Pakistan: Mpitoriteny Islamika an-TV Tratran'ny Lahatsary Miafina

Dr. Amir Liaquat Hussain, mpitory teny Islamika amin'ny fahitalavitra Pakistana  sady mpanentana ireo fampisehoana ara-pilazantsara marobe, no lasa ivon'ny fanakianan'ny bilaogera farany teo taorian'ny nahatafavoaka horonantsary miafina iray. Ilay lahatsary dia nanoritsoritra an'i Dr. Amir, izay heverina ho olona ambony mpivavaka manam-pahaizana, lehilahy be fanetre-tena, tia fananarana, nefa dia hita mandrisika amin'ny fanararaotana sy izao karazana fitenenan-dratsy izao sy ny faniratsirana ny fivavahana.

Niteraka fikorontanana teo amin'ny mpiserasera Pakistaney ilay horonantsary, ary noesorina tamin'ny ankamaroan'ireo loharanon-tserasera izany rehefa nilaza ny Geo TV, fahitalavitra nanombohan'i Dr. Amir ny asany sy nanaovany fantenana tamin'ilay fandaharam-pivavahana “Aalim Online’ (Fampianarana Finoana An-tserasera) , fa ananany zo manokana (zon'ny mpamorona) ny horonantsary. Kanefa tsy natao hahakivy ny mpiserasera izany hitsikera sy hanadrohadro ilay lehilahy.

Twitter profile picture of Dr. Amir.

Saritapaka Twitter Dr. Amir.

Cafepyala namoaka lahatsoratra amin'ny atsimpiriany momba ny horonantsary miafina, momba an-dry zalahy tadiavina noho ny fanatontosana io asa sy famakafakana mifandrohy amin'ny voalazan'ny horonantsary novokarin'ny Dr. Amir. Liaquat izy manokana:

What it reveals is the utter hypocrisy of not just Mr. Jaahil Online [Ignorant Online] himself but also of those in direct charge of the ‘religious’ programming and indeed of the overall broadcaster itself.

Ny zavatra nasehony dia ny fihatsarambelatsihy tanteraka tsy izay nataon'Andriamatoa Jaahil Online [Levendrana an-tserasera] ihany fa ireo miandraikitra manokana ny fandaharam-“pivavahana” ary indrindra ilay fampitam-baovao iray manontolo.

Tamin'ny fanehoany hevitra amin'izay voalazan'ny horonantsary sy ny fomba nentiny nandavana ilay horonantsary no nilazany ny tenany ho mpandala ny fandriampahalemana sy mpivavaka no nanoratan'i Cafepyala:

Recall that Aamir Liaquat once condoned on his program ON Geo, a declamation that Ahmadis were wajib-ul-qatl (those whose killing can be justified), which was followed by the subsequent assassination of two Ahmadis and Aamir Liaquat’s live telecasts being suspended by Geo. “The tongue that speaks of the Prophet, Peace by upon him,” he says in his most recent program on ARY, “could never utter obscenities.” If that is not the worst form of hypocrisy in the name of religion, I don’t know what is. Has this man no shame at all?

Ampatsiahivina fa efa nandefitra indray mandeha tamin'ny fandaharan'i Aamir Liaquat ny ON Geo tamin'ny lahateny be angola iray milaza fa ny Ahmadis dia wajib-ul-qatl (azo amarinina ny famonoana azy ireo), ka niteraka famonoan'olona nifanesy, Ahmadis roa ary nahatonga ny fampiatoana ny fampitàna mivantana amin'ny fahitalavitra an'i Aamir Liaquat tamin'ny Geo. “Ny lela izay milaza ny tenin'ny Mpaminany, Fiadanam-po ho eo aminy,” hoy izy tamin'ny fandaharany vao haingana indrindra tao amin'ny ARY, “tsy afaka manonona na mamoaka fahavetavetana mandrakizay.” Raha tsy izany no karazana fihatsarambelatsihy ratsy indrindra ambara amin'ny anaran'ny fivavahana, dia tsy fantatro hoe inona indray. Tsy mahalala menatra ve io lehilahy io?

