Manamarika fotoana fieritreretana ara-panahy sy fiderana ara-pivavahana ny volan'ny Ramadan. Ireo Silamo mandray anjara amin'izany dia mifady hanina sy rano mandritra ny masoandro mipoaka, fa rehefa mody masoandro kosa, mivadika ho fety lehibe ny fifadian-kanina, ny Iftar. Mandritra ny Iftar, mivondrona ny vahoaka mba hanapaka ny fifadian-kanin'izy ireo miaraka, atomboka amin'ny voan'antrendry (ilay voankazo maina) araka ny fomban-drazana. Ho fanampin'ny voan'antrendry, misy karazan-kanina mahafinaritra marobe aroso. Ito misy lisitry ny sasantsasany tamin'ireo tena tian'ireo mpitoraka bilaogin'ny Global Voices.
Arahaba nahatratra ny fifadian-kanina avy ao amin'ny bilaogeran'ny Global Voices izay nizara rohy!
- Atomboka amin'ny salady fandevonan-kanina Libaney Fattoush, faranana amin'ny voankazo mamy Kallaj, manta na endasina – mandritra izay fotoana izay, sotroina ny zava-pisotro somary mena mavokely, Sharab Ward.
- Andramo ny anana Ejiptiana voasesika hena Mashi, jereo ny fomba fanaovana Foul ara-pomba na jereo ity bilaogy ity, Yasmeen Health Nut, ary manandrama ny henan-janak'ondry Suhoor Shorba.
- Mahazo hafanana amin'ireto sakay maitso voasesika hena Indiana ireto.
- Mangatsiatsiha indray amin'ny zava-pisotro misy ronono Pakistaney, Sherbet, voasoritsoritra ao anatin'ny bilaogy Islamic Iftar.
- Ny mpitoraka bilaogy Malaisiana iray ao amin'ny The Cat, The Rabbit & The Hedgehog dia mizara ny Uzbek Lamb Plov Pilaf.
- Aza dinganina ny bilaogin-tsakafo Pakistaney-Afghan nahazo ny mari-pankasitrahana, The Spice Spoon.
Te-hanampy ny tianao manokana ve ianao? Miangavy anao hizara izany aminay!.