Meksika : Manaraka ny Dian'i Javier Sicilia

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Adin'ny Meksika amin'ny Zava-mahadomelina.

Ilay mafana fo Javier Sicilia, mpitarika ny Hetsika ho an'ny Fandriampahalemana Manara-dalàna sy Mendrika [es] dia nanohy niresaka tamin'ireo Mpikambana ao amin'ny Mpanantanteraka sy Mpanao lalàna, tamin'ny fanaovana diabe sy hetsi-panoherana am-pilaminana.

Ilay hetsika nataony dia nandrehitra, araka ny efa nandrasana, ny karazana fanehoan-kevitra samihafa tao anaty aterineto.

Manuel Robles, nanoratra ho an'ny bilaogy Experto de la Nada (Manam-pahaizana Manokana Amin'ny Tsinontsinona ), dia nanadihady ny fanehoan-kevitr'ireo nitaraina noho ilay fihaonan'i Sicilia [es] sy ny Filoha Felipe Calderón ny 23 Jona 2011, naneho ny tsy fankasitrahany sy ny hakiviany..

Me imagino que quienes critican el rumbo que ha tomado el Movimiento esperaban un asalto al Castillo de Chapultepec, con un Sicilia empuñando un libro de versos y una plumilla entre los dientes al grito de “¡Que no quede uno vivo!” lidereando con su embestida el apaciguamiento de la ira popular degollando funcionarios federales. De otra manera no me explico la decepción que les causó un acto cívico.

Fa mihevitra aho fa ireo izay mitsikera ny dingana nodiavin’ ilay hetsika dia miandry ny fandarohana ny lapa ao Chapultepec, miaraka amin'ny fitarihan'i Sicilia, manoratra bokinà poezia ary misy penina eo ambavany sady mikiaka hoe, “aza maka gadra!” sady miroso manafika mba hampitony ny fisavoritahan'ny vahoaka amin'ny fanapahana ny lohan'ireo mpiasam-panjakana. Tsy misy fomba azoko hanazavàna ny hakiviana narehitry ny hetsika fitiavan-tanindrazana.
Talks between the President and the Movement. Image by Flickr user Gobierno Federal (CC BY-NC-SA 2.0).

Fifampiresahana teo amin'ny Filoha sy ny Hetsika. Sary avy amin'i Gobierno Federal, mpampiasa Flickr (CC BY-NC-SA 2.0).

Fanampin'izany, Robles naneho ny heviny mikasika ilay voambara fa fihaonana:

No soy historiador, más bien soy un Experto de Nada, pero me parece que el intercambio que tuvo verificativo entre representantes de la sociedad civil sin partido político y sin bandera electoral, con el titular del Poder Ejecutivo y miembros de su gabinete en un acto público no tiene precedentes en el país, sobre todo en su carácter de denuncia de viva voz, en donde cupieron las réplicas a los funcionarios públicos. Tal vez me equivoque, ya habrá quien me enmiende la plana, pero no me cabe la menor duda de que ha sido un evento histórico.

Tsy mpahay tantara aho, fa manam-pahaizana manokana amin'ny tsinontsinona fotsiny, fa amiko dia toy ny hoe fihaonana natao teo amin'ny solontenan'ny fiarahamonim-pirenena tsy nisy antoko politika na dinam-pifidianana, miaraka amin'ny mpitantana ny Fahefàna Mpanantanteraka sy ireo mpikambana ao amin'ny kabinetrany taminà fanehoan-kevitra mbola tsisy toy izany teto amin'ny firenena , ambonin'izany ny toetrany mpiampanga ho henon'ny rehetra, ka amin'izany dia tsy afa-manoatra noho ny zavatra efa vita ireo oloben'ny fitantanam-bahoaka. Angamba mety ho diso aho, efa misy sahady ireo izay manohitra sy te-hamerina ahy amin'ny toerako, kanefa tsy isalasalàko na dia kely akory aza aho fa tranga manan-tantara iny.

Herinandro maromaro taorian'ilay fihaonana tamin'ny Filoha, Sicilia sy ireo mpikambana hafa ao amin'ilay Hetsika dia nanohy niresaka tamin'ireo ao amin'ny Fahefàna Mpanao Lalàna. Iray amin'ireo lohahevitra noresahana tao ny “Fanavaozana ny lalam-panorenana ” izay niresaka ihany koa ny “chambre basse”. Mikasika an'izay, ilay bilaogera sy mpanao famakafakana John Ackerman [es] dia nilaza ny firehan-kevitr'i Sicilia ho toy ny fireharehana ary nanasokajy io ho tsy firaharahiana ny rafitra demaokratika.

