Frantsa: Manokatra Ny “Fikambanan'ny Fanondro Manga” Ny Toniziana Any Am-pielezana

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Revolisiona Toniziana  2011.

Ny 20 hatramin'ny 22 Oktobra, nandritra ny telo andro natao hifidianana ho an'ireo Toniziana monina any ivelany, niditra tamin'ny “Fikambanan'ny Fanondro manga” ireo Toniziana mpifidy any Frantsa. Mitobatobaka amin'ny Facebook sy Twitter ny sarin'ireo rantsan-tanana miloko manga, porofo fa nandatsa-bato ry zareo – maro no sambany tamin'ny fiainany –  ary anatin'ny fikambanan'ireo mpifidy tany ampiandohan'ireo fifidianana ny “assemblée constituante” Toniziana manan-tantara izay faratampon'ny revolisiona Toniziana.

Faly dia faly i @Sonia_72 [fr], iray amin'ireo mpikambana vaovao ao amin'ny fikambanana :

A voté, le cœur léger, un ciel bleu d'espoirs au bout du doigt, Youhouuu !

Nifidy, maivana ny fo, ary lanitra manga mitondra fanantenana amin'ny tendron'ny fanondroko, Ieeeeee!

Sarin'i @sonia 72 ao amin'ny Twitter

Image by @Emnalamine on Twitter

Feno ireo vata fandatsaham-bato: Sary avy amin'i @Emnalamine ao amin'ny Twitter

Tsy nahazo nitondra finday nandritra ny fifidianana. Raha teo am-pilaharana, Emna Lamine dia naka ity ary ity tao amin'ny birao nifidianany, tany amin'ny faritra avaratr'i Parisy. Manamafy ny fiovana lehibe izany ho an'ireo any am-pielezana:

 

Les urnes pleines!

Feno ireo vata fandatsaham-bato!

Vokatr'izany dia niroborobo tahaka ny holatra ny “Fanondro Manga” tamin'ireo tambajotra sosialy any Frantsa. Ity sary ity avy amin'ny raki-tsary Facebook an'i Emna Ben Jemaa, mitondra ny lohateny hoe “Nifidy aho. Ary ianao?” dia nivoaka tamin'ny haino aman-jery maneran-tany. Mendrika teny an'arivony izany hanehoana ny fihetseham-po lalina tsapan'ireo Toniziana afaka mifidy anaty demokrasia tanteraka.

Toniziana latsa-dranomaso rehefa avy nifidy tany Frantsa

Toniziana iray miaraka amin'ny zanany vavy rehefa avy nifidy: Andro fireharehana

Tanora iray mampiseho ny safidiny ho an'i Tonizia. Sary avy amin' iEmna Ben Jemaa

Nisy blaogy Tumblr ihany koa noforonina ho an'ireo mpifidy vaovao mba hamoahana ny sarin'ireo rantsan-tanany manga. Indreto misy fandraisan'anjara vitsivitsy.

Nisy naka sary ny fanondrony manga teo akaikin'ny Tour Eiffel, mba hanaovany ny “Sary tsara indrindra nandritra ny taona”:

Fifidianana tany Parisy

V dia midika hoe Fandresena, sy fifidianana:

V ho an'ny fandresena

Nisy nandefa hafatra manokana ho an'ny filoha teo aloha Zeine Al Abedine Ben Ali:

Hafatra manokana ho an'i Ben Ali

Nahazo anaram-bositra ny andiana fanondro manga tany Frantsa:  “Stroumpfs” (Smurfs). Mahatsapa tena ho toa ny zaza indray i Skydancer.

Miverina ny Stroumpfs

Ary nisy fampanantenana namboarina tamin'ny Photoshop nalefa niampita ny ranomasina Mediteraneana ho any Tonizia, izay nanomboka  androany (23 Oktobra) ny fifidianana.

Fanamby fanantenana

Etsy andanin'izany, tanora roa mpitati-baovao, Lynda El Awadey sy Eléonore Bounhiol dia nandrakitra lahatsary ireo fijoroana vavolombelona avy amin'ireo mpifidy tany Parisy [fr sy ar]:….

http://youtu.be/nmee8jR3Ygo

Tamin'ny Sabotsy dia nilaza ny faniriany i Zied Mhirsi (@Zizoo):

Manantena aho fa ny tsirairay mandritra ny androm-piainany dia samy hiaina andro tahaka ity iray ity, volana tahaka izao, ary revolisiona tahaka ity iray ity #tunisia# tnelec

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Revolisiona Toniziana 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.