Okraina: Fampianarana Mitoraka Bilaogy Hamelezana Ireo Vondrona Mampietry

Tsy asa moramora ny fanampiana ireo vondrona tsy dia voasolo tena, tahaka ireo olona mpidoroka zava-mahadomelina, mba hanomboka hampiasa ny mediam-bahoaka hitantaran'izy ireo ny tantàrany manokana. Mety tsy tena manana fahalalàna mialoha amin'ny fampiasana solosaina na aterineto io vondrona io, ary mety tsy hahatakatra ny mahatonga ny mediam-bahoaka hahazoana tombontsoa. Na eo aza izany, asa voalohan'ny tetikasa Drop-In Center any Okraina tohanan'ny Rising Voices izay manampy amin'ny fanoritana ny lalàna ho an'ireo vondrona hafa tahaka izany mba hahazo tombony amin'ireo fitaovana ireo izany.

Izany dia ezak'i Anastasia Bezverkha, fakàn-kevitra ao amin'ny Open Society Institute Health Media Initiative, izay nanampy ireo vondrona manerana an'i Okraina hahazo lesona avy amin'ny fahalavorarian'ny fitoraham-bilaogin'i Pavel Kutsev sy ny Drop-In Center ary mba hanomboka ny bilaogin'izy ireo manokana. Nanome fanofanana sy hetsika fanaraha-maso miaraka amin'ireo fikambanana izay zana-tsampan'ny Fikambanana Teratany Okrainiana rehetra momba ny Fisoloana Vava Ireo Fitsaboana Fanolo (ASTAU) [ru]. Maro amin'ireo tantara ireo no voasongadina ao amin'ny Rising Voices.

Anastasia Bezverkha, Citezens' Media Consultant

Anastasia Bezverkha, Mpanolotsaina amin'ny Mediam-bahoaka

Tato ho ato i Anastasia dia miasa manomana ny diplaoma PhD-ny any amin'ny iray amin'ireo anjerimanontolo Okrainiana tsara indrindra, ny Anjerimanontolom-panjakana ao amin'ny Sekoly Ambony Kyiv-Mohyla. Anatin'ny anjara toerany ao amin'ny asany, manana fahaizana matanjaka amin'ny fiaraha-miasa amin'ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana sy vondrona mpiaro  zon'olombelona izy. Araka ireo olona niara-niasa taminy, afaka mahita marimaritra iraisana amin'ny olona avy ao amin'ny vondrona tohanany foana i Anastasia. Ity no navoakan'ny mpandray anjara iray tamin'ny fanofanan'i Anastasia momba azy sy ny mpiara-miasa aminy, tanatinà bilaogy:  “Amin'ny ankapobeny, samy hafa aminay izy ireo, nefa tsapako fa mahatakatra anay sy manaja anay izy ireo, ireo marary tohanana amin'ny tetikasa fitsaboana fanolo. Ary tsara izany! Anatina tontolo iainana tahaka izao dia afaka milefitra sy mitombo!”.

Anatin'ity fanadihadiana tamin'ny alalan'ny mailaka niarahana tamin'ny Rising Voices ity, miresaka momba ny traikefa ananany amin'ny asany izy, ny asany amin'ny maha-fakàn-kevitra azy ho an'ny Fandraisan'andraikitry ny Media ho an'ny Fahasalamana (HMI), ireo tetikasany amin'ny ho avy, sy ny mahatonga ny fitorahana bilaogy ho fitaovana manan-danja ho an'ireo vondrona natao an-jorom-bàla, anatin'ireo fanentanan'ny Advocacy.

Rising Voices: Afaka milazalaza fohifohy momba ny tenanao sy ny traikefanao amin'ny maha-fakàn-kevitry Fandraisan'andraikitry ny Media ho an'ny Fahasalamana ho fampihenàna ny faharatsiana ve anao?.

Anastasia Bezverkha: Eny ary, nanomboka niasa ho fakàn-kevitry ny Media ho an'ny Fahasalamana aho, rehefa nandray anjara mavitrika  foana tanatin'ireo hetsika mifandraika amin'ny politikan'ny rongony, matetika amin'ny maha mafàna fo amin'ny fandraisana andraikitry ny olom-pirenena “Tanjona mivaingana” ahy, izay mifantoka amin'ny asa fanaovan-gazety mpanadihady momba ireo olana mifandraika amin'ny rongony, tahaka ny fikarakarana hetsika an'arabe isan-taona antsoina hoe Diaben'ny Fahafahana ho an'ny tsy fanamelohana ny fampiasàna manokana ny rongony sy ny fampidirana ny fanavaozana ny politikan'ny rongony any Okraina.

