Global Voices Miara-miasa Amin'ny UNFPA Amin'ilay Atrikasa “7 Miliara”

Amin'ity taona 2011 ity dia hihoatra ny 7 miliara ny isan'ny mponina manerana izao tontolo izao. Mba hanamarihana izany dingana izany, niangavian'ny United Nations Population Fund (UNFPA) na ny tahirin'ny sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny mponina ny Global Voices hanoratra andian-dahatsoratra izay manandratra olona iray na vondrona izay mampisy fiavahana ao anatin'ny tontolon'ny mponina miisa 7 miliara. Ny tantara, avy amin'ny mpanoratra ao amin'ny Global Voices amin'ny firenen-tsamihafa dia anatin'ny hetsika manerantany antsoina hoe 7 Billion Actions. Ny tantara tsirairay moa dia hadikan'ny Lingua ho amin'ny Fitenin'ny Firenena Mikambana dia ny Frantsay, Espaniola, Rosiana, Shinoa ary Arabo.

Maro ny fanamby hitazonana ny mponin'izao tontolo izao ho velona sy salama.

Young and old in Sri Lanka

Young and old in Sri Lanka by Michael Foley on Flickr (CC BY-NC-ND)

Saika ny ankamaroan'ny fitombon'ny mponina (97 isaky ny mponina 100) dia any amin'ny firenena mihisa-mpandroso indrindra, izay efa farofirofy ny mponina ary mora tratran'ny voina noho ny toetr'andro, tsy fahampian-drano sy sakafo. Ny olan'ny firenena matanjaka indray dia ny taham-pitomboana ambany sy ny fahanteran'ny mponina. Ary raha tetezina izao tontolo izao dia mitombo ny elanelana eo amin'ny mpanankohariana sy ny mahantra.

Mampita ny fanambin'ny fampandrosoana ankapobeny mandritra ny taona ny Global Voices (Jereo ny pejy manokana momba ny Tanjona Fampandrosoan'ny Taonarivo) saingy amin'ity andiany manokana ity dia somary hafa kokoa no tadiavinay. Hansandratray ny fandraisana an-tanan'ny tsirairay na ny fikambanana izay mety ho fakan-tahaka any an-kafa. Zon'ny vehivavy, fanabeazana, fampandrosoana maharitra an-tanandehibe sy an-tontolo manodidina, izay vahaolana rehetra mila vahaolana maika ary hita mazava fa mandray anjara amin'izany ihany koa ny olom-pirenena.

Ny mpanoratra amin'ity andiany manaraka ity dia avy any Malawi, Ejipta, Libanona, Zimbaboe, Kioba, Brezila ary firenena maro hafa. Ao anatin'izany dia miteny amin'ny fiteny ampolony izy ireo. Amin'ny alalan'ny soratra sy ny fandikan-dahatsoratra no anantenanay fa hahita olom-baovao, hevi-baovao, tantara vaovao izay tsy mbola renareo na taiza na taiza ianareo!

Tsidiho ny 7 Billion Actions raha hiditra an-tsehatra.

Ity ny sarimihodina avy amin'ny UNFPA momba ny fanamby miandry ny mponina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.