Brezila: Reharehan'ny ‘Hétéro’ sa Tsy Fandeferana ny ‘Homo'?

Ny 2 Aogositra 2011, ny filankevitry ny tanànan'i Sao Paulo, Brezila, dia nametraka Andro Ho An'ny Tsy Mitovy Mifanambady, hetsika iray hankalazaina isaky ny Alahady fahatelo amin'ny volana Desambra. Io tetikasa io, tolo-kevitra avy amin'ny mpanolotsaina kristiana evanjelika, sady mpanohitra mafy ny zon'ireo mitovy nefa mifanambady [pt] Carlos Apolinario, avy amin'ny Antoko Demaokraty (DEM), dia nekena tanaty fivoriambe nandritra  ny fifidianana sarintsariny natao izay mametraka mialoha ny fandaniana azy tsy miankina amin'izay vokatra marina ho azo avy eo, izay tamin'ity tranga ity dia nahitàna mpanolotsaina 20 nitsipaka ary 19 nanaiky.

Taorian'ny fanambaràna ny fahalaniany, hatezerana sy fahasorenana no nameno ny tontolon'ny fitorahana bilaogy sy Twitter. Ireo mpampiasa aterineto, mitovy nefa mifanambady (Gay), hatramin'ireo manaraka ny lalàn'ny natiora (hétéro), dia toa samy naneho ny tsy hafalian'ny amin'ny fametrahana ilay andro daholo izay, ho an'ny maro, midika fanamafisana ny onjam-pankahalàna ny tsy mitovy amin'ny tena  izay mahazo vahana eo amin'ny firenena.

Cartoon by Carlos Latuff, under free use license

Kisary nataon'i Carlos Latuff, azo ampiasaina malalaka

Fisoloana vava sa tsy fandeferana?

Araka ny hevitry ny maro amin'ireo mpampiasa aterineto dia tsy misy dikany ny hanokànana andro iray ho anà maro an'isa ara-tsosialy izay tsy nizaka akory zavatra tsy rariny. Ilay mpampianatra,  Tulio Vianna, dia mihevitra hoe [pt] :

Quando os homossexuais fazem sua “parada do orgulho gay”, eles manifestam-se por respeito à sua orientação sexual. Quando os heterossexuais fazem uma “parada do orgulho hetero” eles manifestam sua intolerância por orientações sexuais diversas.

Rehefa manao ny  “gay pride parade” ry zareo mitovy nefa mifanambady dia manome haja ny fironana ara-nofon-dry zareo. Rehefa ny olona ara-dalàna no mba hanao ny “straight pride parade” dia hoe maneho ny tsy fandeferan-dry zareo ny fironana ara-nofo hafa.

Juliana Freitas,  mafana fo koa, dia nanontany [pt] izay ilàna ny “fitakian'ireo hétéro” ka naleony miantso ilay “Andro natokana ho an'ireo manaraka ny lalàn'ny natiora” hoe  “Andron'ny Henatra”, indrindra noho ny fahitàna fa tsy nisy tranganà herisetra notaterina hoe nihatra tamin'ireo noho ny fironany ara-nofo.

Lola Aronovich, mpampianatra sady mafàna fo amin'ny fiarovana ny vehivavy, dia mandinika [pt] mikasika io foto-pisainana io :

Pense nos privilégios que um hétero tem. Quando você sentiu vergonha de ser hétero? […] Quando você foi discriminado por ser hétero? […] ter orgulho de ser hétero é querer celebrar a sorte que você tem simplesmente por ter nascido hétero. […] Ninguém vai te expulsar do recinto, ninguém vai te bater ou matar, ninguém vai querer te transformar, ninguém vai dizer que se envergonha de ser seu pai/mãe, ninguém vai pensar que sua orientação sexual é depravada ou relacioná-la à pedofilia, ninguém vai te despedir do emprego por causa da sua heterossexualidade, ninguém vai dizer que o que você faz é pecado e que você vai arder no inferno por conta disso.

Saino ny tombon-dahiny azon'ny olona hétéro iray. Oviana no farany nahatsiarovanao henatra noho ny maha ‘hétéro’ anao? […] Oviana no nanavakavahana anao satria hoe hétéro? […] Ny fireharehana amin'ny maha-hétéro dia fitadiavana ny hankalàza ny vintana nanànana tamin'ny nahaterahana fotsiny ho hétéro. […] Tsy misy olona handàka anao hivoaka ny trano, tsy misy olona hidaroka na hamono anao ho faty, tsy misy olona mikatsaka ny hanova anao, tsy misy olona hiteny hoe henatra ho azy ny maha-ray na reny niteraka anao, tsy misy olona hisaina hoe ny fironan'izy ireo ara-nofo dia maharikoriko na hampifandray azy amin'ny resaka fametavetana zaza, tsy misy olona handroaka anao amin'ny asanao noho ny maha-hétéro anao, tsy misy olona hiteny fa izay ataonao dia heloka ary dia ho may any amin'ny helo ianao noho izany.

