Okraina: Bilaogera Maneho Hevitra Momba Ny Fitànana Mafàna Fo Iray

Tany amin'ny tapaky ny volana Aogositra tany, nampikorontan-tsaina ny fiarahamonina Okrainiana ny nisamborana an'i Irina Teplinskaya, ilay Rosiana mafàna fo amin'ny fampihenàna ny fiantraikan'ny zavamahadomelina, nitatitra ireo fampahalalam-baovao anaty tranonkala Rosiana [ru] fa notànan'ny polisy tao amin'ny seranam-piaramanidina ao amin'ny tanàna misy azy, Kaliningrad, i Irina ary nampangaina ho mpanondrana zava-mahadomelina an-tsokosoko. Milaza ireo mpampihatra lalàna fa nahitàna pilina Methadone iray tany anatn'ny entany. Nanambara i Irina fa zavatra niniana nampidirina tany anaty entany ireo zava-mahadomeilna ireo. Vao tonga avy any Kiev, Okraina i Irina, toerana nanarahany fampianarana momba ny famerenana ho eny anivon'ny fiarahamonina.

Irina Teplinskaya, sary nalain'ny tranonkalan'ny Andrey Rylkov Foundation ary ampiasàna ny Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)

 

Mpitarika mpiaro zon'olombelona diso fanta-bahoaka i Irina, izay miady ho an'ny zon'ny vahoaka Rosiana miankin-doha amin'ny zava-mahadomelina mba hananany fahafahana mahazo anjara fitsaboana fanolo amin'ny Methadone. i Irina dia iray amin'ireo mpitarika ny  Andrey Rylkov Foundation momba ny Fahasalamana sy ny Rariny Ara-Tsosialy sady mpikambana ao amin'ny Kaomity Mpitantana ny Tambajotra Eraziana Momba ny Fiantraikan'ny zava-mahadomelina

Manaiky ampahibemaso i Irina fa efa niankin-doha tamin'ny zava-mahadomelina nandritra ny 30 taona mahery. Zarainy amin'ireo  lahateniny ny tanaram-piainany, izay azo jerena ao amin'ny bilaogin'ny Rylkov Foundation, lahateny nandritra ny Vovonana Iraisam-pirenena ho fampihenana ny fiantraikan'ny zava-mahadomelina, natao tany Beyrouth tain'ny Aprily 2011. Lehibe tanaty fianakaviana Sovieta (Rosiana) antonontonony, nanomboka nandray zava-mahadomelina teo amin'ny faha-14 taonany i  Irina. Efa imbetsaka izy no nanandrana niala saingy tsy nahita fahombiazana. Noho ny heloka bevava mifandraika amin'ny resaka zava-mahadomelina, dia 16 taona teo ho eo no laniny tany am-ponja. Avy amin'ny fampiasàna fitsindrona tsy voaaro, tratry ny aretina VIH, raboka sy Hepatite C izy. Rehefa nahazo fitsaboana tany aminà toeram-pitsaboana misahana ny raboka, nanomboka nanao asa fanampiana ho an'ireo hafa tratry ny aretina raboka sy VIH ary ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomeilna izy.

Ny tanjona fototra hitan'i Irina dia ny fanerena ny governemanta Rosiana hanaiky ny hampiasana ny opiacé (Avy amin'ny mpandika: kasinga azo avy amin'ny opium) ho fitsaboana fanolo, izay efa neken'ny ONU rahateo sady ampiasain'ireo firenena mandroso rehetra manerana izao tontolo izao. Miaro ny fampidirana ny fitsaboana fanolo ho an'ny Rosiana, tsy nitsahatra ny namerimberina ny antsony teny anoloan'ireo fitsarana samihafa ao amin'ny Federasionan'i Rosia i Irina, eny fa hatrany amin'ny  Fitsarana Eraopeana momba ny Zon'Olombelona. Tamin'ny 2010, nametraka fitarainana iray i Irina tao amin'ny Iraka Manokan'ny Firenema Mikambana Momba ny Zon'ny Olona tsirairay hahazo ny tsara indrindra amin'ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina. Irina dia anisan'ireo mpitarika ONG izay nihaona tamin'ny Kaomisera Ambony momba ny Zon'Olombelona, Navanethem Pillay nandritra ny fitsidihany an'i Rosia tamin'ny Febroary 2011.

Irina miaraka amin'ilay Kaomisera Ambony momba ny Zon'Olombelona avy amin'ny Firenena Mikambana, sary avy amin'ny tranonkalan'ny Andrey Rylkov Foundation ary ampiasàna ny Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)

Pavel Kutsev, bilaogera Okrainiana avy amin'ny tetikasa Drop-In Center tohanan'ny Rising Voices dia naneho hevitra momba ny fitànana an'i   Irina sady nandalina ny mety ho fiantraikan'izany amin'ny fandaharan'asa fametrahana ny fitsaboana fanolo ao Okraina. Pavel dia velon'ahiahy manokana amin'ny hoe ny fahatratrarana ilay pilina Methadone iray tsy mivaky dia mety hitarika ny mpitsabo hiverina amin'ny fomba fanao, fandevonana azy ireny ho vovony, alohan'ny hanomezany azy ny marary. Io fomba fanao io dia nialàna efa ho roa taona lasa izao taorian'ny ketsika nataon'ireo mafàna fo miady ho amin'ny fampihenana ny fiantraikan'ny zava-mahadomelina. Hoy i Pavel manoratra:

Очень трудно быть объективным, когда происходит нечто международно-скандальное, изначально мутное… Известную активистку Иру Теплинскую, которая ещё недавно проходила в Киеве курс лечения задержали на томожне с РФ прямо в Калининградском а/п и теперь выдвигают обвинение… в контрабанде наркотиков.

