Rosia: Mampifandray Mpiray Tanàna, Mamonjy Aina

Tamin'ny lohataonan'ny taona 2010, rehefa nanenika an'i Rosia ny doro tanety, ka nanakenda sy nanempotra tanàna, dia nifandamina tao amin'ny aterineto ireo mafàna fo. Rehefa hita fa ela sy nitsitaitaika ny valintenin'ny governemanta Rosiana, dia nihetsika avy hatrany ireo bilaogera tamin'ny famoahana nyt tranonkala Russian-Fires [ru], izay nanome fahafahana, indrindra ireo mpampiasa aterineto any amin'ireo tanàna kely, mba hampita ny vaovao any amin'izay toerana mbola mirehitra ary hampahafantatra hoe inona avy ireo fitaovana tokony ho ilaina.

Lasa be mpitsidika be ilay tranokala, ary efa nisy fotoana aza  nahatratra 10,000 ny mpitsidika tao anatin'ny andro iray.

Ka rehefa nifarana ny krizy, ireo bilaogera tao ambadik'ilay tetikasa – Anastasia Severina, Alexey Sidorenko, Lev Zvyagintsev, Valery Ilyichev, ary Gregory Aslomov – dia nanamarika fa mbola naresaka be tao amin'ilay tranonkala. Mbola mitohy mandefa hafatra momba raharaha sy filàna  hafa ao an-tanànan-dry zareo ireo mpampiasa aterineto.

“Hitan'ny olona fa fomba iray tena nahomby tokoa io mba handefasana fanampiana amin'ny toerana sy fotoana rehetra ilàna azy,” hoy i Severina.

Website "Virtual Alarm" maps alerts for help and need, and then coordinates locals to respond.

Tranonkala "Virtual Alarm" misy ny sari-tany fanairana momban'ireo fanampiana sy ny filàna, ary fanentana ireo mponina mba hihetsika.

Fampifandraisana ny olona amin'ny fomba vaovao

Voasinton'ny fahombiazan'ilay tranonkala Russian-Fires [ru], namorona tranonkala iray ireo bilaogera izay nomeny anarana hoe Rynda.org (Virtual Alarm) – ary ankehitriny dia ahitàna sarintany telo ao anatiny: ny “General Map” na ny “Sarintany amin'ny ankapobeny”, ny “Fire Map” na ny “Sarintany misy Afo”, ary ny  “Blood Donation” na ny “Toerana Fanomezan-drà”.

Ny toerana misy ireo mponina nandefa fangatahana dia miloko mena, raha miloko maitso kosa ny an'ireo manome fanampiana.  Nilaza i Severina fa niezaka izy ireo nanao ilay tranonkala ho faran'izay tsotra indrindra, mba hahazoan'ireo olona, “tsy mahay mampiasa solosaina miditra ao amin'ilay pejy ka hahita bokotra kely anankiroa manao hoe:  ‘I need help’ (Mila fanampiana aho) na ‘I want to help’ (Te hanolotra fanampiana aho).

Ny ekipan'ilay tranonkala ao Moscow dia tsy tena mitatitra na mandray mivantana ireo entana. Fa kosa mba ho solon'izany dia mampifandray ireo mponina izay samy mipetraka aminà tanàna iray ny Virtual Alarm, miaraka amin'ireo manana nt tadiavin-dry zareo.

“Andeha atao hoe mila fitaovana ny renim-pianakaviana iray, toy ny akanjo ho an'ireo zanany. Tsy misy dikany izany raha avy any amin'ny ONG ao Moscow no alefa mankany Vladivostok,” hoy ihany ny fanazavan'i Severina. Mba tsy hanaovana izany, dia efa voamarika ao amin'ny sarintany ny fanairana ho an'ny fanampiana na filàna vonjy, ary amin'ny alalan'ny mailaka no handefasana ireo fangatahana vaovao any amin'ny olona izay nanolo-tena fa vonona ny hanampy.

Rehefa afaka roa herinandro teo ho eo, dia narahan'izy ireo maso akaiky ny fizotran'ireo fanairana tena miavaka mba hahazoana antoka fa misy olona mamaly tokoa ny antso filàna vonjy.

Sarintanin'ny mpanome rà

Ny sarintany vaovao ao amin'ny Virtual Alarm dia misy sary ho an'ny fanomezan-drà sy ny toerana fitahirizana rà manerana an'i Rosia. Manoro ny misy ireo foibe fanomezan-drà ilay sarintany, ary mampifandray ireo izay mila fanomezan-drà sy ireo mpanome rà mitovy sokajy any amin'ny manodidina azy ihany koa. Afaka maneho hevitra momba izay traikefa hitany tamin'ny nanomezany rà ireo mpampiasa ilay tranonkala ka nisoratra anarana ara-dalàna, izay antenain'i Severina fa hanampy amin'ny fanehoana amin'ny olona ny mahamora sy maha-zavatra ilaina ny fanomezan-drà na dia indray mandeha monja isan-taona aza.

A woman donates blood

Sary iray avy amin'ny tranonkalan'ny Minisiteran'ny fahasalamana Rosiana izay mamporisika ireo olom-pirenena hanome rà.

Raha ny salan'isa tamin'ny taona 2010 [ru] no asian-teny, dia hita fa olona 13 amin'ny 1000 fotsiny no manome rà ao Rosia isan-taona, raha oharina amin'ny any Eoropa sy Etazonia izay manana taham-pahavitrihana avo telo sy avo efatra eny. Nilaza ny Ministry ny Fahasalamana sy ny Fiahiana ara-tsosialy fa tokony hahatratra farafahakeliny 25 amin'ny olona 1000 [ru] ny taha mba hahafahan'ireo hopitaly sy klinika mihodina araka ny tokony ho izy.

Nandefa laharana antso an-tarobia ary tranonkala antsoina hoe “I'm a donor na Mpanome aho” (Yadonor.ru) ny Ministera ho fampahafantarana ny vahoaka ary mba hanamoràna ny fanomezan-drà.

Ato anatin'ny fotoana fohy, dia manantena i Rynda fa hiara-hiombon'antoka aminà orinasa ao an-toerana mba hanolorana fanomezana kely ho an'ireo mpampiasa izay nisoratra anarana ara-dalàna – ohatra hoe fanomezana fihenam-bidy na tapakila hijerena sarimihetsika – Toy ny hoe misaotra anao nanao asa an-tsitrapo.

Raha ny amin'izay hampiasàna ny sarintany amin'ny ho avy, dia hoy i Severina hoe, ” raha toa ka, Andriamanitra anie hiaro, ka mety hisy zavatra hitranga, ary hisy krizy vaovao indray, dia hanangana sarintany iray vaovao indray isika ka hampifandray indray ny vahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.