF) izany lalàna izany, ary sarotra ny miandry azy noho ny fifidianana manakaiky, ka nahita vahaolana hafa ireo tanora revolisionera sasany. Namorona sehatra vaovao izy ireo antsoina hoe Emsek-flol (Sambory ireo sisa amin'ny fitondrana taloha) hananganana ny lisitr'ireo mpikambana NDP taloha sy ny distrika hirotsahany ho kandidà. Nanoratra momba ny vohikala i Zeinobia ato:

Tahaka ireo vondrona politika Ejipsiana “sambory ireo mpangalatra” sy mafana fo, anisan'izany ireo tanoran'ny 6 Aprily, ny fiombonan'nyTanora  Revolisionera sy ny Filan-kevitra Nasionaly Ejipsiana “Mamdouh Hamza” dia nanangana vohikala lehibe antsoina hoe : Emseklflol.com
Hita ao amin'io vohikala mahavariana io avokoa ny anaran'ireo mpitarika NDP taloha sy ireo mpikambana lehibe ary koa ireo NDP taloha ao amin'ny parlemanta, filankevitra any an-toerana ary ireo biraon'ny NDP any amin'ireo fitondràna isam-paritra. Asa goavana mahavariana izany. Azonao tadiavina amin'ny alalan'ny fitondràna isam-paritra ny anarana miaraka amin'ny fanazavana fohy momba ny toerany tao amin'ny NDP.
Ny tena mahaliana dia ireo “cadres” tao amin'ny NDP , ireo mpitarika azy. Io lisitra io dia ahitàna mpanao afera matanjaka izay mbola tsy voakitika hatramin'izao. Ahitana ny anaran'ireo antoko noforonin'ireo sisa tao amin'ny NDP io vohikala io, mazava ho azy fa maherin'ny valo izy ireo ankehitriny.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana nataonay momba ireo Tolona tany Ejipta 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.