Angletera : Mankany Fanaraha-maso Ny Fampahalalam-baovao Sosialy

Noho ireo korontana sy fandrobana nisy tao Londona  sy tany amin'ireo faritra hafa any Angletera tamin'iny herinandro lasa teo iny, dia nanao fanambaràna niezinezina ny Praiministra Anglisy David Cameron fa mandinika akaiky ny fomba araka ny lalàna sy ara-teknikà hanakanàna ny fibosesikin'ny fidiran'ny olona ao amin'ny Blackberry Messenger ny governemanta tarihany, eny fa na ny fidirana ao amin'ny Twitter sy Facebook koa aza mba hanakànana ny “herisetra”.

Noho izany dia hiara-miasa amin'ny Polisy isika, amin'ny sampam-pitsikilovana sy amin'ny orinasa vaventy mba hijery akaiky raha rariny na tsia ny fanakanana ireo olona tsy hampiasa ireo tranonkalam-pifandraisana sy tolotra ireo rehefa fantatsika fa mikotrika herisetra, fanakorontanana sy heloka bevava ry zareo.

Raha ny  fampiatoana tanteraka na fanelingelenana ireo tambajotra no neritreretina, dia ny fanapahana ny kaontin’ny sasany no anisan’ny iray amin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Praiminisitra tamin’ny fanambaràny. Ny solombavambahoaka sasany aza nangataka mihitsy ny hampiatoana ireny tolotra ireny, ary toa hoe efa teo am-pandinihana mahakasika io raharaha io ireo Polisy ao Angletera tamin'iny faran'ny herinandro iny.

i Eva Galperin mpikambana ao amin'ny Electronics Frontier Foundation dia manoratra ny amin'ny Praiministra Cameron fa hoe tamin'iny volana febroary iny

…nanamafy ny Praiministra fa tokony hajaina ny fanehon-kevitra malalaka “na io any amin'ny kianja Tahrir  na  izany any an-kianja Trafalgar.” Indrisy anefa fa ilay fiolahana 180 degre an’ny fahafahana maneho hevitra an-kalalahana nodradradradrain’ny Praiminisitra dia nahatonga azy hanakaiky bebe kokoa ireo vondron’olona politisianina maneran-tany, mpanao didy jadona izay mikatsaka fankaherezana amin'ny fanaovana sivana

Nasongadin'ireo Bilaogera fa ireo loharanom-baovao Sinoa ambany fifehezan'ny fanjakàna dia naneho fankatoavana ny fepetra noraisin'i Cameron toy ny hoe  “efa nilazànay anie ianareo”. Glenn Church, ao amin'ny bilaogy Foolocracy, nanoratra hoe:

Rehefa ny Sinoa izay no manao hoe ‘tiako’ aminà karazana herim-pamoretana iray, midika izany fa efa fotoana tokony hiovàna tetika. Tsy misy ifandraisany amin’ny Kianja Trafalgar ny Kianja Tiananmen.

Na ny  Access Now, na ny Open Rights Group dia samy nanao fanangonan-tsonia tao amin'ny aterineto ho valin'io. Mitanisa ny voalazan'ny Access Now:

Tsy Ejipta akory, na Syria, na koa Bahrain ity  ry Praiministra Cameron an! Melohinay mafy ny herisetra, ny fangatahana hanakatona ny blackberry sy twitter dia tena dingana mamoa-doza mankany amin'ny làlan-diso

Mihà mazava koa izao fa MI5 (contre-espionnage, sampam-pitsikilovana Anglisy) dia nanampy ny Polisy hamaha ireo hafatra ao anatin'ny Blackberry Messenger, ary ny orinasa misahana lohamilina mampiantrano ireo karajia, Research in Motion (RIM), dia niara-niasa tamin'ny manampahefana.

Mandritra izany, nosamborin'ireo Polisy Anglisy ny ankamaroan'ireo olona izay voampanga ho mandrisika fanaovana heloka bevava ao amin'ny Facebook.

Noraisin'ireo mpitsara an-tànana faran'izay haingana ny sasany tamin'ireo tranga ireo, maro araka izany no tohina tamin'ilay vaovao hoe tanora roalahy Jordan Blackshaw sy Perry Sutcliffe-Keenan ( 21 taona sy 22 taona) no voasazy 4 taona an-tranomaizina noho ny fiketrehana hetsika “korontana” tao amin'ny Facebook, nefa tsy niteraka fandrobàna na iray aza..

Maro amin'ny olona no naneho hevitra ary nisaina hoe nataon'ny fitsarana ho ohatra izy roalahy izao mba ho fampitandremana ho an'ireo izay mihoa-pefy. Efa nahazo “tiako” an-jatony sahady ilay pejy Facebook hangatahana ny fanafahana azy ireo. ( Noforonina ihany koa ny pejy iray mitondra ny lohateny hoe “rot in jail” (matesa any am-ponja).

Niparitaka tao amin'ny Blackberry Messenger ny vaovao momba ny nisamboran’ny polisy ireo roalahy izay  niiketrika ady fifanondrahana rano tamin’ny alalan’ny Blackberry.

Niteny tao amin'ny Twitter i Citygroundmike

4 Aogositra 2011 ; nosamborin'ny Iran ireo olona nanao lalao fifampitorahan-drano. ny 14 Aogositra 2011 ; nosamborin'ireo Polisy Essex ity rangahy iray izay niketrika lalao fifampitorahan-drano.Vazivazy ratsy.

Tsy dia mahagaga araka izany raha niady hevitra ny amin'ny fomba hiarovana ny tenany ireo mpampiasa Blackberry Messenger, tahàka ny adihevitra ao amin’ity sehatra fifanakalozan-dresaky ny  Crackberry ity.

Kanefa tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra tsy azo nihodivirana koa ireo orinasa. Vao haingana izao ny Access Now sy Mobileactive no namoaka ny  “5-Steps Every Rights-Respecting Telco Should Take” – ireo dingana 5 tokony harahan’ny mpikirakira fifandraisan-davitra izay fatra-panàja ny zon’ny hafa” – angamba mba hamaky ve  ireo tompon’andraikitra ao amin’ny RIM?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.