Afrika : R.I.P Steve Jobs, Ho Banga Anao Izahay

Ilay mpiara-manangana,  mpitantana ary tale mpanantanteraka ao amin'ny Apple Inc. Steve Jobs dia nodimandry ny 5 Oktobra 2011.  Bilaogera maro no nanokana fotoana nanehoana fankasitrahana sy fahatsiarovana ny zava-bitany teo amin'ny tontolon'ny teknolojia.

Misaotra  Steve Jobs amin'ny fanaovana ho moramora kokoa ny fiainam-pamoronana :

Misaotra anao Ramose, nanao ny fiainam-pamoronako ho mora kokoa toy izao tamin'ny alalan'ny vina noforoninao tamin'ny vokatra Apple.

Ary tamin'ny fitondràna fanovàna teto amin'ny tontolo:

Misaotra Steve, tamin'ny fitondràna fanovàna teto amin'izao tontolo izao.

Collins nilaza fa i Steve dia fanomezana ho an'ny tontolon'ny IT (Teknolojia Informatika) :

Steve Jobs dia tena fanomezana marina ho an'ny tontolon'ny IT (teknolojia Informatika).

Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany, ireo mpiara-miasa aminy ary ireo namany amin'ny alalan'izao bilaogy izao izahay.

Steve Jobs nitazona MacBook Air tao amin'ny fivoriana & fampirantiana MacWorld 2008. Sary natolotr'i Matthew Yohe, navoaka teo amin'ny sehatra ho an'ny daholo be (CC-BY-3.0).

Ilay bilaogera Swahili  Simon Kitururu dia nanoratra hoe :

. kuwa MTU mmoja anaweza kuwa changamoto kwa WENGI,…
…weye STEVE ulikuwa bonge la CHANGAMOTO na ni bonge la CHANGAMOTO bado

ny olona iray dia afaka ny  ho aingam-panahin'ny maro…
ianao STEVE dia aingam-panahy lehibe ary mbola hijanona ho izany hatrany

Tsy isalasalana fa i Steve Jobs no iray amin'ireo Rain'ny teknolojia maoderina araky ny ahafantarantsika azy– ngezalahy tokoa amin'ny resaka dizitaly. Manome endrika ary mamerina manome endrika ny zava-drehetra avy amin'ny solosaina manokana mankamin'ny finday izy, tahaka izany koa ny sarimihetsika sy ireo tablettes izay vao haingana.  Izy no nitondra ny vinan'ny vokatra sy ny tolotra izay “mahagaga” tsotra izao fotsiny – tsy hahay hankasitraka ny hakanton'ny teknolojia nentiny ho amin'izao fiainana izao isika raha tsy avy amin'ny fitondrany malaza sy fikatsahany hatrany ny  tsara indrindra amin'ny zavatra rehetra ataony.  Tsy ho toy izao ny tontolo, tsy ho toy izao isika raha tsy  noho i  Steve Jobs.

Iray amin'ny  “fehinteny” malaza  nataon'i Steve Jobs fony izy nampiditra mpiasa ho mpikambana vaovao ho ao amin'ny  Apple ny fanontaniany azy ireo raha te-“hitondra fanovana eto amin'izao tontolo izao ” izy ireo amin'ny fiasàna ao aminy. Tena izay izany, Steve Jobs no nitondra fiovàna be dia be teo amin'ny tontolon'ny teknolojia , araka ny efa fantatsika, R.I.P Steve Jobs, ho banga anao izahay.

Sarin'ny nalaina avy amin'ny solosain ùaneho ny toeram-pivarotana iray malaza ao Londona EK13 Photography, ao amin'ny Regent Street. Sary natolotry ny EK13 Photography.