Javier Sicilia y el pequeño grupo de jóvenes que el miércoles pasado asistió a la Comisión Permanente pecan de soberbia: “No venimos a pedirles, sino a exigirles que aprueben la reforma política. Si tienen que convocar a un periodo extraordinario o trabajar horas extras es su problema: la aprueban, es un mandato ciudadano… Apruébenla como se las mandó el Senado”. Los manifestantes demuestran un preocupante desconocimiento de los procesos democráticos al erigirse en representantes de un inexistente mandato ciudadano y exigir que en lugar de discutir las reformas los diputados se comporten como meros levantadedos.

Javier Sicilia sy ilay fikambanana tanora kely tarihany izay nandeha tany amin'ny Komity Maharitra ny Alarobia lasa teo dia solafaky ny hambo : “tsy hanontany azy ireo izahay, fa hanery azy ireo hanaiky ny fanovàna ny lalam-panorenana . Na dia tsy maintsy hanao fivoriana tsy ara-potoana na hiasa ivelan'ny ora aza izy ireo, azy izany : ny fanekeny izany dia andraikiny amin'ny maha olom-pirenena azy… Ekeo io tahaky ny nibaikoan-dry zareo ny tao amin'ny solombavam-bahoaka .” Ireo mpanao fihetsiketsehana dia naneho ny fisintahany tampoka tamin'ny rafitra demaokratika ary nanorina niaraka tamin'ny solontenam-bahoaka ny “sarintsarin'andraikitra amin'ny maha olom-pirenena” ary nametraka ny hoe raha tokony hiady hevitra momba ny fanovàna ny mpikambana ao amin'ny parlemanta, dia aleon'izy ireo mitondra tena toy ny fandranitana pensilihazo.

Tsy io “fanovàna lalàm-panorenana “io ihany no voaresaka ao anatin'ilay fandaharan'asa fanaovan-dalàna notarihan'i Sicilia. Ireo resaka momba ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny Fiarovana Anatiny ihany koa : (navoaka tao amin'ny Global Voices) dia nahazoana fanehoan-kevitra avy amin'i Sicilia izay notaterin'i Jenaro Villamil [es]:

El tiempo del cachondeo y los testimonios ha terminado. Ahora inicia la verdadera negociación entre el movimiento ciudadano encabezado por Javier Sicilia y los legisladores en torno a una de las leyes más polémicas: la Ley de Seguridad Nacional. Invisibles, pero presentes, también están en el proceso los representantes de las Fuerzas Armadas (Ejército y Marina), los asesores de Calderón en su “guerra” y el silencio que pesa de 50 mil muertos en una estrategia polémica.

Las palabras fueron duras por parte de Javier Sicilia: “traidores”, “nos han dado la espalda”, “no se puede negociar con quienes no hablan con la verdad”. Estas fueron las frases más difundidas por los medios y que cayeron como bomba después que los integrantes de la Comisión de Gobernación, presidida por el diputado panista Javier Corral, aprobaron en lo general una minuta proveniente del Senado, que fue discutida durante meses y “congelada” en la Cámara de Diputados.

Efa lasa ny fotoanan'ny vazivazy sy ny fijoroana vavolombelona. Manomboka kosa izao ny tena fifanarahana eo amin'ny hetsiky ny mponina, tarihan'i Javier Sicilia sy ny mpanapa-kevitra amin'ny resaka lalàna iray maha-be resaka indrindra: Ny lalànan'ny Filaminam-Pirenena. Tsy hita , nefa misy, ireo solontenan'ny mpitandro filaminana ihany koa (An-tanety sy An-dranomasina), ny mpanara-mason'i Calderon ao amin'ny “adiny” ary ny vesatry ny fahanginan'ireo olona 50,000 maty tao anatin'ilay tolona naha-be adihevitra tao anatin'ilay rafitra.

Tamin'ny teny maherin'i Javier Sicilia : “Ireo mpamadika”, “nanome lamosina antsika ry zareo”, “tsy afaka ny hifanaraka amin'ny olona tsy milaza ny marina izahay “.Izany no fehezanteny niparitaka be tany amin'ny haino aman-jery ary nipaoka toy ny baomba taorian'ny nandanian'ireo mpikambana ao amin'ny Kaomisionan'ny Governemanta, notarihan'ilay panista (mpikambana ao amin'ny PAN) sady solontenan'ny governemanta Javier Corral, an'ilay volavolan-dalàna avy amin'ny Senat ary noresahana volana maromaro ary avy eo “nihitsoka” tao amin'ny Lapan'ny Solombavambahoaka..