 

Teeth Maestro, ilay bilaogy namorona ny teny hoe ‘Jaahil Online’ (Levendrana An-tserasera) misolo ilay tena anarany ‘Aalim Online’ ankehitriny, no manameloka ilay mpitoriteny amin'ny fahitalavitra tamin'ny alalan'izao teny manaraka izao:

The video I feel may have emerged to blackmail him somehow as some segments of the clip are from quite a few years back but even then, it’s interesting to note that under the garb of the humble religious Islamic scholar breeds a dirty mouthed person who seems to be deliberately making fun of the religion of Islam and has been known to breed hatred to an extent as to incite violence against Ahmedis as well.

Ny fahatsapako dia natao hanala baraka azy satria efa nandeha taona vitsivitsy izay ny sombintsombiny, kanefa na dia izany aza, tsara ny manamarika fa ahitana olona maloto molotra eo ambanin'akanjon'ilay mpitondra fivavahana Islamika mpandefitra izay toa hita fa manao fanahy iniana mananihany ny fivavahana Islam , ary fantatra fa te hampisy fankahalana raha velabelarina sy mandrisika herisetra amin'ny Ahmadis ihany koa.

Ny resaka ambaran'ireo sombin-dahatsoratra anankiroa voalaza eto ambony, dia mikasika ny fampitana amin'ny fahitalavitra nataon'ny Dr. Liaquat izay mitarika fankahalana an'i Ahmadis. Andro vitsy taorian'ny fampitana izany tamin'ny fahitalavitra, Ahmadis roa no nisy namono tao Lahore. Saiky milaza an'ny Andriamato Liaquat ho tompon'andraikitra tamin'izany loza mampalahelo izany avokoa ny tsikera nataon'ireo fampitam-baovao rehetra.

Lahatsoratra ao amin'ny Jazbablog notes miresaka momba ilay lahatsary miafina tadavoaka:

An off the record video of Dr. Amir Liaqat’s show has been revealed the devil character of this so called Aalim, who has impressed millions of people from his versatile anchor’s skills. The video which clearly is not fake, has shown him abusing his producer, supporter staff and even the guest Molvies, who he invited in his show to speak about Islamic issues.

Nampiseho ny toetra maha devoly an'io milaza fa Aalim io ny horonantsary ivelan'ny noraiketina nataon'ny Dr. Amir, izay nampitolagaga ireo vahoaka an-tapitrisany noho ny fahaizany manentana. Horonantsary izay mibaribary fa tsy hosoka, no nampiseho azy mihoa-pahefana amin'ny mpamokatra miara miasa aminy, ny ekipa mpanohana azy ary eny fa na dia ny vahiny Molvies aza, izay nasainy nanatrika ny fandaharany mba hitafa momba ny resaka Islamika

Dr. Liaquat, ni-tweet tamin'ny alalan'i @AamirLiaquat, nitaraina fa nampiana ny feo tamin'ilay lahatsary ary betsaka ny teny novaina tao aminy:

@AamirLiaquat: Everyone knows it is a world of technology. They have manipulated and tempered few clips and dubbed the abusive worlds in my voice

@AamirLiaquat: Fantatry ny tsirairay fa tontolon'ny teknolojia izao. Novain'izy ireo ary namboamboarin'izy ireo ny lahatsary sasantsasany ary teny mihoampampana no nasolo ny feoko

Olona marobe no namaly haingana ny tweet nalefany. Samad Khurram (@SamadK) mpisionkatserasera Pakistana mafana fo, nanontany azy toy izao:

@SamadK: @AamirLiaquat can you give us audio samples of abusive words in your voice so we can compare them with the dubbing?

@SamadK: @AamirLiaquat afaka manome anay santionany amin'ny fampitam-peo misy ireo teny mihoampampana amin'ny feonao ve ianao mba ahafahanay mampitaha izany tamin'ilay novaina ny feony?

Nitondra fanazavana tsara kokoa momba ny fanontaniana sasany napetraka ny adihevitra. Aiza no tokony hojerena ny fifandraisana eo amin'ny fianam-bahoaka sy ny fiainana manokana an'ireo olo-malaza? Angamba ny mpiasan'ny Dr. Amir taloha tao amin'ny Geo TV no lazaina fa tena tomponandraikitra amin'izany satria io ihany no any tokana nanasongadina ny asany sy nahatonga azy nalaza be.

Tsy nisy ny valiny avy amin'ny governemanta na ny sampan-draharaha manaramaso ny fampitam-baovao elektronika ao Pakistan na (PEMRA). Ka manohy ny fanentanana nataony ao amin'ny ARY hatrany i Amir Liaquat.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.