Mpitoraka Bilaogy Ao Amin'ny Global Voices Manoro Hevitra Ireo Tanora Mafàna Fo Avy Aminà Firenena Miisa 10

A group photo of the Blogger Swarm

 

Anio dia ambaranay ny anaran'ireo mpitoraka bilaogy miisa 10 ao amin'ny Global Voices sy ireo “Activista” miisa 11 izay hiara-hiasa amin'ny alalan'ny aterineto mandritry ny volana ho avy rehetra. Izy io dia ampahany amin'ny eritreritra vaovao ho fanoroana hevitra izay novokarin'ny Global Voices sy ny Activista,  tambajotran'ny tanora ao amin'ny fikambanana iraisam-pirenena mikatsaka ny fandrosoana, ActionAid.

Nifantina olona mafàna fo avy amin'ny firenena miisa 10 ao anatin'ny kaontinanta dimy ny Activista hamoronana mpikambana ao amin'ny “Blogger Swarm” izay hitoraka bilaogy ao amin'ny vohikala Activista mandritra ny 12 volana manaraka no mihoatra. Ny hisarika tanora manerana izao tontolo izao handray anjara amin'ny adihevitra mikasika ny fandrosoana, indrindra indrindra momba ny sakafo sy ny rivotra iainana eny amin'ny sehatry ny fitsarana no tanjon'izy ireo amin'izany.

Vao avy nahavita atrikasa lehibe iray tao Tanzania ireo mpitoraka bilaogy vaovao ireo ary tany no nampiofanana azy ireo mikasika ny fanaovan-gazety sy ny paikady ara-teknika, toy ny famokarana lahatsary.

Roa taona lasa izay, mpitoraka bilaogy miisa 31 tao amin'ny  Global Voices no nandray anjara tamin'ny fanoroan-kevitra ireo mpandray anjara tamin'ny atrikasa iray hafa ActionAid tao Denmark.  I Casper Knudsen izay isan'ny notoroana hevitra taloha dia efa lasa mpikarakara ny “Blogger Swarm” vaovao.

Ny antenainay dia ny hoe mba hampanjaka ny fihavanana ireo mpanoro hevitra ireo, hanome fanampiana ara-teknika sy fanamarihana rehefa miara-miasa amin'ireo mpitoraka bilaogy vaovao mandritry ny fotoana iarahan'izy ireo ao amin'ny tontolon'ny aterineto.

Tsy misy zavatra anampiana intsony  fa dia ireto ambany ireto  ireo mpanoro hevitra vaovao miisa 10 sy ireo  ho toroana hevitra miisa 11.

Mpanoro hevitra ao amin'ny Global Voices | Mpikambana efa matihanina ao amin'ny Activista

Mirary soa ho anareo tsirairay avy!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.