Bahrain : fanagadrana 15 taona ho an'izay mitsabo ireo mpanao fihetsiketsehana

Tao aorian'ny volana maromaro nitanana am-ponja sy fitokonana tsy hihinan-kanina, ireo mpitsabo ao Bahrain dia nahazo fahafahana vonjimaika iray volana lasa izay ary miandry ny fitsarana azy ireo.  Nitranga ny fahatafintohinana tamin'ny fotoana nilazana ilay didim-pitsarana, niampanga azy ireo higadra 5 ka hatramin'ny 15 taona ary miampanga azy ireo amin-javatra hafa tahaka ny hoe fanakorontanana ny filaminam-bahoaka, fitanana fitaovam-piadiana, fanafihana hopitalim-panjakana, ny toeram-pitsaboana marolafy ao Salmaniya, ary ireo fanamelohana maro hafa noforonina efa novolavolain'ny fanjakana sy ny haino aman-jeriny hatramin'ny nisian'ilay hetsi-panoherana tao Bahrain ny 14 Febroary 2011.

Ireo dokotera, izay nosamborina sy nampijaliana noho ny fijoroan'izy ireo ho vavolombelona tamin'ny zava-doza nataon'ny fanjakana tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana, nametraka ny fitakian'izy ireo tanaty aterineto, niresaka tamin'ny haino aman-jery iraisam-pirenena sy ny mpiaro ny zon'olombelona tamin'ny alalan'ny Twitter ary nitantara tamin'izao tontolo izao ny zava-nisy tamin'ny fombany manokana.

An online invitation for a sit-in that took place Tuesday afternoon to support Bahraini medics

Fanasana anaty aterineto iray momba ny "sit-in" izay hatao ny Talata atoandro hanohanana ireo mpitsabo ao Bahrain

Isan'ireny i Dokotera  Nada Dhaif (@NadaDhaif), izay nanana fahasahiana tokoa niresaka momba ny niainany tany am-ponja ka nandefa lahatsary nalefa ho an'i “Amnesty International” sy ny BBC mba aseho an'izao tontolo izao, mba ho fijoroany vavolombelona. Dhaif, izay voaheloka higadra 15 taona, dia niampanga ny fianakaviana Bahrainita manjaka Nourah Al-Khalifa, tao anatin'ny fanadihadiana natao taminy farany, fa nampijaly azy ary niantso azy hoe ” kisoa Shia”.

Amin'ny bitsika iray nalefany, Dhaif, izay mitantana toeram-pitsaboana tsizarizary iray , ny ivon'ilay hetsi-panoherana tao Bahrain, nanoratra hoe :

@NadaDhaif : Mpitondra tenin'ny Governemanta nilaza fa tsy misy ny ambonin'ny lalàna fa tafiditra ao na ny fianakavian'ny mpanjaka aza. Nisy fianakaviana mpanjaka aza niaraka nampijaliana tamiko.

Dokotera hafa voalaza fa hogadraina 15 taona dia i  Ghassan Dhaif (@ghassandhaif), ny vadiny Zahra Al-Sammak (@Zahrasammak), koa dia voaheloka higadra 5 taona. Ireo mpivady ireo dia manan-janaka telo ary nandefa bitsika mikasika ilay didim-pitsarany.

Ny fanambaran'izy ireo dia tonga alahelo ho an'ny ankamaroan'ny olona izay nahalala fa ny zanak'ireo izany dia hiaina tsy hisy ray aman-dreny, nefa tsy nanao afa-tsy  ny asa maha dokotera azy ireo, nanao izay hanasitranana ireo mpanao fihetsiketsehana naratra. Ireo mpivady ireo dia nanoratra ny hevitr'ireo zanany tamin'ny alalan'ny bitsika maro nifanesy :

@ghassandhaif : Nanontany ahy ny zanako :Dada, ianao ve izany dia higadra 15 taona ary i mama 5 taona tao aorian'ny nanavotanareo ny ain'olona? nigogogogo nitomany aho

@ghassandhaif :Hoy ny zanako tamiko : Dada, faly aminao sy i mama izahay satria ianareo tia olona ary tian'ny olona. Andrasanay foana ianareo

An activist dressed as a doctor demonstrates in support of those arrested for helping injured protestors in Bahrain.

Mafana fo iray nitafy toy ny dokotera anehoana ny fanohanany ireo nosamborina tamin'ny fanampiana ireo mpanao fihetsiketsehana naratra tao Bahrain. Sary avy amin'ny Bahraini1985, copyright Demotix (10/06/2011).

