Kolombia: Mitohy Mitokona Ireo Anjerimanontolo Ho Fanoherana Ny Lalàna 30

“Tsy ity akory no andian-taranaka hahita ny fahafatesan'ny Anjerimanontolom-panjakana”. Miaraka amin'ity fanambaràna navoaka taminà karazana media samihafa ity, miezaka manaitra ny sain'ny governemantam-pirenena ireo mpianatry ny anjerimanontolo Kolombiana amin'ny fangatahan-dry zareo ny mba hanafoanana ilay fanavaozana ny Lalàna 30 mifehy ny fampianarana ambony. Mihevitra ireo mpianatra fa ilay fanavaozana dia hitondra amin'ny fanomezana ireo anjerimanontolom-panjakana ho lasan'ny tsy miankina, ary nanindry izy ireo fa tsy hanomboka raharaha akademika mihitsy – izay efa naaton-dry zareo roa herinandro lasa izao – raha tsy sintonin'ny governemanta any amin'ny Kaongresy ilay volavolan-dalàna.

Niziriziry tamin'ny toerana nisy azy ny governemanta tamin'ny alalan'ny Minisitry ny Fanabeazana, nilazàny fa hitondra tombontsoa ho an'ny vahoaka Kolombiana ilay fanavaozana. Tsy ela akory izay dia nandefa fanentanana tanaty fahitalavitra izy io izay mikendry ny handresy lahatra ny Kolombiana hanaiky ny fanavaozana tahaka izany.

Niteraka valin-kafatra tamin'ny alalan'ny lahatsary avy amin'ilay Solombavambahoaka Angela Robledo ilay fanentanana, izay mbola mitohy mihodina any anaty aterineto any. Ao anatin'ilay lahatsary i Robledo dia mandalina ilay fanentanana ka milaza fa ny Lalàna 30 dia tetikasa manohitra ny demaokrasia, tsy mahazo izay fankatoavana sahaza ho azy. Tsindriany koa ny tsy fahampian'ny fampiasam-bola amin'ny sehatra fanabeazana satria ny vola dia navily ho any amin'ny ady sy ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany. Any amin'ny farany i Robledo dia mangataka ny Minisitra sy ny Governemanta mba hisintona ilay volavolan-dalàna ka hifampiresaka amin'ireo mpianatra mba hitady izay fanavaozana tsara kokoa ho an'ny fanabeazana.

Na izany aza, tsy mbola misy miverina an-dakilasy ny mpianatra ary manohy ny fanentanana any amin'ny faritra samihafa [es] ao Kolombia. Nahavita nikarakara fihaonana tamin'ny governemanta ireo mpianatra tamin'ny  Alatsinainy 31 Oktobra [es] mba hanaovana tombana ny vakiraokan'ilay fanavaozana ny Lalàna 30. Kanefa, mbola eo foana ireo hetsika anaty aterineto miaraka aminà kaonty Facebook vaovao sy famoahana amin'ny tambajotra sosialy hafa.

Ny bilaogy El Salmón dia namoaka lahatsoratra [es]  isan-karazany [es]  mikasika ilay lohahevitra. Ao anatin'ny  “Oroka sy Fihina tao Amin'ny Anjerimanontolon'i Tolima” [es] dia miteny ity bilaogera ity hoe:

La Lucha Universitaria contra la corrupción en la UT y contra la Ley 30, no sólo incluye luchar contra la universidad-empresa, aquella que hace uso de la educación para lucro económico de los inversionistas, sino que también reclama al Estado el aumento de presupuesto en la inversión social  (salud, vivienda, cultura, deporte y educación).

Ny ady ataon'ny mpianatra amin'ny kolikoly ao amin'ny UT [Anjerimanontolon'i Tolima] sy hanoherana ny Lalàna 30, tsy hoe fotsiny ahitàna ady amin'ny anjerimanontolo-fandraharahana, izay ampiasàna ny fanabeazana ho fikatsahana tombontsoa ara-bola ho an'ireo mpampiasa vola, fa koa ady hangatahana amin'ny fanjakana ny hampakàrany ny fampiasam-bolany amin'ny sehatry ny sosialy (fahasalamana, trano fonenana, kolontsaina, fanatanjahantena sy fanabeazana).

Ny Gazetiboky Hekatombe [es] dia mamoaka ireo teny nambaran'ny Minisitry ny Fanabeazana mikasika ny fitokonan'ny mpianatra:

Cuando se completan casi dos semanas de paro estudiantil en las universidades públicas del país, en protesta contra la reforma a la Ley 30, la ministra de Educación, María Fernanda Campo, aseguró que la posibilidad de que se cancele el semestre académico depende de los directivos de cada institución.

Nandritra ny efa ho herinandro roa nisian'ny fitokonan'ny mpianatra tany amin'ireo anjerimanontolom-panjakana ho fanoherana ny fanavaozana ny Lalàna 30, ny Minisitry ny Fanabeazana, Maria Fernanda Campo, dia niteny ny mety hanafoanana enim-bolana amin'ny fotoam-pianarana, saingy ankinina amin'ny fitantanan'ny toeram-pianarana tsirairay.

