Tsy Fifankahazoan-dresaka Momba Ny Toerana Handraisana Ny Vovonana momba ny Fitantanana ny Aterineto (IGF)2012

Raha efa an-dalan'ny hanakatona ny varavarany ny  andiany faha-6 amin'ny Vovonana momba ny Fitantanana ny Aterineto (IGF), mipongatra etsy anilany kosa ny fifamalian-dresaka momba ny toerana manaraka.

Fivoriambe itambarana tao Nairobi. Sary Flickr an'i Franck K.

Efa tapaka sahady fa i Azerbaijan no hampiantrano ny IGF manaraka, fierenena manankarena amin'ny solika ao Kaokazy Atsimo.

Tsy nakàna ny hevitry ny mpiara-miombon'antoka rehetra ny amin'ilay toerana (anisan'izany, tsy ny governemanta na ny mpandraharaha fotsiny fa koa ny vondrom-piarahamonina sivily).  Ary dia ireo nahilika tamin'ny fandraisana fanapahan-kevitra no tena manana olana mikasika an'i Azerbaijan.

Ireto ambany ireto ireo tena mpomba sy mpanohitra ny hanaovana ny IGF manaraka any Azerbaijan izay nanaovan'ny fiarahamonina sivily fifanakalozan-dresaka tany ivelan'ny aterineto, teny antsisiny ary teny an-dalantsaran'ny vovonana tamin'ity taona ity:

Mpomba:

  • i Tonizia no nampiantrano ny Fihaonambe Manerantanin'ny Orinasa misahana Fifandraisana (mpialoha làlana ny Internet Governance Forum, na IGF) tamin'ny 2005. Efa diso fantatra loatra izay nitranga dimy taona taty aoriana. Ireo mpomba ny hanaovana ny IGF any Azerbaijan dia miteny fa ny lasitra fifanakalozan-dresak'ireo mpiara-miombon'antoka rehetra amin'ny  IGF, raha ny marina, dia afaka manaitra dingana demaokratika sy firotsahana bebe kokoa ara-elektronika eny anivon'ny mpiondana aterineto sy ny bilaogera. Sady koa, tsy misy porofo mivaingana ho enti-manaporofo fa ny Internet Governance Forum tamin'ny 2005  dia tsy misy fiantraikany mivantana amin'ny fiarahamonina sivily Toniziana izay efa lasa dizitaly.
  • Ny tombontsoa ara-jeografikla sy diplaomatika. Ireo mafàna fo avy any Iran dia afaka tonga tao amin'ny IGF sady naneho ny fomba fijeriny momba ny fivoaran'ny aterineto.

Mpanohitra:

  • Ny tena tohan-kevitra fototra avy amin'ireo misalasala mikasika ilay toerana hanaovana ny IGF manaraka dia hoe i Azerbaijan dia firenena tsy demaokratika. Araka ny Freedom House, fikambanana iray Amerikana miaro ny zon'olombelona, Azerbaijan dia tsy firenena malalaka, na izany amin'ny resaka fahalalahan'ny gazety, na amin'ny resaka demaokrasia, ary firenena “malalaka ampahany”  monja raha resaka Fahalalahan'ny Aterineto. Ho an'ny Reporters Sans Frontières, Ilham Aliyev, filohan'i Azerbaijan, dia nantsoina hoe “Amboadian'ny aterineto”  fikambanana frantsay iray tsy miankina (ONG) (vakio ny  lisitr'ireo media tanaty aterineto notampenam-bava). Global Voices dia nitohy hatrany nitatitra ny fanampenam-bava ny media sosialy nataon'ny governemanta Azeri.
  • Olana iray hafa ny fahafahana mivezivezy ho an'ireo rehetra mpandray anjara sy ireo solontena rehetra avy amin'ny lafivalon'ny tany. Noho ny fifandonana Nagorno-Karabakh, tsy afaka miditra ao Azerbaijan ny Armeniana raha tsy mahazo fanasàna mivantana avy amin'ny Ministeran'ny Raharaham-Bahiny Azeri ary afaka manaràma mpiaro manokana. Misy ny tatitra fa ireo olona misidina ho any Armenia, ary aoriana kely dia ho any Azerbaijan, dia nohadihadiana mikasika ny anton-dian-dry zareo any Armenia.
  • Mampiahiahy koa ny resaka fandraisana. Misalasala ireo manampahaizana mikasika ny fahafahan'i Baku hanome efitrano fandraisam-bahiny amin'ny sanda mirary mandritra ny Vovonana.
  • Rehefa mifangaro, ireo taharo rehetra ireo dia mametraka fanamby amin'ny fitohizan'ny dingana IGF.

(Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: Tamin'ny 3 Oktobra no nanitsiana ity lahatsoratra ity mba hanazavana fa ny Fihaonambe Manerantanin'ny Orinasa misahana Fifandraisana no natao tao Tunis  tamin'ny 2005, fa tsy ny  IGF.)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.