Shina: Fanentanana iadiana amin'ny tsaho ataon'ny HAJ-mpanjakana

Mamelively ny valan-tserasera ny fahitalavi-pirenena tantanin'ny Fanjakana China Central Television (CCTV) ka anatin'izany ny Sina Weiblog [famahanam-bolongana fohy mitovy amin'ny Twitter] izay noampangainy ho mampiely tsaho sy lainga an-tserasera tamin'ny fiandohan'ity volana aogositra 2011 ity. Haingam-pamaly ilay fampielezan-kevitra ny mpisera Shinoa, manontany ny tanjona politika tian'ny fandaharana TV ahatongavana ary miaro ny valantserasera.

Niova kinendry indray vao tsy ela teo ilay fahitalavitra ka nitifitra ilay mili-pitadiavana Shinoa somary goavagoavana, Baidu, amin'ny fitsikerany ny fironam-barotra mankany amin'ny dokambarotra matetika hosoka.

Mino ny filoha tale jeneralin'ny KDnet, Xiao Zengjian, fa ilay fanentanana dia fampiomanana ny sain'ny olona amin'ny fidiran'ny mili-pitadiavana vaovao , Tuiso (推索), izay hotantanin'ny CCTV sy ny People Net miaraka. Etsy andaniny, ilay mpikaroka momba ny media vaovao, Beifeng dia nampivoitra fa te-hanohy ny fanentanana manohitra ny tsaho amin'ny alalan'ny famelivelesana orinasan'aterineto izay tsy dia mahazo fanohanana avy amin'ny olona loatra raha oharina amin'ny sehatra famahanam-bolongana bitika ny HAJ-mpanjakana [Haino Aman-Jery]. Na izany aza ny tanjona dia ny hametrahana lalàna hifehezana ny aterineto, indrindra fa ny valan-tserasera. (tamin'ny alalan'ny Tatitry ny Deutsche Welle)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.