Etazonia : Ny Eritreritry ny Latinos Folo Taona taty aorian'ny 9/11

Taona sy ho taom-pahatsiarovana ity 2011 ity noho ireto zavatra manaraka ireto izay mifandraika amin'ny fanafihan'ny 9/11 raha eo amin'ny sehatry ny maresaka : fahafatesan'i Oussama Ben Laden tamin'ny fanombohan'ny volana mey, ny fanambarana nataon'ny Filoha Obama hanala ny vondro-tafika Amerikana ao Afghanistan mandritra ny telovolana fahatelo 2012, fandroson'ny fanorenana indray ny World Trade Center ary ny fahatsiarovana ny fanafihana natao tany New-York sy tany Washington, fanafihana izay nanova ny fihodin'ny Tantara.

Tsaroan'ny Latino-Amerikana indrindra ny fanafihana satria maro ny avy amin-dry zareo no tra-doza tamin'iny. Namoaka andian-tafatafa momba ny “taranaka 9/11” ny radio WNYC izay andrenesana Latino maro raha miomana ny hanokana “herinandron'ny fahafolo taona” kosa ny Univisión.  Raha fahatsiarovana ny tra-doza sy tsiahin'ny zavanitranga no natsidiky ny fantsom-baovao, ny hitanay tamin'ny tontolom-bolongana latino-amerikana kosa dia ireo lazaina ho “teti-dratsy”. Ohatra, ry mpamaham-bolongana Julio Plaza, Josué Belda ary Pedro Gimeno avy ao amin'ny bolongana   11-S manazava amin'ny alalan'ny andian-dahatsoratra ny mety ho antony nampirodana ny fanorenana :

Iray amin'ny hevitra mandeha indrindra – raha tsy izy no be manaiky indrindra – raha eo amin'ny teorian'ny fiokoana 9/11 dia ity manaraka ity : nampiasaina ny dinamita hampianjera ny tilikambo. Avahana manokana ny fanorenana 7 -n'ny Tikilambo kambana [WTC] izay mila fanadihadiana manokana, hanao fitsidihana manan-tantara vetivety ireny hevitra ireny isika ary hamakafaka ny lanjany.

Ny bolongana “Movimiento Anti-NWO” (”Hetsika manohitra ny Holafitra Manerantany Vaovao”) dia nanamarika dia nanamarika ny fisiana hira misy fanoharana mifandraika amin'ny 9/11 mitondra ny lohateny hoe “Pero no lo contó la TV” (”Tsy tantarain'ny tele amintsika”) izay voafehin'ny andalana folo heverina ho tetikadin'ny fitondrana amerikana ao ambadiky ny fanafihana :

Ankoatra ny fitiavana na tsia ny mozika, dia mivoaka avy ao ihany koa ny fahaizana namintina sy ny mahatoy ny vao haingana ny zavatra ambara. Vao haingana araka ny asehon'ny lahatsary miresaka momba ny teti-dratsin'ny 9/11, andro nahatongavany saina tsy fidiny, manoloana ny filazana mamitaka ataon'ny tsongoin'olom-bolo mifehy ny planeta tahaka ny hoe andrian'ondry no resahina -ka afangaro daholo ny famosaviana sy ny fandidiana fanalana ati-doha.

Ny bolongan'i Jesús Silva-Herzog Márquez nanonona ilay mpanoratra Britanika-Amerikana Christopher Hitchens, izay tao amina lahatsoratra iray nosoratanao tao amin'ny Slate, niaro an'i Etazonia sy ny mpitondrany noho ny asam-panavotana nataony hamonjena aina maromaro kokoa :

Fa ho azy [Hitchens] ny leson'ny androany maraina [11 septambra] dia ity : tsy azo adinoina intsony ny miharihary. Ho an'i Hitchens, midika zava-baovao roa ny fanafihan'ny mpampihorohoro. Sambany ny nahitana azy nanohana ny “mpitandro ny filaminana”,  miara-milahatra amin'ny miaramila sy ny polisy miaro am-pikirizana ny firenena nandray azy.

