Siria: Famoriam-bahoaka Any Amin'ny Tanàn-dehibe Maneran-tany, Manohitra Na Momba An'i Bashar

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Tolona any Siria 2011.

Noho ny fitomboan'ny isan'ny maty any Siria, manomboka tsy mahandry intsony ny Fiaraha-monina Iraisam-pirenena ary miha-masika amin'ny filoha Siriana Bashar Al Assad, mangataka fanovàna sy fanavaozana. Any ivelany ny diaspora dia efa nihetsiketsika hatramin'ny nanombohan'ireo tolona tamin'ny Martsa 2011. Saika ireo tanàna rehetra maneran-tany dia nahita ny famoriam-bahoaka sy ny fihetsiketsehana avokoa, ny sasany mitaky ny fialàn'i Assad, ny sasany indray mitory fitiavana lalim-paka aminy.

Avy any San Francisco (11 Jona 2011) sy Chicago (3 Jolay),  hatrany Washington DC ( 23 Jolay), ny renivohitra Amerikana, izay nihiran'ny vahoaka hoe: ‘‘Mialà Mialà Bashar” teo anoloan'ny Maison Blanche; saika ireo tanàn-dehibe amerikana rehetra dia nahita ny famroam-bahoakan'ireo mpanohitra maneho ny firaisan-kinany amin'ny vahoakan'i Daraa, Homs ary Deir el Zor sy ny sisa.

Indro misy kahatsary navoakan'i AhmedIbnAlsham tamin'ny 6 Aogositra, izay ahitàna ireo mpitolona mitàna afisy misy an'i Hafez sy Bashar Al Assad ary misy soratra hoe: ”Izay adala no toa an-drainy”.

Manana ireo mpanohana azy koa Assad any Amerika tahaka ny any California (3 Aprily). Chicago koa dia nikarakara famoriam-bahoaka manohana ny fitondràna tamin'ny 3 Aprily sy 10 Jona ka nifankahitàn'ireo mpiaro ny fitondràna teo alohan'ny Birao Foiben'ny Firenena Mikambana any New York (1 May) hanamafisany ny fitiavany ny mpitondrany.

Tonga hatrany Amerika Latina koa ny onjam-mpamoriam-bahoaka. Ny 26 Jona, nihirahira ireo Siriana tany Santiago, Chile nanao hoe “El Pueblo Quiere Bashar el Assad” na ”Tia an'i Bashar Al Assad ny vahoaka”, araka ny hitantsika ato amin'ity lahatsary nataon'i Zaizuni ity.

Hikisaka any Eoropa isika ary hanomboka amin'i Londona (18 Jona) izay niantsoan'ireo Siriana an'i Assad ho mpamono olona, hatrany Brussels (23 Jolay), ny Birao Foiben'ny Parlemanta Eoropeana, hatrany Milano any Italia (12 sy 17 Jolay). Any ireo mpitolona dia toa tsy afa-po amin'ny fanavaozana intsony na ny antso ho an'ny fionganam-panjakana. Mitaky ny fitondràna izany any amin'ny fitsaràna ry zareo..

Indro misy lahatsary nataon'i Hazem Daoudi, nalaina tany Genève, Suisse tamin'ny 6 Aogositra, nanoloana ny Birao Foiben'ny Firenena Mikambana.

Frantsa izay mampiantrano fiaraha-monina Siriana lehibe dia nahita  fihetsiketsehana tsy an-kiato, tahaka ny tao Strasbourg ny  2 sy 16 Jolay, ary ity fitokonana nandritra ny roa herinandro, teo anoloan'ny Place du Châtelet any Parisy ity. Ilay mpampiasa YouTube Mesudh75 dia mamoaka ny lahatsariny mampiseho tolona feno filaminana teo anoloan'ny “consulat” an'i Siria sy ny Foibe Koltoraly Siriana any Parisy :

Any Alemana, nidina an-dalàm-be ny vahoaka tany Leipzig (7 Jolay), Berlin (23 Jolay) ary Bonn ny 6 Aogositra sy 8 Aogositra, ary tsy adino Munich tamin'io andro io ihany, izay anehoan'ity lahatsarin'i HutaafElhurriyyeh ity ireo Alemana maneho ny firaisan-kinany amin'ny Siriana ary mihira ny Hiram-pirenena Siriana :

Tsy lavitra an'i Munich, any Vienne, Autriche, nisy tolona iray hafa, izay nakàna ity lahatsary ity ary navoakan'i AhmadSouri nandritra ny fihetsiketsehana tamin'ny 9 Aogositra teo anoloan'ny Masoivoho Siriana :

Nisy tolona fanoherana an'i Bashar koa tany Okraina (22 Aprily), Romania (30 Jona), Rosia (31 Jolay) ary Gresy (2 Aogositra), mitaky ny fanajanonana ny jadona :

Tany Torkia, nivory teo anoloan'ny Masoivoho Iraniana ao Istanbul ireo mpitolona ny 5 Aogositra, manameloka ny toeran'ny Repoblika Silamo manoloana ny tolona. Ny 7 Aogositra dia nanatevin-daharana azy ireo  tamin'izany koa ireo mpikambana tao amin'ny Felicity na ny Atoko Saadet teo anoloan'ny “consulat” Siriana, araka ny hita ato amin'ity lahatsarin'i khaled111h ity :

Nefa mahazo matoky ireo mpanohana azy any Eoropa koa Assad, izay mino fa izy ihany no hitondra filaminana sy fandriampahalemana any Siria. Ny làlan'i Parisy, Frantsa, dia nahitàna fihetsiketsehana maro ny 11 Jona sy ny 3 , 4, 11 ary 12 Jolay.

