Iran : Mehdi Khazali noafahana taorian'ny fitokonany tsy hihinan-kanina nandritra ny 25 andro

Dr. Mehdi Khazali, bilaogera sady mpamoaka lahatsoratra, zanaka mpitondra fivavahana lehiben'antoko farany havanana sy mpikambana taloha tao amin'ny Filankevitry ny Mpiandry, Ayatollah Khazali, no noafahana tamin'ny alalan'ny fandoavana onitra ny Alahady 14 aogositra 2011 lasa teo, taorian’ ny fitokonana tsy hihinan-kanina nandritra ny 25 andro. Niaka-peo tamin'ny governemanta iraniana izy tao anatin'ny roa taona, ary fanintelony izy izao nosamborina izao. Bilaogera Iraniana marobe no naneho hevitra momba ny fahafahan'i Khazali, sy ny fitokonany tsy hihinan-kanina talohan'izao fahafahany izao.

Tamin'ny lahatsoratra nosoratany voalohany taorian'ny fahafahany, Khazali nanatsonga teny nataon'i Ja'far al-Sadiq, izay nilaza hoe: “Mahery noho ny tehim-by ny mpino, mety ho voavono ho faty izy, nitsangana tamin'ny maty indray ary vonoina indray. Tsy mampiova na inona na inona amin'ny finoana ananany anefa izany.”

Basiji Sabz nanoratra momba ny fahafahan'i Khazali : “Derao ny Tompo. Inoana toy izany koa ny amin'ireo gadra hafa tsy manan-tsiny, indrindra i Andriamatoa Hossein Moussavi , mpamorona ny hetsika maintso”.

Khorshid Neshan nilaza hoe:

Tsy fantatray hoe nahoana i Mehdi Khazali no nosamborina ary ahoana no neken'izy ireo ny onitra. Nitantara ny Hadit izy tao amin'ny lahatsoratra nosoratany, taorian'ny nivoahany tany am-ponja. Tokony ho tsapany fa raha ao anatin'ny fifaninana masina miaraka ny fitondrana izy, dia ho resy. Iriko mba hotazominy ho azy irery ny fihetseham-po sy ny finoana ananany .

Maro ireo bilaogera naneho ny ahiahiny momba ny fahasalaman'i Mehdi Khazali nandritra ny fotoana nijanonany tany am-ponja ka naneho ny fanohanana tao amin'ny lahatsoratra nosoratan'izy ireo.

Sedaye Azadi nanoratara toy izao:

Tany am-ponjan'ny fitondrana i Mehdi Khazali nandritra ny 20 andro mahery ka nitokona tsy nihinan-kanina izy. Manaporofo izany fa eo anilan'ny vahoaka izy. Mba manahy ny amin'izany fitokonany tsy hisakafo izany ve ianao? Manahy ny amin'ny lehiben'ny hetsika maintso, Mehid Karoubi sy Mir Hussein Mousavi, izay voatana anaty trano iray misy mpiambina ve ianao? Raha tsy miraharaha izany ianao, dia tsy manana ny maha-olona ianao … Mba manontany tena ve ianao hoe nahoana ny zanakao no nogadraina noho ny adiady anaty rano? Satria tsy misy ny fahalalahana. Fa nahoana no tsy misy ny fahalalalana? satria tsy miady ny amin'izany ianao.

MehrdadIrani nanoratra fa nafindra tany amin'ny fonja Evin Prinso sampana faha 350 i Mehdi Khazali ary nahita maso azy nodarohana ny zanany lahy nandritra ny fisamborana azy. Fijoroana vavolombelona hafa koa no nilaza fa nisy naratra teo amin'ny tendany nandritra ny fisamborana azy.

Charkh o Falk niantso bilaogera hafa mba hanohana an'i Mehdi, fa tsy hiandry ny fahafatesany. “Hetsika avy amin'ny bilaogera no mety hanery ny fitondrana hanatanteraka ireo fepetra ilaina mba hijanonan'i Mehdi amin'ny fitokonany tsy hisakafo,” hoy izy. Nilaza ihany koa izy fa nangatahana i Khazali mba haka ireo lahatsoratra izay notazomin'ny manam-pahefana ankeriny, kanefa dia nosamborina tsy amin'ny antony akory izy avy eo.

Agahi ta Rahayi nidera ny hery nananan'i Mehdi Khazali ary nilaza koa fa izany no mampiseho fa olona mitana ny teny nataony izy.

Inona koa no mety mbola hitranga amintsika, mba hifohazantsika amin'ny torimaso? Misy ireo manontany hoe nahoana i Ejypta no afaka, kanefa tsy nahomby i Iran tamin'ny [fanesorana ny governemanta] … Misy ny miteny hoe mahareta, ho avy tsy ho ela ny maraina vaovao, saingy ao amin'ny Tendron-tany avaratra, mety mbola hisy enim-bolana vao ho avy ny maraina.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.