Filipina: Famoronana Karazana Hetsika Mandritra ny Fitokonan'ny Campus

Nahitana ny fampiasana ny fitaovana an-tserasera hanetsehana olona anarivony hiady ho amin'ny zo hahazo fanabeazana ny fitokonana eny amin'ny anjerimanontolo manerana ny firenena mandritra ny herinandro enti-manohitra ny fampihenana ny tetibola. Manomboka ny 19 ka hatramin'ny 23 Septambra 2011, tanora an'arivony no hirotsaka an-dalambe ary tohanan'ny mpampianatra sy ny mpandraharaha an-tsekoly.

Protest, Philippines. Photo: Victor Villanueva

Hetsika, Philippines. Photo: Victor Villanueva

Nitady hetsika hoforonina ihany koa ny mpianatra hanehoany ny fanoherany ny fampihenan'ny Filoha Noynoy Aquino ny tetibola ho an'ny fampianarana sy ny sampan-draharaha sosialy; izay heverina ho fihetseham-panoherana lehibe indrindra manerantany amin'ny alalan'ny fatoriana mihohoka tanteraka no notontosaina teo amin'ny tetezana manantantara Mendiola izay mizotra mankany amin'ny Lapam-panjakana:

Planking protest, Philippines.

Hetsika mihohoka, Philippines.

Nisy ihany koa ny “hetsika tselatra,” izay tsy ihetsehan'ny mpikatroka tampoka eny an-dalantsaran'ny sekoly na efitra malalaka feno olona, izay mety hahagagagaga ny mpandalo, mialoha ny anasana ny mpianatra hafa hivoaka ny efitrano fianarana ahy hirotsaka handray anjara amin'nyhetsi-panoherana ihany koa:

http://www.youtube.com/watch?v=RPTjIHYUrY4&feature=player_embedded

Misy filatroana mitondra ny lohateny ihany “Budget CUTtoure” anisan'ny notontosaina  nandritra ny fitokonana notontosaina tao amin'ny Anjerimanontolon'i Filipiana ao Dimiman. Mitantara ity fihetsiketsehana mandritra ny diabe-famoriana olona ity i Denise Chan ao amin'ny bolongana Dreamer's Disease (Aretin'ny Mpanonofy):

Budget CUTtoure was all about the deconstruction of clothes; we had plain shirts printed with the anti-budget cut logo, and we cut-up the shirts.

Momba ny fanetinetezana akanjo no lohahevitra fototr'ity filatroana « Budget CUTtoure » ity ; nanana akanjo tsotra misy ny fangon'ny hetsika manohitra ny fampihenana [ara-bakinteny: fanapatapahana] ny tetibola izahay ary notapatapahinay izany

Denise, nahazo ny voalohany tamin'ny haitaon'ny fampiakanjoana ao amin'ny Anjerimanontolo voalaza, no namoaka ny sarin'ny tenany miaraka amin'ny akanjo misy ny teny filamatra ao amin'ny bolongany :

Nampiely ny antsoina hoe “fanentanana solaitrabe mainty” ny vaomieran'ny mpianatra Kolejin'ny Fandraharahana Visayas anisan'ny Anjerimanontolon'i Filipina.  Mitety ny sekoly ny vaomieran'ny mpanatra handrisika ny mpianatra namany, ny mpampianatra, nympandraharahan'ny sekoly hametraka hafatra amina solaitra amin'ny tsaoka ary alaina sary miaraka ami'nny hafatra nosoratany. Efa mihoatra ny zato ankehitriny ny isan'ny sary napetraka an-tserasera :

Nampiditra ihany koa ny “Hetsika Sarimaizina FB” ahitana ny mpianatra sy ny mpisera Facebook hafa koa ry zareo hanova ny sary mombamomba azy ho sary mainty be fotsiny mandritra ny herinandro fitokonana any amin'ny sampam-pianarana anjerimanontolo:

The Black FB PIC campaign is one of our ways to express to our administrators and financial planners that we, students of the College of Management are not satisfied with their investments in education. This is also our way of expressing that we as Iskolars ng Bayan feel belittled with the below par appropriations that they grant social services.

