Libya: Ny Fanafahana an'i Tripoli

Tamin'ny 20 Aogositra 2011, no nanomboka ny Hetsika ara-miaramila Mermaid Dawn (zazavavindrano fiposahan'ny masoandro) hanafahana an'i Tripoli ka niantsona ny Allahu Akbar (Lehibe ny Tompo!) hatrany amin'ny moské an-jatony niely manodidina ny tanàna. Ity no fanairana nifanarahana izay nandrasan'ireo mponina ao Tripoli mba hitsanganany toy ny olona iray manoloana ny ratsy. Tamin'izany antso izany, dia nihazakazaka be ny fandehan-draharaha ka nahavariana tanteraka.

Notantarain'ny fampahalalam-baovao manerantany ny tohin'ny korontana mampitolagaga, indrindra tamin'ny fidiran-dry zareo tao Tripoli ny ampitson'iny.

 

Libyans fight to free Tripoli. Image by Patriots of Misrata, copyright Demotix (23/04/11).

Mitolona ny Libyana mba hanafahana an'i Tripoli. Sary avy amin'ny tia tanindrazana ao Misrata, copyright Demotix (23/04/11).

Saingy ny fivadihana manafintohina indrindra tamin'ny ady tao Tripoli ho an'ny bilaogera dia ny mahita ny fizotry ny raharaha ao amin'ny Twitter-ko izay manasongadina ny tranga tamin'ny 21 Aogositra niaraka tamin'ny tweet an'i A.Adam (Flyingbirdies). Zatra nampiasa bilaogy antsoina hoe Flying Birds i a. Adam,  indrisy anefa fa efa nanjavona izany ankehitriny saingy mbola hita ao amin'ny aterineto hatrany ny kaontiny.

Mahita ny hafatra nalefany izay milaza fa efa niverina ny Aterineto ao Tripoli, ka avy hatrany dia haingana be i Al Jazeera nanambara izany ho toy ny vaovao mafana.

A.Adam's first tweets from Tripoli

Tweet voalohany an'i A.Adam avy ao Tripoli

Toa tsy mampino ny fahatsapana fa afaka mifandray an-tserasera amin'izao tontolo izao indray ny mponina ao Tripoli taorian'ny volana maromaro ka afaka maneho ny fihetseham-pony, ny eritreriny ary koa ny heviny. Nieritreretra aho fa miandry izao tontolo izao, miandry hahare vaovao avy amin'ny Tripolitaniana.

Mahagaga taty aoriana, fa nanomboka nivoaka niaraka tamin'i Highlander ireo bilaogera ka namoaka lahatsoratra voalohany taorian'ny fahanginany nandritra ny fotoana maharitra.

Sanganehana sy faly tanteraka fa nifarana ihany ny nofiratsy saingy malahelo kosa noho ireo aina nafoy tao Lybia sy anisan'ny fianakaviana.

Bilaogera Ema nanangona ireto fotsiny:

Tsy ampy ny fiteny Tsy misy teny afaka mamaritra izay ao anatinay
FAHALALAHANA

Tsy nino mihitsy i Khadijateri:

Enim-bolana lavabe sady sarotra tokoa izay kanefa nataoko izany. Nandeha ny Aterineto ary manasivana tsikelikely ireo mailaka maherin'ny 2000 aho.

Bilaogera Pudding an'ny Kilmanibbbi:

و أخيراً ثوار طرابلس فتحولنا النت، نقدر ندون مرة أخرى … و بعد تهنئة الجميع على تحرير ليبيا، حاب نعلق على ادراجي اللي فات
Naverin'ny mpikomy/revolisionera Tripoli amin'ny laoniny ho anay ny aterineto ankehitriny ka afaka mamaham-bolongana indray. Te hiarahaba ny tsirairay noho ny fahafahan'i Lybia aho ary hiverina  haneho hevitra amin'ny lahatsoratra teo aloha

Tao amin'ny lahatsoratra voalohany nosoratany taorian'ny fianjeran'i Tripoli,  niadihevitra ny lahatsoratra teo aloha mikasika ny andinin-tsoratramasina koranika i Pudding, izay amin'ny ankapobeny dia noheverin'ireo mpamaky ny lahatsoratra nosoratany fa navoakany mihitsy izany lahatsoratra izany satria manohitra ny firotsahan'ny vahiny ao Lybia ilay bilaogera.

Mety zavatra azontsika jerena hatrany izany raha vao manomboka mihaino ny hevitry ny Libyana isika sy miankina amin'izay ho fandehan'ny tetikasan'ny OTAN ao Lybia.

Mahafinaritra tokoa ny mahita ireo Lybiana maneho hevitra an-kahalalahana.

Ary hamehezana izany, faranantsika amin'ny Lybiana Violet ity fitetezana vetivety ny bilaogy Libyana ity:

Mbola tsy tapitra ô! ary mbola maro ny faritra miala hafahana, ary mila averina ny filaminana, ary mila alevina ny maritiora, vahana ny gadra, ratra tsaboina ary omena toky ny ankizy ato amin'ity firenentsika Lehibe ity ( ary mety tsara ny mpamaritra ity)!  Kanefa matoky aho fa efa vita ny dingana sarotra indrindra amin'ity ady ity.

Mahavalalanina tokoa ny fihetseham-po maroloko ary manantena izahay fa ho maro ny olona hanomboka hamaham-bolongana indray rehefa niangona elaela ny vao nosokafana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.