Tonizia: Vokatra Vonjimaika Manome Tombony Ny Islamista

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny  Revolisiona tao Tonizia 2011.

Fanisàna vatom-pifidianana, sary avy amin'ny ONG I watch nozaraina tao amin'ny Facebook

Ny vokatra vonjimaikan'ny fifidianana tamin'ny 23 Oktobra tao Tonizia dia sahala amin'ny manome tombom-bato betsaka ho an'ny Antoko Islamista Ennahdha (Fahateraham-baovao). Tsy dia mazava loatra raha hahazo tanteraka ny isam-bato be indrindra ilay antoko. Ny Kaongresin'ny Repoblika no laharana faharoa, arahan'ny Vovonana Demaokratika ho an'ny Asa sy ny Fahalalahana.

 

Lotfi Zitoun, mpitarika ao amin'ny Ennahdha, dia namoaka izay zavatra andrasany tao amin'ny pejiny Facebook:

النتائج ستعلن بعد قليل توقعاتي ان تتحصل النهضة على عدد من المقاعد بين 50 و55 بالمائة يليها حزب المؤتمر من اجل الجمهورية
fotoana fohy dia hambara ny vokatra, antenaiko fa ho azon'ny Ennahdha ny 50 hatramin'ny 55 per isan-jaton'ny vato, arahan'ny Kaongresin'ny Repoblika

Alarabiya English nibitsika hoe:

Milaza ny antoko Islamista fa hoe nahazo seza 60 amin'ny 217 ao amin'ny Antenimiera Toniziana #Tunisia

Io dia avy araka ireo vokatra voalohany azo tamin'ireo fari-pifidianana sasany.

Na i Rached Ghannoushi, filohan'ny Ennahdha, aza dia milaza fa ny antokony dia ”tony fihetsika”, vantany vao nanomboka niparitaka ireo vokatra azo voalohany,  naneho ny ahiahiny sy ny tahony ireo laika fa mety hanozongozona ny soatoavina maha-laika ny fanjakana Toniziana ireo mpandala ny nentin-drazana. Indreto ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitr'izy ireo avy ao amin'ny Twitter

@hamdanih:
لوكان جا البوعزيزي حي راهو عاود حرق روحو..#tnelec

Raha mbola velona teo i Bouazizi, mety ho nandoro tena fanindroany indray@FeveDeCacao:Musulmane…voir les islamistes accéder au pouvoir me fait froid dans le dos. J'espère avoir tort. #Libye #Tunisie #Tnelec

Amin'ny maha-vehivavy Silamo…mampahatahotra sy mandiso fanantenana ny hahita ireo islamista hiakatra eo amin'ny fitondrana. Enga anie ka ho diso aho.

Teratany Toniziana iray hafa no niantso mba hanajàna sy hanekena izay vokatra eo.

Béhéeddine HAJRI manoratra hoe:

après ce succès des premières élections libres .. maintenant le travail est lancé .. et au lieu d’insulter le peuple (c le cas malheureusement de la part de certains activistes qui se disent modernistes), il est grand temps d’analyser ces résultats .. de comprendre ce peuple pluriel ..

Taorian'ny fandresena tamin'ireo fifidianana malalaka voalohany ireo..fotoana izao natao hiasàna..ary ho solon'ny faniratsirana ny vahoaka noho ny safidy nataony (indrisy fa izay no zava-misy ho an'ireo mafàna fo sasany izay mihevitra ny tenany ho ”maodernista”), tena fotoana izao handalinana ny vokatra azo..sy hanakàrana fa tena marolafy tokoa ny vahoaka..

Manampy izy:

respectons les voix des autres et avançons avec ce pays qui découvre tout un nouveau monde …

Aleo mba hajaintsika ny feon'ny hafa ka hanohy handroso miaraka amin'ity firenena ity izay miatrika tontolo vaovao be

@JuveSimo mibitsika hoe:

عندما اصطّف الشعب أمام الدوائر قالوا شعب مثقف وحضاري! وعندا اختار نفس الشعب النهضة تحوّل الى عربان متخلفة!! كفانا نفافا كفانا #tnelec

Rehefa nijoro teny an-daharana ny olona dia nolazain-dry zareo fa olona maharaka ny fandrosoana sy nahita fianarana! Rehefa ireo olona ireo ihany no nisafidy ny Ennahdha, dia lazaina fa olona miverin-dàlana. Ampy, ampy izay ny fihatsarana velatsihy!

@IngMina_ tweets:
يا توانسي، اكبر امتحان ليك توا هو قبول النتائج حتى و لو كانت ضد اختيارك البارح #tunisia #tunisie #tnelec

Ry Toniziana, ny adina lehibe ho anao androany dia ny fanekena ny vokatra na dia tsy taratry ny safidinao aza izy ireny.

Tsara ny anamarihana fa ny fanisàna ny vatom-pifidianana dia mbola mitohy, ary andrasana ho tafavoaka amin'ny Talata tolakandro izy ireny. Nifidy izay ho solombava-bahoakany ny Toniziana omaly, tao anatin'ny fifidianana volohany indrindra natao tamin'ny fomba demaokratika tamin'ilay antsoina hoe Lohataona Arabo.


Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny  Revolisiona tao Tonizia 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.