Japana: Ahoana ny Fomba Ampihenana ny Fandaniana sy Hitsitsiana Herinaratra?

Nahenan'ny mponina ao Japana ny fandanian'izy ireo hatramin'ny nampiharana ilay fepetra fitsitsiana herinaratra mba hiatrehana ny tsy fisian'ny angovo.

Amin'izao fotoana izao, dia 19 amin'ireo 54 mpamerin-tosika nokleary ao amin'ny foibenkerinaratra no mandeha ka namporisika mafy ireo olom-pirenena ny governemanta-indrindra ho an'ireo izay mipetraka ao antsinan'ny Japana- mba hampihena ny fampiasana angovo mba hialana amin'ny tsy fahampian'ny herinaratra noho ny  loza vokatry ny foiben'ny nokleary ao Fukushima.

Araka ny fandinihina nataon'ny Ivon-toerana momba ny fikarohana Micromill, 70 isanjaton'ny Japoney nanaovana fanadihadihana no nilaza fa nanova ny fomba fanao mahazatra  volana vitsivitsy lasa izay. Tanora eo amin'ny roapolo taona eo ary avy amin'ny prefektiora valo ireo olona nohadihadiana, nilaza ny ankamaroan'izy ireo fa efa mandany andro any antranony fotsiny, ka manapika jiro ary tsy mandefa ny fitaovana mandeha amin'ny herinaratra rehefa tsy mampiasa izany.

 

Tsitsio ny herinaratra, Aza alefa, sary avy amin'i Bevelle. CC BY-NC-SA 2.0

Mbola adihevitra be foana ao amin'ny firenena  ny fandairan'ilay fepetra mikasika ny fitsitsiana herinaratra kanefa maro ireo nanararaotra izany mba hanova ny fahazarana amin'ny fandaniam-poana ny herinaratra.

Monina ao Kobe i Roco, ao atsinanan'i Japana, ary nilaza izy fa nanova ny fomba mahazatra azy ireo ny fianakaviany na dia tsy voakasika mivantana amin'ny loza nokleary ao Fukushina aza io faritra ao Japana io :

 

我が家は、もう常識になってしまったエアコンの設定温度28℃に!
家族はできるだけ1部屋にかたまって動かすエアコンは1台に!
を心がける事と、就寝時間を1時間早めて朝の時間を有効利用しています。
電力消費需要のピーク時午後2時くらい〜はPCやTVなど
電気製品の使用を控えるのも有効な対策になるんですよね。

Ankehitriny, nanjary mahazatra ao amin'ny fianakaviako ny manao ny mari-pana ho 28℃ !
Miezaka ihany koa izahay mba hiaraka ao anaty efitra iray ka tsy mampiasa afatsy  fitaovana mpanitsy hafanana iray ihany !
Izany no zavatra sasantsany izay tandremanay, ao ihany koa ny fatoriana adiny iray mialoha ka afaka mifoha maraina be manararaotra manao zavatra avy eo.
Tsara ihany koa ny tsy mampiasa fitaovana mandeha amin'ny herinaratra toy ny solosaina na fahitalavitra rehefa eo amin'ny 2 ora eo rehefa miakatra be iny ny filàna herinaratra.

“Setsuden” (fanafohezana ny teny hoe “tsitsio ny herinaratra’) nanjary fiteny mahazatra isan'andro ary matetika aza lasa lamaody.
Setsuden fikarakarana sakafo, ohatra,  nanjary malaza ao amin'ny aterineto, satria niparitaka ilay fiteny noho ny fifampizaran'ny olona ny amin'ny fomba tokony hihinanana sakafo tsara tsy mila mandany herinaratra be loatra.

Shirousagi nandefa sosokevitra vitsivitsy tao amin'ny bilaoginy:

節電レシピとしては冷ややっこや納豆、佃煮、
梅干し、海苔、漬物、缶づめ、ハム、かまぼこなど
電気だけでなくガスも使わずささっと手早く
食べられるものを多く使うようにしています。

加熱するものがあるとどうしても室温が上がり
暑くなるので火を加えず美味しく頂けるものが
あると節電だけでなく涼しく過ごせ良いなと
思います。

お刺身などもそのままお料理せずに食べられて
節電メニューの代表的なものかもしれません。

Amin'ny fikarakarana sakafo setsudens misy ahy, mampiasa fangaron-tsakafo marobe toy ny tofu, sakafo nampangotrahina tamin'ny soja, umeboshi nalona (paiso amin'ny boaty), ahidrano (algues), komkômbra madinika kely (cornichons), sakafo anaty boaty, fen-kisoa (jambon), trondro nofisahina sns.. aho, satria tsy mila mampiasa herinaratra na gazy ary afaka hohanina haingana ihany koa ireo sakafo ireo.
Raha mampiasa sakafo tsy maintsy andrahoina ianao, dia hiakatra ho azy ny maripàna ao anaty efitrano ka hahatsiaro mafana ianao, araka izany ny fihinanana sakafo mangatsiaka dia manampy amin'ny fitsitsiana herinaratra no sady mampangatsiatsika.
Ohatra iray tsara be ny sakafo sashimi ao amin'ny setsuden satria afaka mihinana [trondro masaka] ary tsy mila mahandro izany akory ianao.

