Timor Atsinanana: Fidirana An-tsehatra Amin'ny Famoronana Sy Ny Kolontsaina

I Timor Atsinanana dia fantatra amin'ny fanànany akora, mozika ary dihy nentim-paharazana. Ny fanandratana ny “kolontsaina” dia tena zava-dehibe tamin'ny fanoherany ny fanjanahan'ny Indoneziana tamin'ny taona 1975 ka hatramin'ny 1999, ary ny fahaleovan-tenan'i Timor Atsinanana dia niteraka tetikasa ara-kolotsaina maro. Fa ny zavatra iray izay tsy dia natao ho zava-dehibe loatra dia ny fanànany kolontsaina avo dia avo amin'ny fanaovana asa tànana ary ny “fanamboarana” izany amin'ny alalan'ireo akora izay hita ao an-toerana ihany.

Passing on culture

Fampitàna ny Kolontsaina

Ny fampidirana tetikasa vaovao atao hoe: “Tatoli ba Kultura“, izay midika ihany koa hoe “Fampitàna ny Kolontsaina”. Ny tanjon'ity tetikasa ity, rehefa nanaovana fikarohana lalina dia lalina ary fanomanana maro, dia ny hanohanana ny firoborobon'ny sekoly ho an'ny orinasam-pamoronana:

Ny tanjon'ity tetikasa ity moa dia ny fananganana toeram-panabeazana mba hikajiana sy hiarovana ny kolontsaina nentin-drazana, nefa ihany koa mba hitondràna toe-tsaina tia mamorona eo amin'ny sehatry ny fanabeazana  ka hahatongavana any amin'ny fanovàna.

Ny mpandridra ilay tetikasa, David Palazón, dia mpanakanto iray avy any Barselona, Espaina. Hoy izy hoe:

Tampotampoka no nahatongavako teto [timor Atsinanana] mba hialàko sasatra kely amin'ny asako, hanao asa-sôsialy ny amin'izay efa nanànako traikefa,  zavatra iray mitarika ho amin'ny zavatra iray hafa.

Nivezivezy nanerana ny firenena niaraka tamin'ireo namany iray tarika aminy hikaroka ireo akora Timaore sy kolontsaina tena manana ny maha izy azy, ary nandefa lahatsary mahavariana maro, sary sy feo tao amin'ny  “sarintany media” Tatoli ba Kultura, izay nalaky lasa fakàna hevitra lehibe tokoa.

Ny sasantsasany tamin'ireo lahatsary tena naharesy lahatra dia ny fitaovana fampiasa amin'ny mozika mampiavaka ilay faritra ihany. Andeha halaina ho ohatra ity lahatsary ity misy ny fitaovana antsoina hoe “Rama” fampiasa amin'ny mozika izay avy ao amin'ny nosy Ataúro :

Ny tontolo Timaore dia somary miavaka manokana mihitsy, hoy Palazón nanamafy :

Ny Kultura dia tsy mitovy amin'izay fiheverantsika ny kolontsaina any amin'ny tontolon'ny tandrefana. Raha ho an'ny Timaore, ny atao hoe kolontsaina dia ny fitambaran'ny zavatra lasa taloha rehetra, ka amin'ny alalan'izany no hamantarany hoe avy aiza tokoa moa izy. Fa ny fanontaniako tena miverimberina matetika rehefa miasa eny an-kianja aho dia ny hoe: Fa nahoana ity no ataonao toy izao? Ary ny valiny dia mitovy hatrany: ‘satria toy izao foana no fomba  nanaovan'ireo razam-bentsika azy, ary nampitaina mankany amin'ny taranaka fara-mandimby izany. ‘ Ary mazava fa manana dindo betsaka avy amin'i Indonezia, Sina, Portugal, ets…ry zareo,  izay tena mifàka lalaina ao amatin'ny kolontsaina ary tena tafiditra tanteraka ao anatiny ny fampiasàna izany amin'ny fiainana andavanandro.

Hoy izy, mifandraika amin'ny fanovàna:

Raha ny fomba nentim-paharazana no hasian-teny dia izao, i Timor dia firenena mbola tena miankin-doha tanteraka amin'ny fambolena sy ny fiompiana, ny toekarena ivelan'ny renivohotra dia miankina tanteraka amin'ny fianakaviana, ny fananany, izay zavatra mety ho azony atakalo, ny isam-pianakaviana tsirairay sy ny fidiram-bolany, ary koa hoe ahoana no hizarazaràny izany rehetra izany eo amin'ireo nofinidiny hifandraisana mifanaraka amin'ny fombafombany sy ny finoany manokana.  Noho izany amin'ny lafiny iray izy dia tsy tia  loatra manova zavatra – tsy resaka politika anefa – fa satria ny fanovàn-javatra dia mety hiteraka zavatra sarotra izay mety tsy ho zakan'ny olona maro […] Kanefa na izany aza, dia misy olona maro izay mivoatra tokoa ao anatin'ny rafitra nentim-paharazana.

Nanantena i Palazón nony farany, fa ny sekoly sekoly ho an'ny orinasam-pamoronana dia mba ho tonga isan'ireo zavatra hamorona asa amin'ny alalan'ny fijoroan'ny “kilasim-pamoronana”, mampiroborobo ny fandrosoan'ny fandraharahana madinika ary manosika ny tontolon'ny fizahantany.

Mahazo ny fanohanana avy amin'ny Anjerimanontolon'i Griffiths ao Queensland any Aostralia ny Tatoli ba Kultura, ary nahazo tolo-tànana avy amin'ireo karazana sekoly malala-tànana maro. Naverin’ i Palazón indray ny tenin'i Profesora Tony Fry, izay nilaza fa: “i Timor dia manana harem-pirenena roa karazana: dia ny solika sy ny kolontsaina. Mety tsy haharitra mandrakizay ny solika, ary mifanohitra amin'izany, ny kolontsaina dia haharitra mandrakizay”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.