Внимательно отслеживая все обсуждения этого инцендента, пока могу поделиться только одним неутешительным выводом … для оппонентов ЗПТ появлись достаточно весомый аргумент.
Если из Украины можно вывезти наркотический препарат применяемый исключительно в программах заместительной терапии …, то его происхождение можно (и, увы, не без оснований) истолковать только одним – утечка в нелегальный оборот наркотиков используемых в исключительно медицинских программах ЗПТ – не такой уж и “единичный случай”…
[…]
Остается надеяться, чтобы не началось закручивание гаек со стороны МВД в самой Украине. Дескать, вообще уже охренели – сайты дырявые, а этот грёбанный метадон даже закордон “гуляет”. И примут “меры”.
И мы помним эти меры – дробление в порошок, кипяточек… Неужели то, чего мы с таким трудом добивались – своё   право на получение  препарата без нарушения его целостности, теперь может  снова кем-то оччень умным поставиться “под сомнение”… Тревожно, однако.

Sarotra ny hànana fijery tsy mitanila manoloana zavatra manana teorana iraisam-pirenena, manala-baraka be, sy mivandravandra tsy mangaraharaha toy izao…Ilay mafàna fo diso fanta-bahoaka loatra, Irina Teplinskay, izay avy nandeha nanaraka fitsaboana tany Kiev dia notànana tany amin'ny iray amin'ireo Toerana Fanaraha-maso ny olona mivoaka sy miditra ny Federasionan'i Rosia tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Kaliningrad ary nampangaina ho … mpanondrana an-tsokosoko zava-mahadomelina.

Rehefa nanaraka tsara ny fizotry ny fitrangan-javatra rehetra dia tonga amin'izao tsoa-kevitra tokana izao aho– manana fiarovan-tena mavesa-danja ankehitriny ireo mpanohitra ny hampiharana ny fitsaboana fanolo

Raha afaka mamoaka fanafody avy eto Okraina ianao… izay ampiasaina fotsiny ho amin'ny fitsaboana fanolo, dia mazava tsara ny toerana niaviany (ary indrisy fa toa marina izany) – ary efa zava-panao mahazatra ny fampandalovana ny zava-mahadomelina ho ampiasaina amin'ny fitsaboana fanolo any amin'ny varo-maizina

[…]

Mila manantena fotsiny isika hoe tsy ho avy indray ny Ministeran'ny Atitany eto Okraina ka hanomboka hamoritra antsika taorian'iny. Azon-dry zareo atao ny miteny hoe very saina ianareo ry zalahy. fa hoe tena misy ‘mitete’ ireo tranonkala … hita hatrany ivelany any ny Methadone. Ary dia tokony hanomboka ‘handray fepetra’ ry zareo.

Tadidintsika rehetra ireny ‘fepetra’ ireny – famotehana ny pilina ho lasa vovony sy fanafangaroana azy amin'ny rano mamay. Ny ho tonga amin'ny toy izany ve no niasantsika mafy? Ny zontsika hahazo ireo pilina tsy mivaky izao no apetraka ho fanontaniana indray ve? Tena manahy mafy mikasika azy ity aho…

Ny faha-5 Septambra, ny tranonkalan'ny Andrey Rylkov Foundation dia namoaka vaovao tsara fa hoe nafahana avy any am-ponja i Irinaary nakatona ny fiampangana azy ho nanao heloka bevava. Izany no tontosa dia tsy hoe fotsiny noho ny fahaizan'ny mpisolovava azy, fa koa noho ny fianahan'ny fanohanan'ny olon-drehetra.

Sary nalaina tao amin'ny tranonkalan'ny Andrey Rylkov Foundation ary ampiasàna ny under Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0)

Ilay bilaogera Slava avy amin'ny Fikambanan'ireo Mpiaro Ny Fitsaboana Fanolo ao Okraina na ny Association of the Substitution Treatment Advocates of Ukraine (ASTAU) dia naneho hevitra momba azy ity:

Рад за Ирину Теплинскую

Мня сегодня очень обрадовала ссылка,что  дело в отношении Ирины прекращено.И по этому поводу решил черкануть в блоге.Так на душе приятно что полицаи Калининградские сломали свои зубы-клычища которыми хотели укусить Ирку.

Ведь понятно что кто-кто а Ира человек который всегда на чеку,и с такой ерундой не в жизнь бы не решилась пересекать границу.Слава Богу что все обошлось!!!

Tena faly be aho ho an'i Irina Teplinskaya. Faly tokoa aho namaky ny vaovao tsara fa hoe nakatona ny fanenjehana an'i Irina ho nanao heloka bevava. Koa diananapa-kevitra aho ny hanoratra mikasika azy ity ato amin'ny bilaogiko. Mafàna ery ny foko rehefa mieritreritra hoe ‘sendra taolana’ ny polisy tao Kaliningrad tamin'ity tranga Irina ity.

Nivandravandra fa ny olona ampy traikefa sy feno fitandremana toa an'i Irina tsy hilingilingy velively hamaky sisintany miaraka aminà pilina. Isaorana Andriamanitra fa milamina daholo izao ny zavatra rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.