Ho an'ilay mafàna fo  João Pedro, ny eritreritra tahaka itony “Hetero Pride Day” itony dia manamafy sy mandrisika fotsiny ny herisetra ateraky ny fanavahana ny tsy mitovy amin'ny tena, hitondra ratra sy fahafatesana ho an'ireo Lehilahy na vehivavy mitovy nefa mifanambady, ho an'ireo sarindahy sy sarimbavy”, tahaka izay anasongadinany azy [pt] :

A cada 2 dias morrem 3 homossexuais, simplesmente por serem gays no Brasil. Nenhum heterossexual perde sua vida ou é agredido moral ou fisicamente simplesmente por terem essa opção sexual.

Isaky ny roa andro, misy telo amin'ireo olona mitovy nefa mifanambady no maty misy mamono any Brezila noho izy ireo fotsiny hoe ‘Gay’. Tsy misy olona ara-dalàna namoy ny ainy na niharan'ny herisetra ara-tsaina na ara-batana noho io fironana ara-nofo io fotsiny.

Resaka tombontsoa

Ilay mpanao gazety, Liuca Yonaha, ao amin'ny bilaogy O filtro (Ilay fitantavànana), dia mamerina mamoaka [pt] ny “fanamarinana” naroson'ilay mpanolotsaina Apolinário momba io tolo-dalàna io izay mifantoka betsaka indrindra amin'ny fanasaziana ny zo ho afaka maneho fitiavana eny imasom-bahoaka sy any anaty fahitalavitra :

Será que os homossexuais entende (sic) como direito à liberdade, (sic) dois bigodudos entrarem em um restaurante e ficarem se beijando sem respeitar os demais clientes daquele estabelecimento?

Eles deveriam ter um comportamento adequado a nossa sociedade e deixar os beijos e afetos para os lugares reservados ou suas casas.

Acontece que os homossexuais não se satisfazem com o anonimato e para chamarem atenção começam a exigir direitos que se quer (sic) os heteros têm; se comportam de forma inadequada e muitas vezes agridem verbalmente aqueles que não concordam com suas idéias e depois querem que a sociedade aceite este comportamento.

Sou casado há 32 anos, nem por isso me acho no direito de ficar beijando excessivamente minha esposa em público para com isso demonstrar o carinho que tenho por ela.

Mety ho azon'ny olona roa mifanambady ve ny hoe hahatakatra ny zo hanana fahalalahana tahaka ny hoe misy lehilahy roa be volombava miditra trano fisakafoanana iray ary mifanorokoroka tsy misy firaharahàna velively an'ireo mpanjifa hafa ao amin'ilay toerana?

Tokony hitondra tena am-pahamendrehana ry zareo eny anivon'ny fiarahamonina ka hamela ny fifanorokorohana sy ny fanehoam-pitiavana ho any amin'ny toerana manokana ho azy ireo any na any an-tranony.

Ny hita dia hoe tsy ampy ho an'ireo olona mitovy nefa mifanambady ireo ny ankafinafina ka mba hisarihana ny saina ho fanombohana ny fitakian-jo izay na ny olona ara-dalàna aza tsy manana azy; dia mitondra tena toy ny gaigy sy matetika manao teny manafin-tohina an'ireo izay tsy mitovy fisaina amin-dry zareo, ary avy eo dia manantena fa hanaiky an'io fitondran-tena io ny fiarahamonina.

32 taona ny tokantranoko, nefa na izany aza tsy mbola nihevitra mihitsy aho ny hoe manana zo hanorokoroka ny vadiko eny imasom-bahoaka mba hanehoako ny fitiavako azy.

Enjehina noho ny fankahalana ny hafa, niaro ny tenany ilay mpanolotsaina, amin'ny filazàna[pt] fa ny mpanety volony sy ny mpanao ankosotra azy dia samy ‘gay’ avokoa ary ny ady ataony dia manohitra fotsiny ihany ny “tombon-dahiny” angatahan'ireo olona ‘gay’ izay mitady hihoatra ny zo ananan'ny tsirairay.

@Apolinario_SP: Câmara SP aprovou meu projeto que cria o Dia do Hétero. Respeito os gays, mas sou contra excessos e privilégios.http://migre.me/5pq8l

@Apolinario_SP: Mpanolotsain'ny tanàna ao SP [Sao Paulo] dia nanaiky ilay tetikasako hametraka andro iray ho an'ny  Hétéro. Manaja ireo olona ‘gay’ aho, saingy manohitra kosa ny fihoaram-pefy sy ny fanomezana tombon-dahiny manokana. http://migre.me/5pq8l

Tao amin'ny Twitter, ny mpampiasa sasany toa an-dry Shara Maia (@SharaMaia1) sy João Pedro (@joaopedrocrf) dia nanohana ilay tetikasa tamin'ny fampiasàna ny tenifototra #diadoorgulhobabaca (Andro Fireharehan'ny Kaondrana). Fifanakalozan-dresaka nateraky ny bitsika iray nalefan'ilay mpianatra, Isabella de Amorim, izay niafara tamin'ny fandraisany fanapahan-kevitra hamafa azy io:

@isabellacbsa: E se é pra ter direitos iguais, deveria SIM existir o dia do orgulho hétero, já que existe o dia do orgulho gay. #diadoorgulhobabaca

@isabellacbsa: Ary raha toa moa ka ho an'ny fitovian-jo ilay izy, dia ENY tokony hasiana ny andro fireharehan'ny hétéro, efa hita rahateo fa misy ny andro fireharehan'ireo ‘gay’. #diadoorgulhobabaca

Rosangela Basso, avy ao amin'ny bilaogy Maria da Penha Neles dia manolo-kevitra [pt] miaraka aminà esoeso:

"Criminalize Homophobia". Image under free use.