Ireo zanaka am-pielezana any Odessa, Okraina, dia nandefa balaonina niaraka tamin'ny sainam-pirenena Siriana tamin'ny 4 Jona ho an'i Assad. Ny sasany indray nanao diabe ny 6 Jona tany an-tanànan'i Kazan any Rosia noho izay antony izay ihany.

Naneho ny fanohanany ny Filohany koa ireo Siriana any Armenia tamin'ny Martsa 2011 :

http://www.youtube.com/watch?v=Z_i3rruF18I&feature=related

Na dia eo aza ny fikorontanan-tsaina sy ny tsy fandriampahalemana any amin'ny tontolo Arabo, sy ny revolisiona anatiny manokana, nankafy ka naneho ny firaisankinany sy ny fangorahany ny Siriana ireo renivohitra any.

Ity i Tunis tamin'ny 6 Aogositra, ao amin'ny lahatsarin'i  wadoodfreesyrian izay ahitàna ny vahoaka mihirahira hoe: “Firenena afaka i Siria! Mialà i Bashar!” :

Tany Ejipta tamin'ny 1 Aogositra, OmawiTV dia nampiseho vahoaka  tezitra taorian'ny vono olona tany Hama ary mitaky ny fandroahana ny Masoivoho Siriana :

http://www.youtube.com/watch?v=B8EDEOpiFlE

Any Lebanona, sarotsarotra ihany ny raharaha noho ny fifandraisana manahirana eo amin'ny firenena roa tonta. Matetika ny mpanohitra sy ny mpomba ny fitondràna any Damascosy no nifandona ka tsy maintsy nirotsaka an-tsehatra ny tafika hanasaraka azy roa. Ny famoriam-bahoaka farany fanehoam-piraisankina tamin'ny vahoaka Siriana dia notontosaina tamin'ny Alatsinainy 8 Aogositra tany amin'ny Kianjan'ny Maritiora any Beirut. Famoriam-bahoaka natrehana manam-pahaizana maro, mpanao gazety ary mafana fo maro izany, izay ahitana ilay mpihira sy mpanao feonkira Libane malaza, Marcel Khalife. Afaka jerenao ny sarin'ny hetsika nalain'i Mahmoud Ghazayel, ao amin'ny Facebook.

Ireo mpandray anjara dia nihirahira hoe “Ity dia hiaka avy aty Lebanona – Fangatahana ho an'ny Zon'Olombelona.” :

Ireo Jordaniaa indray dia nitarika ny Taraweeh, ireo mpivavaka amin'ny alin'ny Ramadan, ny 2 Aogositra teo anoloan'ny Masoivoho Siriana, araka ny hitantsika ato amin'ity lahatsary ity izay nalain'i Basemaggad mivantana avy tamin'ny hetsika. Nandrakitra lahatsary hafa koa i Bassem  tamin'ny 8 Aogositra.

Nisy famoriam-bahoaka nitovy tamin'izany koa tany amin'ireo tanàna fehezin'olon-tokana any amin'ny Golf, toy ny Jeddah, any Arabia Saodita, ny  8 Aogositra, izay nahenoana olona nihiaka hoe “Antsika Siria fa tsy an'ny Fianakavian'i Assad” :

Indro misy lahatsary hafa avy amin'ny Jeddah tamin'ny alin'io andro io ihany, nalain'i hama19822011 :

Tany Kaoety (5 sy 7 Aogositra) sy Bahrain ( 5, 8 ary 9 Aogositra), nitaky ny fandroahana ny Masoivoho Siriana any amin'ireo firenena roa ireo ny mpitolona, sy ny fampiatoana ny fifandraisana amin'ny Damaskaosy. Natrehana mpanao politika maro sy mpikambana ao amin'ireo parlemanta ireo tolona.

Ity lahatsary nalain'i daraahoran ity dia mampiseho ny vahoaka any Kaoety eo anoloan'ny Masoivoho Siriana, mitaky ny fionganan'ny antoko Baath.

Nifamotoana tao Manama ireo Siriana sy  Bahraini tamin'ny 9 Aogositra, nihirahira hoe “Daraa, miaraka aminao izahay, mandra-pahafaty !”

Faranana amin'ny kaontinanta Aostraliana ity fitetezana ity, ity toa hanehoan'ireo mpanohitra sy mpomba an'i Assad ny fanoherany na ny fanohanany azy ihany koa.

Any Auckland, Nouvelle Zélande, olona 200 eo ho eo no nivory hanohitra ny fitondràna noho ny famonoana sivily Siriana tsy manan-tsiny tamin'ny 30 Jolay.

Nisy fihetsiketsehana koa tany Sydney any Aostralia, tamin'ny 2 Aogositra hanoherana ny fitondràna :

Tamin'ny fihetsiketsehana iray hafa tany Sydney tamin'ny 3 Aprily, niteny ireo mpitolona fa ”Bashar no filoha tsara indrindra any amin'ny Afovoany Atsinanana iray manontolo ary tsy misy toa azy eran'izao tontolo izao”.

Ireo tolona manohitra ny fitondràna Siriana, dia hisy any Londona, Parisy ary Tunis rahampitso (13 Aogositra).

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Tolona any Siria 2011.

Ny hajian-tsary sy ny sary  ‘Hetsi-panoherana ho fanohanana ny Siriana tao amin'ny Departemantam-panjakana – Berlin’, dia avy amin'i  Thorsten Strasas, copyright Demotix (06/08/11).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.