Fiaraha-miasa Vaovao Eo Amin'ny Global Voices sy El Colombiano


Nahazo fifanekena fiaraha-miasa vaovao miaraka amin'ny fampahalalam-baovao hafa, gazety El Colombiano [ny Kolombiana] ny Global Voices amin'ny teny espanola, gazety voalohany mpivoaka isan'andro ao an-tanàna mavitrika Medellín, fiaraha-miasa ahafahan'ny mpamaky ny gazety mahita ny  votoatin'ny  Global Voices amin'ny alalan'ny bilaogy noforonina manokana amin'izany amin'ny EC-Blogger ao amin'ny tranonkala El Colombiano.

Antsoina fotsiny hoe Global Voices ny bilaogy ary efa hita amin'ny aterineto izany nanomboka tamin'ny Alahady 15 Septambra 2011, ahitana lahatsoratra mivoaka isan'andro isan'andro.


Nahazo  fanohanana mientanentana avy amin'ny mpiasa marobe ao amin'ny gazety El Colombiano ny tetikasa: tahaka an'i Catalina Montoya, Mpamoaka lahatsoratra, Diego Agudelo sy Perla Toro, mpanao gazety, ary i Estefanía Botero, mpanao gazety momba ny teknolojia, izay olona nantoninay voalohany.

Etsy andaniny, mpikambana maro ao amin'ny Global Voices amin'ny teny Espanola no niara nisalahy hanatanteraka ny tetikasa, singanina manokana amin'izany i Catalina Restrepo sy Adriana Gutierrez.

Mba ahazoana ny votoatin-kevitra nosafidiana ho an'ny mpamaky ny El Colombiano, indreto ny lahatsoratra efa nivoaka:

Misy koa ny Fampahafantarana lahatsoratra fohy :

Manomboka androany dia hitatitra aminao ny fehin'izay fitantarana ataon'ny bilaogera Latino-Amerika sy ny manerantany izahay, ary koa ny vaovao momba ny fahazotoana an-tserasera, fitantarana ny Fandraharahana mikasika ny TIC mifandray amin'ny lohahevitra sosialy sy kolontsaina, vaovao momba ny fandrahonana sy fanohintohinana ny zo haneho hevitra malalaka, ary vaovao hafa mahaliana sy ahitana tombotsoa.

Antenainay fa hampita ny lahatsoratra ho an'ny vahoaka tsy zatra mamaky ny lahatsoratra avoakanay ity fiaraha-miasa ity,  lahatsoratra izay mifototra amin'ny fitantarana ataon'ny mpiserasera amin'ny alalan'ny fampahalalam-baovao amin'ny endriny vaovao sy ny tambazotra sosialy, ahitana fanadihadiana sy fitantarana ataon'ny mpanoratra izany. Hanampy betsaka ny mpamaky ny El Colombiano hahita fahafinaretana amin'izay rehetra hitany ao amin'ny aterineto izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.