"Fanamelohana ny Fankahalana ny Hafa". Sary azo ampiasaina malalaka.

Próximos dias de orgulho a serem criados:

- dia do orgulho branco
– dia do orgulho de não ser deficiente físico
– dia do orgulho racista
– dia do orgulho de ser rico
– dia do orgulho de ser homofóbico

Ireo andro fireharehana hafa tokony hoforonina:

- andro fireharehan'ny fotsy
– andro fireharehan'ny sembana ara-batana
– andro fireharehan'ny mpanavakavaka ara-pihaviana
– andro fireharehan'ny mpanan-karena
– andro fireharehan'ny mpankahala ny tsy mitovy aminy

Ao amin'ny Twitter, ilay mpitoraka bilaogy an-dahatsary PC Siqueira (@pecesiqueira), ilay mpanatontosa sarimihetsika, Otávio Ugá (@otaviouga) ary ilay mpanao gazety, Daniel Lélis (@danlelis) koa dia samy nisafidy ny hanihany ho entina manakiana :

@pecesiqueira: Porque é lógico que nós héteros que ao longo da história sofremos repressão e preconceito precisamos de um dia para afirmar nossa condição.

@pecesiqueira: Satria manaraka tsara ny lalan-tsaina ny hoe isika, olona manaraka tsara ny lalàn'ny natiora ary niaritra teritery sy endrikendrika teny am-pamakivakiana ny tantara, dia mila andro iray hanamafisantsika ny toerana misy antsika.

@otaviouga@pablovillaca Homossexuais são muito egoístas. Vamos também lutar pela união civil entre heterossexuais do mesmo sexo! Orgulho Hétero.

@otaviouga: @pablovillaca Tena tia tena ry zalahy mitovy nefa mifanambady ireo. Ndao koa mba hiady ho an'ny zo sivily eo amin'ny fikambanan'ny samy ‘hétéro’ mitovy sokajy! Reharehan'ny Hétéro.

@dannlelis: Orgulho Hétero aprovado. Agora heterossexuais de SP poderão “enfim” andar de mãos dadas na rua e até beijar em público. Valeu, Apolinário!

@dannlelis: Lany ny Andro ireharehan'ny Hétéro. “ela ny ela” ka afaka  handeha sy hifampitantana ary hifanorokoroka imasom-bahoaka eny an-dalamben'i  Sao Paulo ny hétéro. Milay ilay Apolinario!!

Ao amin'ny YouTube, lahatsary iray avy amin'i izaiaspcjr no manakiana ny famoronana ilay Andro Fireharehan'ny Hétéro :

Tsy maintsy ankatoavin'ny Ben'ny Tanàna, Mayor Gilberto Kassab, ilay tetikasa mba ho lasa lalàna. Conceição Oliveira dia manantena [pt] “fa mba misy singanà fahamendrehana ihany tavela ao amin'i Kassab ary hametraka ny didiny tsy azo ivalozana hanohitra ny andro adala tahaka izany izy”. Ilay mpanolotsaina, Jamil Murad, ao anatin'ny bilaoginy dia namoaka [pt] lahatsoratra iray mitsikera ny fankatoavana ilay hetsika sy ny fankahalana ny tsy mitovy amin'ny tena amin'ny ankapobeny.

Ny ‘Orgulho Hétero’ (Fireharehan'ny Hétéro) sy ny tenifototra #diadoorgulhobabaca (Andro Fireharehan'ny Kaondrana) dia lohahevitra noresahana betsaka tao Brezila ary nahangona mpaneho hevitra manohitra ny lalàna efa ho an'arivony maro. Ilay mpikambana ao amin'ny Kaongresy Federaly (sy Evanjelika) Eduardo Cunha (PMDB-RJ), fantatra fa hoe nanolotra volavolan-dalàna iray izay manameloka ny  “fankahalàna ny tsy mitovy amin'ny tena” [pt] ary noho ny fanoherany ny zon”ireo ‘gay’ dia nanambara [pt] fa hanome soso-kevitra hanaovana androm-pirenena iray ho fireharehan'ireo hétéro.

Ity ny fanangonan-tsonia iray ao anaty aterineto [pt] mangataka an'i Kassab hampiasa ny vato tsy azo ivalozana amin'ilay tetikasa; ilay mpikambana ao amin'ny Kaongresy Federaly, Jean Wyllys,  dia nanentana [pt] handresen-dahatra ny ben'ny tanàna mba tsy hankato volavolan-dalàna tahaka izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.