Repoblika Dominikana: Rita Indiana, “Ny Tetikasa Toy Ny Ahy Dia Nandray Betsaka Tamin'ny Tambajotra Sosialy sy ny Aterineto”

Tsy misy tsotra izao na iray aza fomba enti-manasokajy an'i Rita Indiana. Ny maha-mpanoratra tononkira, mpihira, mpanoratra, ary mpiseho an-tsehatra  dia sasantsasany fotsiny ihany amin'ny dingany sy ny habaka misy azy. Tompon'ny famoronana sy ny fanodinana i Rita Indiana. Namaky ny tantara noforoniny izahay, ny “Papi” sy “La estrategia de chochueca.” Efa nahita azy teny an-tsehatra. Ary efa naheno azy tamin'ireo tetikasany momba ny mozika, Miti Miti no voalohany ary ankehitriny dia ny Rita Indiana y los Misterios na Rita Indiana sy ny Mistery.

Tanatin'ny fiaraha-miasa tamin'ny bilaogy momba ny mozika,  Puerto Rico Indie [es], ny mpamoaka lahatsoratra ao amin'io bilaogy io sy ny mpanoratry ny Global Voices, Alfredo Richner, ny solotenam-pifandraisaina ao an-tanànan'i New York, Sire_Damiano [es] (@sire_damiano), Marlo Cruz Pagán (@Arturo_Elises) ary Firuzeh Shokooh Valle, dia nitafatafa tamin'ilay mpanakanto Dominikana izahay taorian'ny fampisehoana nataony tamin'ity lohataona ity tao anatin'ilay hetsika Latin Alternative Music Conference (LAMC) tao New York City. Mandritra ilay tafatafa* dia miteny i Rita Indiana mikasika ny maha-izy azy manokana eo amin'ny lafiny hira, ny tontolon-javakantony maro sosona, ny tetikasany amin'ny hoavy, ary ny fifandraisany amin'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra na ny Media sosialy sy ny Aterineto, ankaotr'ireo lohahevitra hafa. Ny mpandika teny avy amin'ny  Global Voices, Louella Mahabir, dia nandika ny lahatsarin'ilay tafatafa ho amin'ny teny Anglisy, niaraka tamin'ny fanampian'i Firuzeh Shokooh Valle sy Alfredo Richner (raha hijery ny amin'ny dikanteny Anglisy dia tsindrio azafady ilay bokotra CC CC).

*Ny tafatafa dia tamin'ny teny Espaniola no namoahana azy voalohany tao amin'ny Puerto Rico Indie.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.