Armenia: Horohorontany Tany Torkia Tsapa Hatrany Yerevan

Ny alahady 23 Oktobra 2011 teo, ny horohorontany nihatra tamin'i Van, tanàn-dehibe any atsimo atsinanan'i Torkia, dia tsapa hatrany Yerevan, renivohitra Armeniana, sy faritra maro hafa ao amin'ilay firenena kely ao Kaokazy Atsimo. Na tsy vaovao amin'ny horohorontany taorian'ny loza nihatra taminy tamin'ny 1988 aza io toerana io, dia nahery noho izay efa niainana rehetra hatramin'izay ny hovitrovitra.
Amin'ny havitsian'ny fanavaozan'ny media momba ny toe-javatra, ary sy sasany aza mitatitra mihitsy fa tsy nisy vaovao hambara raha tsy efa  ela taty aoriana, dia tamin'ny Twitter sy Facebook no nipoiran'ireo tatitra voalohany, ary tamin'ny fotoana nihozonan'ireo tranobe mihitsy.
@onewmphoto: Misy horohorontany mihitsy zany. Mbola mihovitrovitra ny tranoko aty Yerevan… #uneasyfeeling
@myrthekf: Tahaka ny nahatsapa horohorontany taty #yerevan aho.
    @onewmphoto: @myrthekf  Eny, tena nahatsapa horohorontany mihitsy ianao. Nihovitrovitra elaela noho ny mahazatra ny trano fonenako fa toa lehibe mihitsy izy teo.
     

    @myrthekf: @onewmphoto Fantatro. Nahery noho ny efa tsapako nandritra ny taona maro izy teo.
@blansharm: #earthquake #Yerevan Horohorontany indray, faharoa na fahatelo tao anatin'ny roa herinandro! Mampatahotra!
@albertpoghosyan: Horohorontany indray aty Yerevan! Tena mahery vaika!
@onewmphoto: Tsapanay taty Armenia RT @Reuters FLASH: horohorontany nanana tanjaka 7.6 no nitranga 35 kilometatra avaratra atsinanan'i Van, Torkia – USGS (via @oemoral)
@unzippedblog: Niresaka tamin'ny ray aman-dreny any #Yerevan TV/radio #fail tsy misy nanome vaovao re #Earthquake izaho no nanome azy tamin'ny vaovao tanaty aterineto #Armenia
Miaraka amin'ilay horohorontany Spitak izay namono olona 25000 mbola tsaroan'ny maro amin'ny Armeniana, Журнал настоящего армянина [RU] dia nahatsikaritra fa nisy fianakaviana niala ny trano fonenany mihitsy [ru]
Только что выходил […] и как только вернулся во двор вижу чё то люди выходят в спешке, в начале не сообразил потом когда увидел общую картину подумал что это землетрясение. Особенно впечатляющим были мамы которые обернув детишек в одеяло выбежали во двор. Сразу перед глазами пробежал 1988 год когда еще детишками были и нас тоже родители точно так же завернули в одеяло и бежали во двор. Вот вам картина моего двора после толчков.
Nivoaka fotsiny aho[…] dia nony tonga teo an-tokontany aho dia nahita ireo olona nivoaka am-pahamaizana. Tamin'ny voalohany tsy nahafantatra aho, fa kely avy eo dia tonga saina fa horohorontany no niseho. Ny tena nampientana ahy dia ny nahita ireo reny nandrakotra ny zanany tamin'ny lamba sy nitsaoka. Niverina tampoka teo imasoko ny tamin'ny 1988, tamin'izay mbola ankizy ka norakofan'ny ray aman-dreninay tamin'ny lamba sy nentiny nitsaoka tahaka izay. Ity ny sarin'ny tokontaniko tao aorian'ilay horohorontany.

Fianakaviana vitsy nandao ny trano fonenany tao Yerevan (Журнал настоящего армянина)

Taty aoriana kely dia nisy nanambara fa ny horohorontany tsapa tany Yerevan dia mety tsy ho ilay avy any Van, fa iray hafa naterak'ito farany. Nisy ihany koa ny ahiahy momba ny fiarovana  ny toby nokleary efa antitra ao Metsamor.
@reporter_arm: ity ve ilay horohoron-tany tsapantsika? emsc-csem.org/Earthquake/ear…
@kutkut16: @ditord inona no vaovao momba ny Metsamor NPP tao aorian'ilay horohorontany?
    @ditord: @kutkut16 amin'izao, ny toby Metsamor dia naato noho ny fanamboarana, fa na dia horohorontany mahery aza izy teo, ny NPP dia tsara aro.
Ireo ahiahy momba ny toe-draharaha tany Armenia dia  nanome làlana nampitombo fanampim-baovao hatrany tamin'ireo mpanaraka ny zava-mitranga avy any Van, mamerina mandefa ny fanavaozam-baovao avy amin'ireo mpandefa bitsika  avy ao Torkia
Tao aoriana kely io andro io ihany, dia nandefa bitsika fanavaozam-baovao ihany koa i Tigran Balayan, mpitondra tenin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny, noho izy ity mahakasika an'i Armenia sy ireo Armeniana izay nety nonina na niasa tany Torkia.
@tbalayan: Nanome fanampiana vonjitaitra noho ilay horohoron-tany niseho tany Torkia ny filoha Sargsyan president.am/events/news/en…
@tbalayan: Araka ny vaovao voaray dia tsy misy mponina #Armenian anisan'ny tra-doza tamin'ny horohorontany tao Torkia  #Turkey #earthquake.
Na dia tsy nisy fifandraisana diplomatika aza i Armenia sy Torkia dia nanentana ny Praiminisitra sy ny Filoham-pirenenan'i Torkia hanome fankasitrahana ny Filoha Armeniana tamin'ny fanomezana fanampiana izay natolony. Na izany aza anefa, amin'ny fotoana anoratana ity, dia miatrana amo-pahavononana ny tarika mpanao vonjy taitra Armeniana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.