Dokotera  Al-Sammak (@Zahrasammak) nibitsika momba ny fotoana laniny tany am-ponja tamin'izy nosamborina :

لقد عالجنا المرضى بكل مهنية وعدم انحيازلذلك قبض علينا وزج بنا في السجن وتعرضنا لأبشع أنواع التعذيب لكي نوقع على إعترافات على أشياءلم نقترفها
@Zahrasammak : noraisinay tamin'ny fomba matihanina ireo marary ary tsy nisy fiombana na iza na iza ary izay no antony nisamborana anay, nampidirina am-ponja, ary nampijaliana tamin'ny fomba mahatsiravina mba hanekenay ny zavatra tsy nataonay akory.

Dokotera Ali Alerki (@DrAlekri),izay nahazo ny fanamelohana higadra 15 taona, tsy nandefa bitsika be loatra, fa kosa nanohy tamin'ny fampiakarana ireo bitsika farany. Fantatry ny olona amin'ilay  lahatsary hitana azy mitomany mafy tao amin'ny toeram-pitsaboana marolafy Salmaniya tao aorian'ny fahitany ireo maratra maro izay mbola tratran'ny fanafihana nataonà andiana polisy tao amin'ny hopitaly koa.

Ny zavatra soratan'i Dokotera  Alerki dia manambara, andro vitsy lasa izay  :

أسواء ما يحز في نفسي من تلك التهم اننا منعنا العلاج عن إخواننا من الطاءفة السنية وان من أحبائي من المرضى من صدق مثل تلك الأكاذيب
@DrAlekri :
Ny tena mampalahelo ahy dia ny fiampangana anay ho tsy mitsabo ny rahalahy Sonita. Indrisy, misy ireo olona tsaboina no mino izany lainga be izany .

Iray amin'ireo mpisera Twitter mpamoaka vaovao mikasika ny mpitsabo ao Bahrain i (@Freedom4BahDrs) ary amin'ireto bitsika manaraka ireto, nanoratra fehezan-teny avy amin'ny fanadihadihana ireo mpitsabo sy fijoroana vavolombelona izy :

@Freedom4BahDrs :  tsy mahazo miantso na mihaona amin'ny fianakavianay izahay. Telovolana taty aoriana vao nihaona amin'izy ireo izahay, toe-draharaha ratsy.

@Freedom4BahDrs : mpitsabon'i Bahrain voatazona: tsy mahazo mandro izahay & misolo akanjo nandritra ny 19 andro & misy fofona maimbo mivoaka amin'ny vatanay.

@Freedom4BahDrs : mpitsabon'i Bahrain voatazona : tsy mahazo matory sy tsy maintsy mijoro mandritra ny  24 ora, afa-tsy amin'ny minitra vitsy isakafoanana.

@Freedom4BahDrs :  mpitsabon'i Bahrain voatazona : nampijaliana ara-batana izahay,ara-tsaina & norahonana tamin'ny fanolanana. Nompaina tamin'ny antokom-pinoanay izahay.

@Freedom4BahDrs : mpitsabon'i Bahrain voatazona :Nopotehin'izy ireo tsotra izao ny zavatra tao an-tranonay, nanompa anay & namono anay teo imason'ny fianakavianay.

Ny fitsarana ireo dokotera sy ilay didim-pitsarana dia nahatonga fampiakaram-peo, na teo an-toerana izany na tany ivelany, indrindra indrindra fa manana traikefa ireo dokotera ireo ary koa hajain'ny marariny sy ireo mpiara-miasa aminy.

Soratr'i  @Anarchist74 nilaza fa :

@Anarchist74 : Namono & nampijaly ianareo. Nampiasa ny hery miaramila ianareo. Namono & nampijaly dokotera ianareo. Nandroaka ny mpianatra. Inona koa ny manaraka ?

(@in_bahrain) Nanoratra bitsika mampalahelo hafa iray ho fanehoan-kevitra tamin'ilay fanapahan-kevitry ny fitsarana :

@in_bahrain :  Ny dokotera tsara indrindra, ny mpampianatra, mpiaro ny zon'olombelona, mpandraharaha ary na ny mpilalao handball aza nogadraina! Iza no sisa tavela?

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny laharanay  manokana mikasika ny Hetsi-panoherana atao Bahrain 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.