Kanyana dia nisafidy ny fanambarana tsara indrindra nataon'i Steve Jobs:

“Voafetra ny andronao, koa dia aza lainlaniana foana hiainana ny fiainan'ny hafa . Aza mety ho voafitaky ny hevitra efa mipetraka -izay mitoetra ho vokatry ny fieritreretan'ny olona hafa.  Aza avela ho rakotry ny feon'ny hevitry ny hafa ny feo avy ao anatinao ao.  Ary ny tena lehibe indrindra, mananà faharisihana hanaraka ny làlan'ny fonao sy ny tsindrimandrinao. Efa fantatr'izy ireo ihany anie ny tena tanjona tianao ho tratrarina e! Ambin-javatra ny ankoatra izay.”

Open Mic dia nanoratra “fahatsiarovana maivana be” :

Koa, ny  Apple Inc. izany izao dia vao avy nanambara ny  fahalasànan'i Steve Jobs taorian'ny asa mampitolagaga izay nitondrany ho antsika ny  iPods ary ireo i-Zavatra rehetra takatry ny saintsika. Wangari Maathai, ilay mafàna fontsika,  nahazo loka Nobel, tompon-daka amin'ny fiarovana  ny tontolo iainana ary angamba mety ho ny maodely tokana tsara indrindra amin'ny fiarovana ny vehivavy dia efa voapetraka ho dorana tsy ho ela. Indro ary ny fahatsiarovana  maivana be iray:

Fomba fiteny ny hoe: andro iray paoma iray, na izay nolazain-dry zareo
Saingy inona no niafaran'ilay hazom-paoma tamin'io andro io
Lasa ny mpikarakara ny zaridaina ary tsy hiverina intsony
Fiteny iray hafa: Any amin'izay misy hazo, misy orana
andro iray paoma iray, saingy tsy ho androany, tsy androany
Ora-mikija, fa tsy hisy intsony, tsy hisy intsony.

Ny andro  nahafatesan'ilay Mpamorona :

Tsy misy olona mahafeno ireo zavatra telo izay katsahantsika ao amin'ny Appfrica ankoatr'io lehilahy izay verin’ izao tontolo izao  androany io. Famoronana. Fitarihana. Fanaovana Vina.  Mipao-tsatroka anao izahay, Ramose Steve Jobs.  Firariantsoa avy amiko , Jon, sy ireo mpiara-miasa ary namana aty Uganda

Ramose Cape Town dia manantena fatratra ny hanome voninahitra an'i Steve Jobs amin'ny fikirakiran'ny tànany ny Tweetdeck ho an'ny iPhone :

Ny fitantanana kaontinà ‘marque’  amin'ny filazam-baovao sosialy dia zavatra ilàna fahafaha-miditra amin'ireo kaonty ireo eny ampandehanana eny. Ny zavatra tsara indrindra ao anatin'izany dia ny  @Tweetdeck ho an'ny iPhone ary miandrandra fatratra aho ny hanome voninahitra ho an'i Steve amin'ny fahafahan'ny tànako mampiasa an'ity rehefa avy nanao ‘upgrade’ tanatin'ny volana vitsy monja!

Farany,  tononkalo iray ho an'i  Steve Jobs avy amin'i  Nana Acquah :

Eto, rehefa foana ny fahabangana
Mitomany kely ihany izahay. Kely ihany.
Ary avy eo misotro, mively amponga, mandihy
Ary mamerina manisa ireo zava-dehibe vitan-dry zareo
Koa dia tsy ho adinoina oviana na ny oviana ny fiainana.

Ny olon-drehetra dia maty miaraka amin'ny rehetra na ny ankamaroan'ny                                                                                                  nofiny mbola tavela ao anatiny.
Maty tanteraka izy ireny. Resy. Tsy misy ilàna azy.
“Procrastinators”. Feno fialantsiny.
Tsy voamarikay akory ny nandehanany hoe oviana.
Kanefa ianao, maty namela fahabangana : Fomban'ny ngezalahy.

Ary enga anie handry am-piadanana ny fanahinao.
(Ho an'i Steve Jobs, satria tena velona marina izy).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.