Mizara fanehoan-kevitra ao amin'ny Twitter ireo mpampiasa aterineto amin'ny alàlan'ny  #Ley30 ,”paro universitario” (“fitokonan'ny anjerimanontolo”), #NoReformaLey30 sy #NoLey30:

Fabián Figueroa (@fafv) dia mitatitra fa ny Anjerimanontolo ao  Pamplona koa dia nanatevin-daharana ilay fitokonan'ny anjerimanontolo:

¡Se une la Unipamplona al paro nacional universitario! No son vacaciones, son horas de trabajo para luchar por el futuro.

Nanatevin-daharana ny fitokonana eto amin'ny firenena i ¡Unipamplona! Tsy misy fialan-tsasatra, fa ora fiasàna hiadiana ny hoavy.

Raha i Daniel Camilo (@DkmilOx) kosa maneho ny hadisoam-panantenany amin'ny tsy firaikan'ireo mpianatra avy amin'ny anjerimanontolo tsy miankina:

… q rabo el leer a jóvenes universitarios q por estar estudiando en Universidades privadas piensan q la reforma a la #ley30 no les afecta

…mahatezitra ahy ny mamaky ireo mpianatra avy amin'ny anjerimanontolo izay mihevitra fa satria ry zareo mianatra amin'ny anjerimanontolo tsy miankina dia tsy mahakasika azy ireo ny fanavaozana ny #lalàna 30

Laura Barreto (@LauraBarreto) dia mizara ny fomba fijeriny amin'ny maha-mpianatra avy aminà anjerimanontolo tsy miankina azy:

Con todo esto de la #Ley30 me siento discriminada por estudiar en Universidad Privada.

Miaraka amin'ity #Lalàna30 manelohelo ity dia mahatsiaro ho voahilikilika aho noho ny fianarako any aminà anjerimanontolo tsy miankina.

Omar Ferrer (@OFFezt) dia nibitsika ho valinteny ho an'i Laura Guarín (@Laliguarin):

@Laliguarin Si no protesto, es porque quizás no creo que la #ley30 sea tan satánica para el futuro del país. No porque sea millonario

@Laliguarin Raha tsy mihetsika manohitra aho, dia satria angamba tsy heveriko ho asan-devoly be ho an'ny hoavin'ny firenena ny  #lalàna 30. Fa tsy noho  ny hoe maha-mpanapitrisa ahy akory
Students in Bogotá participating in a protest. Photo by Luis Gomez, Copyright Demotix (26/10/2011)

Mpianatra ao Bogotá mandray anjara amin'ny hetsi-panoherana. Sary avy amin'i Luis Gomez, Copyright Demotix (26/10/2011)

Tati Triana (@TatianaTriana) dia manindry ny lesoka ankapobeny eo amin'ny fanabeazana:

No existe universidad privada. Existe un pueblo privado de educación #NoReformaLey30!

Tsy misy ny anjerimanontolo tsy miankina. Ny ananantsika dia olona tsy omen-jo hahazo fanabeazana #NoToReformOfLaw30! #TsyMilaFanavaozanaNyLalàna30!

Kristian López (@musickris) dia mamaly bitsika iray nalefan'ny Filohan'i Kolombia mba hitarainana noho ny zava-misy sy ilay fanavaozana:

@JuanManSantos quiero estudiar, quiero algun dia reparar los daños que ud y sus antecesores le produjeron a COLOMBIA #noreformaley30

@JuanManSantos Te-hianatra aho, te-hanarina indray andro any ny fahavoazana zakain'i KOLOMBIA noho ny nataonao sy ireo teo alohanao  #notoreformof law30

Sebastián Jaimes (@Cbaz_Jaimhez), mitanisa ny fifidianam-paritra tamin'ny 30 Oktobra, dia manolotra hevitra toy ity manaraka ity:

Propongo marcar en el papel Electoral: ¡NO A LA REFORMA DE LA LEY 30, QUIERO ESTUDIAR!. #NoLey30

Manome soso-kevitra aho ny hanoratana anaty biletàm-pifidianana ny hoe TSY EKENA NY FANAVAOZANA NY LALANA 30, TE-HIANATRA AHO! #NoLaw30

Farany, Oscar Cuervo Ariza (@ocuervoa), mpianatra amin'ny sampana Toekarena, dia manontany ny amin'ny maha-matotra ity resaka fanavaozana ity:

Quiero propuestas serias, discursos serios para debatir reforma a #ley30 ya basta de esos discursos melancolicos y politizados

Mila tolo-kevitra matotra aho, resaka matotra mba hifanakalozana momba ilay fanavaozana ny #lalàna30, leo an'itony kabary mitaraindraina sy miloko politika loatra itony

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.