Farany, ilay mpanao gazety Meksikana León Krauze nanamarika tao amin'ny bolongany fa ny iray amin'ny aretina mpahazo matetika rehefa manakaiky ny fahatsiarovana ny 9/11 dia ny fanamaivanana ara-maoraly ny atao hoe ratsy :

Ao anatin'ny hetaheta politika mikaviavian'ny fiarahamonina maoderina dia mitady hanadino matetika loatra fa tsy azo amaivanina velively ny ratsy -na ny singa sasany amin'ny ratsy : torontoronina ao anatin'ny fikasana hanimba ny namana amin'ny fomba mamohehatra ka ny fanamaivanana azy dia tsy maintsy hoe mamafa izany, tsy miraharaha.

Manamarika matetika io fahafolo taona io any amin'ny kaontiny Twitter tsirairay avy ny fampahalalam-baovao. Ny CNN Meksika (@CNNMex) dia namoaka indray ny tafatafa naken'i George W. Bush nifanaovana amin'ny National Geographic :

Raha tsy nahita ianao dia sambany nilaza ny fanafihan'ny mpampihorohoro tamin'ny 9/11 i George W. Bush  http://cnn.mx/n000RWH

El Universal, gazety meksikana lehibe, (@El_Universal_Mx) nanolotra fitantarana manokana momba ny 11 septambra ho an'ny mpamaky  :

Araho ny fankalazana ny faha-folo taona nitsingerenanan'ny 11 septambra, misy ireo fijoroana vavolombelona, karazana sary sy lahatsary http://bit.ly/qz4ReC

El Diario de Nueva York (@eldiariony) niresaka momba ny 9/11 tamin'ny alalan'ny andiana tweets sy lahatsoratra tamin'ny alalan'izao fanontaniana izao :

Iza no nangoron-karena taorian'ny fanafihana 9/11? #s11latino bit.ly/nji92e

Ude Picart (@UdePicart) misalasala manoloana io daty io  :

Ahoana ny amin'io 9/11 io?

Mpanangom-baovao iray, DwllC (@DwllC), nanamafy fa vonon-kiatrika mandrakariva ny governemanta amerikana amin'izay mety hisian'ny herisetra mandritra ny fotoam-pahatsiarovana :

Mampitandrina an'izao tontolo izao amin'izay mety hisiana fanafihana mialoha ny 9/11 i Etazonia

Namehy ny fifandraisan'ny firenena amin'i Etazonia nialoha ny 9/11 ny sekreteram-panjakana Meksikana momba ny raharaham-bahiny, Patricia Espinosa (@PEspinosaC) :

Mizara aminareo eritreritra fohifohy momba ny fifandraisan'i Meksika sy i Etazonia andro vitsivitsy mialoha ny fanafihana 9/11 aho: bit.ly/qrsAbM.

Ary raha tohizana ny momba ny teorian'ny teti-dratsy dia nilaza takelaka aterineto iray mampanatena ny hamoaka vaovao i Mario López (@MariofLopez):

Lainga 115 momba ny fandarohan’ ny 19/11 voltairenet.org/115-mentiras-s… 6 raha kely indrindra amin’ireo ambara ho jiolahy an'habakabaka no mbola velona

Efa nanomboka ny tsiahy tamin'ny alalan'ny famoahana gazety manokana ihany koa ny gazety amerikana maro, tahaka ny gazetiboky New York sy ny “raki-pahalalana ny 9/11”, raha nanao jeri-todika ny kolosary nateraky ny 9/11 ny New York Times. Tahaka izany ihany koa ny Foreign Affairs izay pnanolotra andian'andra-panoratana amin'izay dika sy ho dikan'ny 9/11 eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Ny Washington Post kosa nanome lanja ny fijery maha-olona kokoa tamin'ny fitantarana ny fiainan'ny fianakaviana sivy mitady izay hampitombina ny fiainany taorian'ny fanafihana ny Pentagone. Maro ihany koa ny fandaharana fahitalavitra manokana izay hampahatsiahy ity andro mampahonena ity, ary izany dia manomboka amin'ny tafatafa samirerin'ny National Geographic tamin'ny filoha tamin'izany fotoana izany Atoa George W. Bush.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.