Amin'izao fotoana, miasa miaraka amin'ny maro amin'ireo Fikambanana Okrainiana Tsy miankina amin'ny Fanjakana sy ireo vondron'ireo mafana fo any Okraina aho, miasa ao anatin'ny tontolon'ny fampihenana ny faharatsiana amin'ny fampiasana ireo rongony atsindrona, fampiroboroboana ny fitsaboana OST [Fitsaboana Fanolo ny opium], ARV [fitsaboana “antiretroviral”] sy ny HCV [Otrik'aretin'ny hepatite C] sy fiarovana ny zon'olombelon'ireo mpifoka rongony sy mpivaro-tena. Manampy ireo vondrona mba hanangana ireo teti-pifandraisany aho, manatontosa hetsika ho an'ny besinimaro sy ny media, mamokatra lahatsary, mizara fahalalana amin'ny alàlan'ny media sosialy sy ny fanangonana antontan-kevitra momba ny fanitsakitsahina ny zon'olombelona.

RV: Maninona ianao no mieritreritra fa ny fitorahana bilaogy sy ny mediam-bahoaka dia afaka manampy ny olona mpidoroka sy ireo marary manaraka fitsaboana fanolo?

AB: Tena resy lahatra aho fa ny  hafanam-po ao amin'ny aterineto dia manome fahafahana vaovao ho an'ny olona, izay tsy dia nisy niraharaha intsony ny olany, ho afaka milaza ny ahiahin'izy ireo. Ny tontolon'ny Aterineto dia haingana fitombo, izay manome fahafahana ny olon-drehetra hanomboka ady hevitra ampahibemaso, manome ireo porofo, tahaka ny fitadiavana mpanohana manerana ny faritra, araka izany, ny fampidirana ireo fitaovana ao amin'ny aterineto sy ireo teti-pifandraisana ho an'ireo mafàna fo avy ao amin'ny tontolon'ny fampihenana ny faharatsiana dia iray amin'ny asa tsy maintsy ataon'ny HMI ho laharam-pahamehany voalohany.

RV: Afaka milaza aminay ny momba ny tetikasa fanofanana amin'ny media vaovao ho an'ny Fikambanan'ny Teratany Okrainiana rehetra momba ny Fisoloana Vava Ireo Fitsaboana Fanolo ve ianao? Inona ny hevitra tena fonosiny? Inona ireo vokatra andrandraina?

Anastasia miaraka amin'ny zananivavy kely

AB: Ny Martsa 2011, nitarika fanofanana amin'ny fitorahana bilaogy sy ny hafanam-po ao amin'ny aterineto ho anà vondron'ireo marary manaraka ny fitsaboana fanolo ny opium, ireo mpikambana ao amin'ny  Fikambanan'ny teratany Okrainiana rehetra momba ny Fisoloana vava ny Fitsaboana Fanolo (ASTAU)  any  Dnipropetrovsk, Okraina. Nandritra ny andro faha-3 ny fanofanana tao anatin'ny tetikasa “Isika no media,” izahay dia nanome ireo fahalalana fototra ho enti-manomboka momba ireo fitaovana fifandraisana ao amin'ny aterineto, ireo tambajotra sosialy, tahaka ireo tetika fototra amin'ny fampielezana ny fampahalalam-baovao sy ny toetran'ny fitorahana bilaogy. Nanomboka niasa tamin'ireo lahatsoratra-ho-an'ny-vohikala ireo mafana fo ary mba hananganana fifandraisana eo amin'izy ireo, dia nanamboatra rohy aterineton'ny fikambanamben'izy ireo manokana. Manantena aho fa hanome fanombohana tsara amin'ireo fanehoan-kevitra ao anaty aterineto izany, tahaka ny famondronana an-dry zareo ho tarika iray miaraka aminà fitaovana fisoloana vava matanjaka vaovao.

RV: Inona ireo tetikasa amin'ny ho avy raha ny tetikasa fanofanana ny mediam-bahoaka ao amin'ny Fikambanana no jerena?

AB: Anisan'ireo tetikasa hafan'ny HMI ny fikarakarana fanofanana amin'ny fanangonana antontan-kevitra momba ny fanararaotana ny zon'olombelona sy ny fiasàna miaraka amin'ireo rindrambaiko fanehoana ireo tahiry, tahaka ny Ushahidi, sy ny fampiasàna ireo fitaovana ireo amin'ny fanentanana ny media fisoloana vava any Okraina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.