Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Miaràha Aminay Amin'ny Adihevitra Momba Ny Finday Amin'ny Mediam-bahoaka

Rising Voices Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariaham-baovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra

Ny Rising Voices dia faly mandray anjara anatina fifanakalozan-dresaka ao amin'ny aterineto karakarain'ny fikambanana New Tactics in Human Rights (Tetikady vaovao amin'ny Zon'Olombelona) ary niarahan'ny Mobile Active nanentana. Ny fifanakalozan-kevitra nandritry ny herinandro iray manontolo, “Mampiasa Finday ho an'ny Media Sosialy” izay nanomboka ny 27 Jolay ka hatramin'ny 2 Aogositra 2011 dia hamondrona miaraka ny manampahaizana mpampiasa ireo loharano ireo maneran-tany mba hizara ny traikefany, tetikady, sy hevitra amin'ny fampiasaina ireny fitaovana ireny ho amin'ny tanjona isan-karazany mifandraika amin'ny mediam-bahoaka. Hampifantoka ny fandraisanay anjara amin'ireo andrana mbola mitohy amin'ilay tetikasa vaovao Fampifandraisana ireo Tanàna ao Ségou tohanan'ny Rising Voices izahay, izay nampianatra ny mponina any ambanivohitr'i Ségou faritr'i Mali ny fomba fampiasàna finday handefasana ireo fanavaozam-baovao amin'ny alalàn'ny hafatra fohy (SMS) mankany amin'i Boukary Konaté, mpandrindra ny tetikasa any ao Bamako renivohitra.

Avy amin'ny fanoritsoritana ilay fifanakalozan-dresaka tao amin'ny vohikalan'ny New Tactics:

Ny fampahalalam-baovao dia entam-barotra iray matanjaka ho an'ireo mpiaro ny zon'olombelona. Ny fahazoana sy fizarana vaovao dia ao anatin'ny votoatin'ny asa momba ny zon'olombelona. Ny teknolojia vaovao, tahaka ny finday, sy ny fizarana ny aterineto eran-tany, manome fahafahana vaovao ho an'ny olona mba handray anjara mavitrika amin'ny fanaovan-gazety. Tsy misy ady hevitra fa ny finday no endriky ny teknolojiam-pifandraisana sy fampalalam-baovao mora idirana indrindra sady fitaovana malaza amin'ny fahazoana sy fizarana vaovao.

Ireo manampahaizana amin'ny zon'olombelona dia mahita fomba vaovao hampiasana ireo finday mba hanamafisana ny feon'ny fikambanana eran-tany hanangonana sy hanapariahana vaovao sy fahalalana. Any Namibia, ny mpamaky dia afaka manoratra SMS anatin'ny fanamarihana ho an'ny tonian-dahatsorara, izay avoaka amin'ny gazety voatonta any Namibia avy eo. Any Goatemala, ireo mpihaino fampielezam-peo dia manoratra ny tsikeran'izy ireo izay vakiana mivantana ao amin'ny fampielezam-peo avy eo. Any Inde, manafaka amin'ny fandraràna ireo vaovao amin'ny radio ny finday ary manome fahafahana ho an'ny vahoaka hisokatra amin'ny vaovao no sady handrakitra ny vaovao. Ohatra vitsy amin'ny fomba fampiasan'ireo manampahaizana ireo finday mba hahazoana sy hanomezam-baovao ary fampahalalàna avy amin'ny/ho an'ny vahoaka fotsiny ireo.

Ireo hafa nandray anjara amin'ny maha-manampahaizana amin'ny  teknolojia azy ireo:

  • Melissa Ulbricht (mpanentana lefitra) – tompon'andraikitra ao amin'ny MobileActive, Etazonia
  • Becky Hurwitz – Mpikarakara ny Tetikasa ao amin'ny MobileActive ary vao haingana no miasa amin'ny tetikasa SaferMobile, Etazonia
  • Rich Jones ao amin'ny Tetikasa Open Watch
  • Mong Palatino – iray amin'ireo mpikarakara nanangana ny TXTpower, Filipina
  • Brian Conley sy ireo hafa ao amin'ny Small World News
  • Sean McDonald sy Amy O'Donnell ao amin'ny Frontline SMS, Etazonia
  • Alix Dunn – mpikaroka mpampihatra sy fakàn-kevitra amin'ny anjara asan'ny fitaovana dizitaly amin'ny  hafanam-po, Ejipta
  • John (Kipp) Kipchumbah avy amin'ny InfoNet, Kenia
  • Sam duPont – Mpirotsaka an-kianja avy ao amin'ny Dimagi, mpanoraatra ny Bilaogy Global Mobile ao amin'ny DC think tank NDN, mipetraka any Thailandy sy Filipina amin'izao fotoana izao
  • Patita Tingoi sy ireo hafa avy ao amin'ny Fahamu, Kenia
  • Boukary Konaté sy Eddie Avila avy ao amin'ny Rising Voices, Mali sy Bolivia
Miverena mijery eto manomboka ny 27 Jolay amin'ny fanombohana ny adihevitra.
Field Fellow

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny