Ejypta : Asmaa Mahfouz Nohadihadian'ny Fitsarana Ady Miramila

Mpitolona ejypsiana Asmaa Mahfouz , iray amin'ireo mpanorina ny Hetsika 6 aprily no nohadihadian'ny  fampanoavana ao  amin'ny fitsarana ady miaramila ny Alahady 14 aogositra lasa teo satria voalaza fa “nanevateva ny komandin'ny tafika ary niantso fikorontanana”. Voamarina tamin'ny resadresaka vao haingana tamin'ny finday nataony niaraka tamin'ny fahitalavitra Al-Nas mandeha amin'ny zanabolana ireo fiampangana an'i Asmaa ary voamarina tamin'ny hafatra nalefa tamin'ny kaontiny Twitter sy Facebook ihany koa.

Al-Masry Al-Youm nanoratra momba ny toe-draharaha ary nandika teny ny  tweet an'i Asmaa.

Raha tsy omen'ny fitsarana anay ny zo anananay, dia tsy misy olona tokony ho gaga raha misy antokona mpitolona miforona ka mirongatra any amin'ny famonoan'olona, satria tsy misy lalàna, ary tsy misy fitsarana.

Noafahana tamin'ny fampandoavana onitra  20 000 Livres ejypsiana ( maherin'ny 2 800 euros) i Asmaa eo ampiandrasana ny valin'ny fanadihadiana. Na izany aza, dia tsy nanakana ireo mpisiokantserasera Ejypsiana, ao anatin'izany ny kandidà mety hilatsaka hofidiana filoham-pirenena Mohamed El-Baradei, hanakiana ny fandehan-draharaha izany.

@ElBaradei: Fitsarana ady miaramila ho an'ny tanora mpitolona, kanefa notsaraina tao amin'ny fitsarana ady madio i Moubarak sy ny namany, fitsarana tsy manjary izany. Aza avela ho raraka an-tany ny revolisiona.

Mpisionkatserasera am-polony no ni-tweet sy namoaka indray ny tweet an'i Asmaa ho tsy fanekena ny fitsarana ady miaramila.

@AmrEzzat:

 رفاق تويتر:أدعوكم لترديد التويتات اللي هي تهمة أسماء محفوظ، ونطلب ضمنا لمتهمين القضية. والمجلس يحبس آلاف المدونين أو يحترم حرية الرأي

Ry namana rehetra ao amin'ny Twitter : miantso anareo aho mba hamoaka indray ilay tweet nampiasaina ho fiampangana an'i Asmaa Mahfouz, ary mangataka ireo rehetra izay manaraka ny fandehan-draharaha  sy ny Filan-kevitra ambonin'ny tafika na hanagadra ny bilaogera rehetra, na hanaja ny zo maneho hevitra an-kalalalahana.

Manaraka izany, notontosaina ny resadresaka tamin'ny finday izay nampiasaina ho porofo tamin'ny fanevatevany ny Filan-kevitra Ambonin'ny tafika raha mbola nanatrika ny fifandonana tao Al-Abbasseya tamin'ny volana jolay izy, izay nisiana fanafihan-jiolahim-boto tamin'ireo mpitolona sy mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana. Eo amin'ny 300 eo ireo mpanao fihetsiketsehana naratra ary namoy ny ainy ny iray tamin'izany ny herinandro vitsy lasa tao aorian'ny ratra nahazo azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.