- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fiarovana Ny Tora-pasik'i Brunei

Sokajy: Azia Atsinanana, Broney, Tanora, Tontolo_iainana

Ny Fikambanana Beach Bunch, dia naorina [1] mba “hikolokolo sy hiaro ny tora-pasik'i [2] Brunei amin'ny halotoana.” Ireto manaraka ireto ny ampahany amin'ny lahasan'ilay fikambanana:

Manomana sy mitarika fanentanana fanadiovana matetika eny amin'ny tora-pasik'i Brunei izahay.

Manomana sy mitarika ny programa fanairana ny saina amin'ny fifehezana ny fako eny amin'ny tora-pasika izahay.

Mamporisika ny fampihenana ny fampiasana ireo andianà fako manimba izahay, indrindra fa ny tavoahangy plastika sy ny harona plastika..

Mamatsy programa fanabeazana mikasika ny tontolo iainana amin'ny alàlan'ireo sampan-draharaham-bahoaka, toeram-panabeazana an'ny fanjakana, olon-tsotra izahay.

Ny Fikambanana Beach Bunch koa dia màka ny herin'ny tambajotram-piarahamonina mba hanangonana fanohanana bebe kokoa avy amin'ny olona. Ankoatry ny vohikalany, misy koa ny Facebook [3] sy ny kaonty  Twitter [4].

Ny iray amin'ireo tetikasany ny fandraketana an-tsaritany [5] ireo tora-pasik'i Brunei :

[5]

Sarintany Google misy ny tora-pasik'i Brunei

Misy tetikasa iray hafa natao handraketana an-tsaritany ny faritra, ny tolotra azo omena sy ny toetoetry ny tora-pasika ao amin'ny firenena.

[5]

Vao haingana no nisy fikarakaràna [6] fanadiovana ny tora-pasika [7] izay nandraisan'ireo mpilatsaka an-tsitrapo 150 avy aminà sekoly samihafa anjara. Araky ny fanazavan'ireo mpikarakara, “nahatratra 418.5 kilao ny titambaran'ny fako voaangona,  ny 100 kilao amin'izany dia harona plastika, ny iray kilao sasany dia alimo ary ny 317 kilao dia fako tsy azo ahodina intsony.”

Nanoratra tao amin'ny Facebook momba ny fandraisan'anjarany ireo  mpilatsaka an-tsitrapo [8] :……

Harold Raps : Yeh! niaina fotoana nahafinaritra! Nanampy tamin'ny zavatra tsara ary nifanerasera tamin'ny olona nahafinaritra! Ny zavatra tsara indrindra dia ny fahitàna ny tora-pasika nadio kokoa avy eo!

Anthony Er : Arahabaina, BB (Brunei Beaches) na (Tora-pasik'i Brunei). Tselatra kely monja dia tonga tamin'izao firehetan'io afom-panadiovana io. Gaga tamin'ilay fiovana lehibe. Miarahaba koa an'i Rizan Latif sy ny mpikarakara rehetra ao amin'ny BB. Mankasitraka!

[9]

Hetsika fanadiovana nataon'ny Beach Bunch

[10]

Mpilatsaka an-tsitrapo nanadio teo amin'ny tora-pasika

Jan Shim [11] dia isan'ny mpandray anjara tao amin'ilay Hetsika fanadiovana [12]:

Mihevitra aho fa handray fifaliana toa ahy koa ianao manatrika io fitsingerenan'ny andro iraisam-pirenenan'ny hetsika fanadiovana tora-pasika io. Tsy haiko saintsainina ny nahatonga ireny fatin-korontana marobe ireny teny amin'ny tora-pasika ary tamin'ny fomba ahoana, porofo an-tsary, avelan'ireo mpanjono eny amin'ny tora-pasika ny haratony ka ny hafa no mandio an'izany.

Ny Beach Bunch dia nanangona Sary [13]izay ho tazonina ho banky angona iraisam-pirenena :

Mino izahay fa na aiza toerana iainantsika, ny ranomasina dia rafitra miaro ny fiainantsika. Izay no antony hivondronanay anaty Fikambanana “Ocean Conservancy, Project Aware sy Clean-up the World” na Diovy ny Tontolo mba hanampy amin'ny fitandroana ny ranomasina sy ny ranomamy hadio. Ny torohay voaangona dia hakarina ho anaty banky angona iraisam-pirenena iray. Fanindroany izao no nandraisan'ny Beach Bunch anjara tamin'ny hetsika iraisam-pirenena tahaka izao.