Kambodza: Nampisy Fanadihadiana ny Vaovao navoakan'ny Bilaogy Iray

Nisokatra ny fanadihadihana nataon'ny Ambasady Kambojiana ao Malezia niaraka tamin'ny fiaraha-miasan'ny polisy momba ny fahafatesan'ilay  mpiasa an-trano Kambojiana miasa ao  Malezia , araka ny voalazan'ilay lahatsoratra avy amin'ny  Phnom Penh Post.

Nampilazain'ilay orinasa Mpitady mpiasa APTSE & C Cambodia Resource Co Ltd ny nenitoan'ilay mpiasa an-trano fa maty noho ny “pneumonia” ny zana-dravaviny 19 taona. Kanefa, nanamarina ny fizahana ara-pahasalamana nataony tany Kambodza ny volana septembra tamin'ny taona lasa  fa tsy misy kianina ny fahasalamany.

Ankehitriny dia lazaina fa mety maty noho ny fampijaliana nataon'ny mpampiasa azy izy araka ny vaovao navoakan'ny tranokala fampahalalam-baovao, Khmerization, izay namoaka sy nanaparitaka mailaka avy amin'ny olona iray tsy fantatra.

Niditra tamin'izany resaka izany ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona sy ireo mpanao politika izay nitaky fanadihadihana mazava tsara. Nanoratra tamin'ny Khmerization ilay olona tsy fantatra ka toy izao no tao anatin'ny lahatsoratra nosoratany:

Nahita ny tranokalanao (khmerization.blogspot.com) izahay ka namaky ilay lahatsoratra “Ambasady Malezia namonjy vehivavy mpiasa an-trano Kambodziana taorian'ny lahatsoratra tao amin'ny Khmerization”, nalefa tamin'ny 23 Martsa 2011. Te-hanintona ny sainareo  momba ny fahafatesan'ilay mpiasa an-trano Kambojiana vao haingana izahay izay ahianay fa noho ny fampijaliana ara-batana sy ara-tsaina nataon'ny mpampiasa azy no nitarika ny fahafatesany.

 

Araka ny nolazain'ny manodidina azy dia hitany voadaroka sy araraotina isan'andro ilay nodimandry io fahavelony ary nitady vonjy imbetsaka tamin'ny mpiray tanindrazana aminy mpampandroso sakafo eo amin'ny manodidina eo izy. Ny andro mialoha ny hahafatesany dia nametraka hafatra izy fa raha mandeha any amin'ny varo-tsy mifody noho ny antony tsy fantatra izy dia ilazao ny dadatoany monina any Kambodza.

Depiote Mu Sochua nivoady ny hanadihady ny fahafatesana nahazo ilay mpiasa an-trano tanora

Tsara ny manamarika fa efa nahavita nandresy lahatra ny mpitondra fanjakana hijery ny mahazo Kambojiana mpiasavavy an-trano hafa izay notombanana ho nohararaotin'ny mpampiasa azy any Malezia i Khmerization. Ankilan'ny famoahana lahatsoratra momba ny fihoaram-pahefana dia nampiely mailaka mandrisika ny mpamaky azy hanoratra taratasy ho an'ny manampahefana ao amin'ny Masoivoho any Malezia i Khmerization.

Araka ny tatitra 2011 niarahan'ny CARAM Azia, CARAM Kambodza ary ny Tenaganita nanomana, mitondra ny lohateny hoe “Fisavana ny Zavamisy: Ny lalàna sy ny zon'ny mpiasa an-trano nifindra monina manerana an'i Azia” dia mihoatra ny 40.000 ny mpiasa an-trano Kambojiana any Malezia ary ny 51.7% amin'izany dia vehivavy avokoa. Navoitran'ny tatitra ny fandikan-dalàna iraisana mpahazo ny mpiasa an-trano:

  • Hafa noho izay fifanarahana nifanaovan'ny mpiasa an-trano nifindra monina sy ny sampan'asa nandray ny mpiasa eto Kambodza ny fandehan'ny asa ary tafiditra amin'izany ny fahambanian'ny karama sy ny trosa tsy nampahafantarina ny mpiasa nialoha ny fiaingany hiasa.
  • Fitazonana ao amin'ny foibem-pandraisana sy fizarana mpiasa
  • Ankizivavy tsy ampy taona alefa hiasa amin'ny alalan'ny antotan-taratasy hosoka
  • Tsy fandoavan-karama
  • Fandoavan-karama tsy ara-potoana (any amin'ny faran'ny fe-potoana ifanarahana miasa ihany vao mahazo ny karamany ny mpiasa an-trano nifindra monina)
  • Ora fiasana lava dia lava
  • Miasa mandritra ny 24 ora anatin'ny iray andro
  • Raharaha sy asa maro loatra
  • Tsy fananana andro tsy iasana
  • Tsy fananana fiainana manokana
  • Fanaovana fiteny tafahoatra
  • Fanararaotana ara-nofo
  • Fanararaotana ara-batana
  • Fakana an-keriny ny antotan-taratasy an'ny tena manokana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.