Okraina : Ny Lafy Tsara Sy Ratsin'ny Fampihenana Ny Fanaintainana

Fomba ahoana no ahafahan'ny fitsaboana fanolo manova ny fiainan'ny olona miaina amin'ny fidorohana zava-mahadomelina? Ireo bilaogera avy amin'ny Association of Substitution Treatment Advocates of Ukraine (ASTAU) [ru] na Fikambanan'ny Mpisolovavan’ ny Fitsaboana Fanolo ao  Okraina,  dia mampiasa ny bilaoginy hizaràna ny traikefa niainany.

Ilay bilaogera  Viktoria Lintsova dia nanaraka ny fitsaboana fanolo   ny opium nandritra ny telo taona. Amin'ny maha mafàna fo azy ao amin'ny y ASTAU, matetika izy no misolo tena ny fikambanana amin'ny karazana famelabelarana, adihevitra an-databatra boribory, ary seho mivantana amin'ny fahitalavitra izay hampahafatarany ny foto-kevitry ny fandaharan'asa fampihenana ny fanaintainana, amin'ny fampiasana ny tantaram-piainany ho ohatra amin'ny vokatra tsara azo avy amin'izany fandaharan'asa izany, izay natao ho an'ireo miaina miankin-doha amin'ny zava-mahadomelina. Any amin'ny renivohitr'i Kirovohrad, tanàna nahaterahany, i Viktoria dia nametraka vondrona mahaleo tena izay manampy ireo marary manaraka ny fitsaboana fanolo mba hiaraka hiady amin'ny olana iraisana.

Ao amin'ny lahatsorany vao haingana dia mamakafaka ny lafiny tsara sy lafiny ratsy amin'ny fiainany, tamin'ny naha marary nanaraka ny fitsaboana fanolo azy izy, ary mamintina fa na teo aza ireo fitsapana sasany dia nisy fiovana tsara azo notsapain-tanana ny fiainany. Toy izao ny nosoratany [ru]:

Когда необходимость ежедневного посещения сайта ЗПТ вызывает во мне бунт и раздражение, когда я завидую людям, у которых нет медикаментозной зависимости, я вспоминаю ту свою прошлую наркоманскую жизнь, когда заместительной терапии не было, а зависимость была, когда каждое утро надо было в первую очередь обеспечить себе возможность нормального самочувствия, т.е. – очередную дозу….

Rehefa mahatsiaro tena ho tezitra na sorisorena aho satria  tsy maintsy mamonjy ny toby fitsaboana fanolo isan'andro, sy koa rehefa mitsiriritra ireo olona izay miaina tsy miankin-doha amin'ny fanafody, dia mahatsiaro ny fiainako fony aho mpidoroka, fony aho mbola tsy nanao fitsaboana fanolo, fa mbola niankin-doha tamin'ny fihinana zava-mahadomelina. Isa- maraina dia tsy maintsy mitady ‘fahasambarana’ ho ahy manokana aho, izany hoe mitady zava-mahadomelina hatrany.

Notantarain'i Viktoria  ny fomba nahatonga azy ho niankin-doha tamin'ny zava-mahadomelina ary nanoritsoritany ireo fotoana maro nanandramany handresy ny fiankinan-doha. Hoy izy nibilaogy:

Заложницей “кайфа” я стала в 1994 году, тогда я попробовала наркотик впервые, и он сразу на долгие годы стал моим навязчивым спутником. Уже через несколько месяцев я была “в системе”, т.е. опиаты ввошли в метаболизм моего организма ( это на физическом уровне), а что происходит в душе употребляющего наркомана, я думаю, полностью способны понять только наркопотребители – эти тяжелые чувства, которые сопровождали мое употребление…  . Вина, страх, смятение, отчаяние, и самое тяжеловыносимое – ненависть к себе,ведь  необходимость поддерживать употребление вынуждала совершать такие поступки, за которые стыдно, порой, даже через много лет. Сейчас даже и сосчитать трудно, сколько раз я пыталась себя преодолеть, перекумаривалась “на сухую”, лечилась в психиатрии и наркологии, уезжала в другой регион и даже в другую страну – и в итоге – проблема зависимости от наркотиков сопровождала меня всегда, как темная, страшная часть меня, которую я не люблю, но преодолеть не в силах. Каждая  попытка лечения, очередной курс реабилитации, заканчивались всегда одинаково – срыв, возврат к активному употреблению, отчаянье, самобичевание, страдания близких мне людей, горькое одиночество человека, захлопнувшегося в капкане …

В периоды ремиссий мечтала всегда об одном – чтоб так было всегда, чтоб можно было жить и не колоться, смотреть на мир – и радоваться, исправить ошибки прошлого, восстановить все то, что разрушил наркотик. …