Javier Sicilia, sary nalain'i Pepe Rivera tao amin'ny Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Ny hetsika vao haingana indrindra natosiky ny Hetsika ho an'ny Fandriampahalemana Manara-dalàna sy Mendrika dia ilay Diabe natao ny Alahady 14 Aogositra 2011 . Setriny, ilay vavahady Pateando Piedras [es] (Vato Fiampitàna) dia nanamafy hoe toy ny mihalefy'ilay hetsika ary mampametra-panotaniana raha ho heno ihany i Sicilia:

No fueron muchos, apenas unos centenares, pero esta vez frente al senado Javier Sicilia recapituló el infierno y la gloria del Movimiento por la Paz con Justicia y Diginidad y puso en el centro del debate la cuestión del debate legislativo sobre la Ley de Seguridad Nacional, prueba de fuego para su agrupación cívica. En resumen, habrá diálogo si la voluntad de trabajar sin albazos ni trampas se concreta y se escuchan otras propuestas para una Ley de Seguridad Ciudadana y Humana.

El reto está planteado, el movimiento debilitado en las calles y la gran capacidad de interlocución de Javier Sicilia con los poderes del estado ha sido convertida en un reto de claridad y juego limpio por el propio poeta doliente.

Son, pues, horas de definición.

¿Le harán caso esta vez o se concretará el albazo?

Tsy dia betsaka izy ireo, fa teo amin'ny zato teo , fa tamin'io fotoana io Javier Sicilia teo alohan'ny Antenimiera dia nanafàna ny fatana sy ny fandresen'ny Hetsika ho an'ny Fandriampahalemana Manara-dalàna sy Mendrika, ary nanamafy momba ilay volavolan-dalàna momba ny Filaminana Nasionaly noresahana , fandehanana mamaky afo mahamay ho an'ny hetsiny ho amin'ny maha olom-pirenena. Fehiny, misy ny fifampiresahana raha toa ny fahavononana hiasa tsy hianafosafo fotsiny an'ilay dingana, na tsy misy fahadisoam-panantenana ka tena marina, ary raha mihaino ny hevitra hafa naroso momba ny Lalàna Miaro ny Olom-pirenena Sy Ny Isam-batan'olona.

Tratra ny tanjona, ilay hetsika nipariaka teny an-dalambe ary ny fahaizana sy ny fisarihan'i Javier Sicilia ampiarahana amin'ny herin'ny fanjakana dia navadik'ilay poety malahelo ho fanambin'ny fangaraharana sy ny tsy fitanilàna.

Ireny, noho izany, dia fotoanan'ny fanapahan-kevitra.

Ho tanterahany tsara ve ny fampanantenany sa hiala bàla amin'izany fotsiny izy ireo ?

Mitovy amin'izay ihany, ilay bilaogera Sopita dia nampahafantatra momba ny hetsika hatao manaraka :

Esta marcha fue particularmente triste, no sólo por los testimonios de las víctimas, sino también porque esta manifestación tuvo una cantidad muy reducida de asistentes. Quizá no apoyen a Javier Sicilia o cualquiera de los movimientos contra la militarización, corrupción o violencia, pero es importante que la gente sepa y esté conciente (sic) de lo que está sucediendo en el país, principalmente que dejemos de ser una sociedad indiferente a la situación en la que vivimos.

La marcha concluyó con una invitación a toda la gente para que asistan a la Caravana del Sur, la cual partirá la segunda semana de septiembre y llegará hasta Guatemala, con el objetivo de recopilar las historias y consolar a todas las víctimas del sur de nuestro país y nuestros vecinos centroamericanos.

Nampalahelo mihitsy ilay Diabe , tsy noho ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo niharan-doza ihany, fa satria koa nihena be ny fandraisan'anjaran'ireo olona. Angamba mety tsy tian'izy ireo i Javier Sicilia na ny hetsika manohitra ny fitondrana miaramila, kolikoly na herisetra , fa zava-dehibe ny fahafantaran'ny olona sy ny fahatongavan-tsain'ny olona [sic] momba ny zava-nisy teo amin'ny firenena, ary indrindra fa nijanona ho firenena tsy niraharaha izay zavatra iainantsika isika.

Nifarana tamin'ny fanasana ho avy any La Caravana del Sur ( Atsimon'i Caravan) ilay Diabe, izay handeha amin'ny herinandro faharoa amin'ny Septambra hatrany Guatemala, hanangona ny tantaran'ireo olona niharan-doza ary hanome fampiononana ho an'ireo olona any Atsimo ary ny Amerikana afovoany.

Ny hetsik'ilay poeta indray sy ilay mpanao gazety Javier Sicilia, ary ny fikambanana notarihiny, dia anaovana fanamarihana sy arahin'ireo mpanao famakafakana sy bilaogera ao amin'ny Aterineto, namoha hevitra mifanohitra izay ny zavatra itovizan'izy rehetra dia ny fanantenana fa hiova ho amin'ny tsara indrindra ho an'ny Meksikana ny zava-misy ao Meksika.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Adin'ny Meksika amin'ny Zava-mahadomelina.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.