Azia Atsimo: Fanehoan-kevitra Momba Ny Fiandohàna Vaovao Any Libia

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny  Fihetsiketsehana any Libia 2011.

Ny fahafatesan'i Muammar Gaddafi dia nanamarika ny fiafaràn'ny didy jadona efapolo taona mahery tany Libia. Samy maneho ny heviny ny olona maneran-tany momba ny fanjakàny, ny fomba nahafatesany ary ny fiandohana vaovao antenain'i Libia. Nalaky koa ireo mpitoraka blaogy any Azia atsimo naneho ny heviny avy.

Shiv Aroor, mpanao gazety avy amin'ny fahitalavi-baovao Indiana “Ny Lohateny Lehibe Anio”, dia nitantara ny androny tany Bin Jawwad, Libya. Kilometatra vitsivitsy no nanasaraka azy tamin'ireeo manampahefan'i Kaddhafi sy ny mpiara-miasa taminy, niezaka mafy ny hanohitra:

Somary nangatsiaka iny alina iny. Raha mbola nanohy ny tifitifitra nitsitaitaikany ireo mpihoko ack-acks nandritra ny alina, nataon'ny rivotra Mediteraneana ho iray amin'ireo alina tsy mampandry saina iny alina iny. Niverina tany amin'ny tobim-pitsaboana izahay, ary nanontany an'i Dr Altarash naka antoka taminy fa afaka mandray anay izy, satria tsy te-hijanona any amin'ny hotely izahay. “Aza mieritreritra ny hijanona any amin'ny hotely akory. Toerana idiran-doza indrindra aty amin'ny manodidina izany. Mijanona miaraka aminay amin'ity alina ity. Afaka mihinana izay haninay ianareo, dia matory any amin'izay atorianay. Raha sanatria tsy maintsy maty, dia miara-maty. Fianakkaviana isika,” hoy izy. Ary tena teny avy any am-pony izany.

Indrajit Samarajiva avy any Sri Lanka dia manoratra:

Ah, Muammar. Iray amin'ireo rasa antitra indrindra amin'ny mpampijaly mahatsikaiky, tahaka an-dry Mervyn Silva amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Raha azonao tsy raharahiana ny fampijaliana, ny famonoan'olona, ny kolikoly, ny fampihorohoroana ary ny TSIFAHOMBIAZANA amin'ny ankapobeny, dia lehilahy nahafinaritra izy. Zenga Zenga. Izao izy maty.

Tunisians and Libyans celebrate the demise of Gaddafi in front of the Libyan Embassy in Tunis with the Libyan flag. Image by Hamideddine Bouali. Copyright Demotix (20/10/2011)

Toniziana sy Libiana mankalaza ny fahalavoan'i Kaddhafi manoloana ny masoivoho libiana any Tunis, miaraka amin'ny sainam-pirenena libiana. Sary avy amin'i Hamideddine Bouali. Copyright Demotix (20/10/2011).

Ao amin'ny blaogiko, nasongadiko ny fiainan'ny fianakaviako tany Libia tany ampiandohan'ny fitondràn'i Kaddhafi:

Tsy ho toy ny taloha teo ambany fitondràn'i Jeneraly Kaddhafi intsony i Libia. Tsy nisy intsony ny lalàm-panorenana Libiana. Na inona na inona lazainy, misy fiantraikany avy hatrany, dia lasa lalàna. Tsy misy manan-tsafidy ny handà izany, fa izay lazainy tsy maintsy tanterahina. Noho izy mankahala maizina ny fahefàn'ny “vazaha tandrefana”, notsoahina tamin'ny sekoly any an-toerana avokoa ny teny vahiny rehetra. Nanahirana tokoa izany tamin'ny fampianarana ny zokiko vavimatoa.

Manontany tena ilay mpitoraka blaogy Pakistane Kashif Aziz ao amin'ny Chowrangi hoe hitondra aiza ireo revolisiona amin'ny tontolo Arabo:

Raisiko ity andiana revolisiona vao haingana tany amin'ny tany Arabo ity, antsoina hoe Lohataona Arabo, ho dingana iray hafa amin'ny soso-kevitra Afovoany Atsinana Vaovao nitsinkafona nandritra ny fitondràn'i Bush. Ny tsio-drivotra izay nandrava ny governematan'i Tonizia sy Egipta, dia nandona an'i Bahrain sy Yemen ary nitondra fanjakan'Ibaroa tany Siria raha efa rava kosa Iraka, Nirodana vao haingana i Libia ary efa arahi-maso koa Pakistana.

Ka inona ny manaraka? Ary hitondra ho aiza ity korontana sy faharavàna ity?

Indrajit dia mamarana ny lahatsorany manao hoe:

Manomboka any amin'i Prabhakaran hatramin'i Bin Laden, tratra ny mpampihorohoro ary novonoina. Na dia tsy dia mahafinaritra ahy manokana aza izany dia tsara ihany. Tsy tsara velively ny ady, fa mety ho tsara kosa ny ady mifarana sy mampanantena hoavy mamiratra kokoa. Tsy iriako mihitsy ny hipoiran'ny biby tahaka an'i Kaddhafi, nefa antenaina fa miditra amin'ny vanim-potoana izay hamonoana na tsy hipoiran'ny vendrana tahaka ireny isika. Mazotoa ry Libia. Ilainao izany.

Noho izao tontolo izao mivavaka ho an'ireo Libiana mba ahafahany manana fiandohàna vaovao, miady  ho an'ny fiainany isanandro izy ireo; ary manantena fa hanana fiainam-baovao am-pilaminana ireo taranany hoavy.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana any Libia 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.