Efa nanomboka talohan'ny lohataona izany fikasana hitsitsy herinaratra izany, raha nivarotra ireo karazan'entana manampy amin'ny fampihenana ny fandaniana herinaratra amin'ny fiainana andavanandro ny magazay mpikojakoja momba ny tao-trano sy fitaovan-tokantrano mandeha amin'ny herinaratra.

Bilaogera Bota nanomboka nanova ny fiainany mahazatra tamin'ny volana Mey raha nividy fitaovana ho azy voalohany setsuden izy:

1)電気契約量を40A⇒30Aに変更して、電気使用量の上限を強制的に下げた。
2)電気消費量の多いダウンライトとクリプトン球を使用した照明器具の使用をやめて、使用頻度の高いリビングは蛍光灯に切り替えた。(LEDはまだ高いのであきらめた)

1) Nanova ny taratasy fifanekena tamin'ny orinasan'ny herinaratra aho mba hampihena ny fetrany ambany ho 30 Ampera fa tsy 40 intsony, mampihena araka izany ny habetsahan'ny herinaratra izay afaka ampiasaiko.
2) Najanoko ny fampiasana takamoa mandany jiro be toy ny spoty sy ny takamoa krypton. (Ny jiro LED mbola lafo vidy be ka najanoko).

[…]

③東京電力「電気のシェイプアップカルテ」に申し込んで、月次で電気使用量を点検
④真夏に備えて緑のカーテンを準備
今年は節電対策としてゴーヤやアサガオを栽培する家庭が多いようで、どこのホームセンターでも売り切れだ。

3) Nanoratra anarana tao amin'ny “tabilao fanatsarana ny herinaratra”an'ny Orinasan'ny Herinaratra an'i Tokyo  aho ka afaka manara-maso ny fandaniana herinaratra isam-bolana.
4) Satria miomana amin'ny fiavin'ny vanim-potoana mafana aho, dia nametraka lambam-baravarana vita amin'ny ravinkazo.
Amin'ity taona ity, maro ireo fianakaviana miezaka mampitombo ny voly “vaotavo famantarana” na voninkazo Morning Glory, mba [ahazoana aloka], izany no antony tsy ahitana izany intsony eny amin'ny magazay.

Lambambaravarana Goya (voatavo), sary avy amin'i Hidetsugu Tonomura. CC BY-NC 2.0

①7月度の節電の取り組み LED化以外はほとんど節電の余地がなくなってきたが、7月9日の梅雨明け以来、急に日差しが強まってきたため、窓に断熱シートを貼って室温の上昇を抑えることにした。ただしこのシートによる断熱効果がいかほどのものかは分からない。

1) Tamin'ny volana Jolay; afaka nanolo ny takamoa tamin'ny LED aho saingy rehefa mifarana ny fotoanan'ny orana ary miposaka tsara ny masoandro, dia nanapa-kevitra hampiasa fitaovana manasaraka hafanana aho noho ny fiakaran'ny maripàna. Na izany aza, mbola tsy manantena loatra aho fa tena handaitra tokoa io fitaovana io.

Fitaovana manasaraka hafanana, sary avy amin'i YTO. CC BY 2.0

Raha mbola mampisalasala foana fiovana entin'io fiovam-panao io amin'ny fandaniana herinaratra, afapo ny olona tahaka an'i @coachsuki fa nisy vokany ny ezaka nataony.

@coachsuki 電気使用量のお知らせがきた~!今月分は昨年と比べ31%減少してますって\(^o^)/ 家中の電球を変えたのと冷風機使用と冷蔵庫カーテンの結果だな♩ちゃんと節電出来てるわ(o^^o)

Naharay ny taratasy momba ny fandaniana herinaratra aho! Tamin'ity volana ity, nampiasa herinaratra 31% aho,kely noho ny tamin'ny taona lasa toy izao\(^o^)/ Mety avy amin’ ny fanovana ny takamoa tao an-trano no anton'izany, ka mampiasa fitaovana mitsoka rivotra “ventilateur” aho ankehitriny ary mampiasa ‘lamba mampangatsiatsiaka‘ ♩ihany koa ka afaka mitsitsy tanteraka ny herinaratra aho! (o^^o)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.