Lasa ‘takalonain'ny ‘kef’ (karazana zava-mahadomelina)’ aho ny taona 1994, tamin'ny fotoana  nanandramako zava-mahadomelina voalohany indrindra dia lasa namako akaiky avy hatrany ireny nandritra ny taona maro. Tao anatin'ny volana vitsy monja dia lasa niankin-doha aho, midika fa ny ôpioma dia efa lasa ampahany amin'ny toe-batako (raha ny vatana no resahina), ary ireo mpidoroka zava-mahadomelina irery ihany no afaka mahatsapa izany zavatra mahatsiravina izany izay nandeha tao an-tsaiko……Karazana fahamelohan-tena, fikorotanana, famoizam-po, ary ny tena loza, dia nanjary nankahala ny tenako aho  noho ny filàna zava-mahadomelina izay nahatonga ahy hanao fihetsika mahamenatra ahy, na dia taona maro aty aoriana aza.Tsy ho voatanisa hoe impiry aho no nanandrana nanohitra fiankinan-doha amin'ny fanandramana tsy hikasika zava-mahadomelina, Nandeha nanaraka fitsaboana  tamin'ny dokotera mpitsabo ireo mpiankin-doha amin'ny zava-mahadomelina sy ireo mpitsabo saina aho. Nifindra tamin'ny faritra samihafa, eny fa na firenena samihafa mihitsy aza, nefa ny olako amin'ny zava-mahadomelina dia nanaraka ahy nandritra ny fotoana rehetra toy ny haizina sy tahotra eo amin'ny fiainako, izay nankahalaiko, saingy tsy voaovako. Izay ezaka vaovao mitaona amin'ny fitsaboana ary famerenana mankany amin'ny fiaraha-monina dia tsy nahomby ary miafara hatrany amin'ny fampiasana zava-mahadomelina niaraka tamin'ny fahadisoam-panantenana, fampijalian-tena, ny alahelon'ireo manodidina, ny alahelo amin'ny fahatsapana ho irery sy ny fahatsapana ho voafatotra ao anaty fandrika.

Nandritra ny fotoanan'ny fitsaboana, zavatra iray ihany no mba nofinofiko – hiaina ny toy izao mandritra ny fotoana rehetra, tsy mandray zava-mahadomelina, hijery ny tontolo  ary ho faly, hanintsy ny hadalako taloha, hanavao ny zavatra rehetra nosimbain'ny zava-mahadomelina.

Ankehitriny i Viktoria dia manana fiainana vaovao ary manararaotra ny fotoana rehetra hanohanana ny fitsaboana ary miaro ny filàna sy ny zon'ny marary.  Nampakatra lahatsoratra izy :

Третий год участвую в программе ЗПТ,порою чувствую, что очень устала от ежедневных поездок на сайт, от ограничения свободы передвижения ( уехать можно только в тот город, где есть возможность получать “Эднок”),и еще много минусов можно найти, если постараться, но плюс очевиден – и он все перевешивает – можно жить и не колоться! Можно планировать завтрашний день, просыпаться без страха, что нечем раскумариться, ходить по улицам, не боясь милиции, можно наконец не врать, не прятаться и не бояться!

[…]

И все негативные установки относительно программы ЗПТ, которые распространяются в СМИ, и неграмотные мнения агрессивно настроеных  обывателей, и прочие преграды – все это часть нашей борьбы за право жить. За право получать лечение  в том виде, который удобен  и эффективен для нас. За право выбора…

Taona fahateloko amin'ny maha marary tsaboina ahy ity, ary indraindray aho mahatsiaro reraka noho ny fandehanana isan'andro any amin'ny toby fitsaboana sy ny famerana ny fahafahako mihetsika  ( tsy misy afa-tsy ireo tanàna nahafahako nahita Ednok [mitovy amin'ny Buprenorphine] no mba afaka nalehako), raha ny marina dia mahita ‘lafy ratsy’ betsaka aho nefa mivandravandra kosa ny ‘lafy tsara’ ary mandresy ny zavatra rehetra – Afaka miaina tsy mandray zava-mahadomelina aho! Afaka mandrindra ny fiainako ampitso aho, afaka mifoha tsy manahy ny tsy ho ampy dozy, afaka mandeha eny amin'ny arabe ary tsy matahotra ny polisy, afaka miaina tsy mandainga, tsy mila miafina intsony na matahotahotra ny zavatra rehetra!

Ary ny fanaratsiana rehetra momba ny fitsaboana fanolo izay aparitaky ny haino aman-jery, sy ny hevitra tsy matihanin'ireo olona tsy mahalala sy  mahay vava sy mahery setra ary ireo fisedrana hafa dia tokony heverina ho ampahany amin'ny ady ataonay hànana zo hiaina. Ho an'ny zo hahazo ny fitsaboana izay mety sy mahomby ho anay. Ho an'ny zo hisafidy….

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.