Ny Hetsika Sarimaizina FB no iray amin'ny fomba ataontsika hanehoana amin'ny mpitondra sy ny mpandrafitra ny tetibola fa isika, mpianatry ny Kolejin'ny Fandraharahana dia tsy faly amin'ny vola atokany ho an'ny fanabeazana. Izany koa no ataontsika hanehoana amin'ny maha- « Iskolars ng Bayan » (mpianatry ny firenena) antsika, fa mahatsiaro tsinontsinoavina isika amin'ny hakelezan'ny vola natokany ho an'ny sampan-draharaha sosialy

Hetsika Facebook hafa indray mandrisika ny mpanohana hanova anarana amin'ny “Manohitra ny fampihenana ny tetibola i [Anarana].”

Lavitr'irony fiokoana sy ny idealisman'ny tanora amin'ny tontolo virtoaly irony, ny tanjona manokan'ny katroka an-tserasera dia ny fandrisihana handray anjara fanoherana eny an-dalambe amin'ny tontolo tena misy. Particoloured, ohatra, dia namaham-bolongana momba ny traikefa ananany amin'ny famoriana olona ary nasehony ara-bakinteny ny nahatonga azy handray anjara tamin'ny hetsi-panoherana tamin'ny fampiasana ny Facebook:

Gabi na noon. Ika-22 ng Setyembre, isang Miyerkules. Nag-post ng status ang isa kong bagong kaibigan sa Facebook tungkol sa pinakabagong budget cut ng administrasyong Aquino. Sang-ayon naman ako sa pinost niya, kaya ni-like ko. Mamaya-maya, nag-comment siya na “Lahat ng nag-like nito, dapat samahan ako mag-strike bukas! LOL.”

Hariva sahady. 22 Septambra, ny alarobia. Namoaka sata momba ny fanapahan'ny fitondrana Aquino ny namako vaovao iray ao amin'ny Facebook. Mitovy hevitra amin'ny aho ka nataoko hoe “tiako”. Afaka fotoana vitsivitsy, naneho hevitra izy “Izay rehetra nankasitraka io dia tokony miaraka amiko rahampitso mitokona! LOL.”

Iray volana mialoha ny fitokonana eny amin'ny sampam-pianarana tamin'ny herinandron'ny  19-23 Septambra, dia nanangana vondrona Facebook “Kilos Na Laban Sa Budget Cuts” (Hetsika Manohitra ny Fampihenana ny Tetibola) ny mpianatra izay nahazo mpisera Facebook 3000 farafahakeliny tao anatin'ny 12 volana voalohany nananganana azy. Manana mpikambana mihoatra ny 9000 amin'izao fotoana izao ny vondrona izay miasa ho tahaka ny foibe fanentanana an-tserasera manome ny vaovao farany momba ny Hetsika.

Noho ny fahazaran'ny tanora Filipiana miaina ny tsy fananan'asa mandavantaona, karama ambany, fahalafosan'ny saram-pianarana ary ny tsy fisian'ny tetibola matetika eo amin'ny sehatry ny fanabeazana dia manana tantara lava sy isan-karazany eo amin'ny sehatry ny fikatrohana ry zareo.

Ry zareo no nitarika ny fijoroan'ny hetsi-bahoaka nasionalista nandritra ny taompolo 60 sy ny fiandohan'ny taompolo 70, izay tonga hatrany amin'ny hetsika goavana nahazoana olona an'aliny nandritra ny Tadion'ny Telovolana Voalohany 1970. Ny tanora no lohalaharana tamin'ny hetsi-panoherana izay nanala ny fitondrana jadon'i Marcos tamin'ny 1986 sy ny fitondran'i Estrada tamin'ny 2001.

Mbola mavitrika hatrany ry zareo eo anivon'ny politikam-pirenena ary nandray feno teo amin'ny lohahevitra sosialy isan-karazany, indrindra amin'izay fiharatsian'ny krizy ekonomika misandrahaka manerantany izao. Tongan'ny aterineto eo amin'ny kihondalana ny fahazarana mikatroka noho ny fampiasan'ny tanora mpikatroka ny fitaovana an-tserasera entiny anentanana ny hetsika “an-dalambe”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.