- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fomba Fanaovan-tsakafo Amin'ny Ramadany : Fety Be Aorian'ny Fifadian-kanina

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Azia Afovoany sy Kaokazy, Azia Atsimo, Azia Atsinanana, Afganistana, Ejipta, India, Malezia, Ozbekistan, Pakistana, Fivavahana, Sakafo, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

Manamarika fotoana fieritreretana ara-panahy sy fiderana ara-pivavahana ny volan'ny Ramadan. Ireo Silamo mandray anjara amin'izany dia mifady hanina sy rano mandritra ny masoandro mipoaka, fa rehefa mody masoandro kosa, mivadika ho fety lehibe ny fifadian-kanina, ny Iftar [1]. Mandritra ny Iftar, mivondrona ny vahoaka mba hanapaka ny fifadian-kanin'izy ireo miaraka, atomboka amin'ny voan'antrendry (ilay voankazo maina) araka ny fomban-drazana. Ho fanampin'ny voan'antrendry, misy karazan-kanina mahafinaritra marobe aroso. Ito misy lisitry ny sasantsasany tamin'ireo tena tian'ireo mpitoraka bilaogin'ny Global Voices.

Arahaba nahatratra ny fifadian-kanina avy ao amin'ny bilaogeran'ny Global Voices izay nizara rohy!

Te-hanampy ny tianao manokana ve ianao? Miangavy anao hizara izany aminay!.