Shina:Notazonina Ny Pasipaoron'ny Mpianatra Soedoa Iray Noho Ny Antso Hanao Flash Mob (Hetsika Tselatra)

Soedoa iray mpianatra, Sven Englund mianatra ao amin'ny Anjerimanontolo Fudan ao Shanghai no nantsoina tany amin'ny paositry ny polisy fa nanoratra taratasy ho an'ny Filoha Sinoa, Hu Jintao, tao amin'ny bilaoginy. Raha vao vita ny famotopotorana dia notazonina ny pasipaorony.

Io ambany io ny fiantsoana nalefan'ireo polisin'ny Shanghai :

Izy ireo dia nanambara fa i Sven Englund dia ahiana ” hampidi-doza ny fiaraha-monina” sady nandika ny lalana faha 55 ao amin'ny “Lalàna ho fiarovana ny fiaraha-monina ao PRC (Repoblika Entim-bahoakan'i Shina)”. Io fanadihadiana io dia natao tamin'ny 1 Jolay 2011 tao amin'ny biraon'ny fampianarana ankapobeny.

Raha arak'ireo bitsika[zh] nalefan'i Sven Englund, dia efa niomana ny hody any Soedy izy ny 26 Jolay nefa izao dia notazonin'ny polisin'i Shanghai ny pasipaorony. Ireo polisy moa dia nampanantena fa hamerina izany ny 7 Jolay 2011. Nifandray tamin'ny masoivohon'i Soedy izy[zh] nefa hoe tsy afaka manampy ilay masoivoho.

Nandritra ilay fanadihadiana dia niteny ireo polisy fa tokony  ho sokafany ny teny miafina fidirany[zh] ao amin'ny bilaoginy, fa tsy nanaiky izy, sady niteny izy fa tsy fanajana ny zony ny fangatahan-dry zareo.

Ity ambany ity ny dikantenin'ny lahatsoratra tao amin'ny bilaoginy[zh] izay nivoaka tamin'ny 27  Jona 2011 :….

Ho an'ny Filoha Hu:

Miarahaba anao!

Ary tsy novalinao ireo taratasy roa voalohany nalefako . Angamba mety sahirana amin'ny fanomanana ny fankalazana ny 1 Jolay ianao. Izao koa mba manana ny laminasako manokana sy ny fiomanako. Androany aho dia naka sary nanerana ny distrikan'i Putong ao Shanghai . Izany hevitra izany dia avy amin'i Ai Weiwei. Fantatrao ve aloha i Ai Weiwei? Izy dia nampiseho ny talentany ary dia nantsoiny hoe”Fuck art” izany. Izao aloha dia tsy zatra mampiasa io fomba fiteny io saingy zava-dehibe ilay fahalalahan'ny fampahalalam-baovao. Raha ny hevitro aloha dia tsy manana izany fahalalahana izany i Sina. Noho izany dia manana drafitra iray aho ho an'ny ‘1 Jolay’ ahy manokana : flash mob (hetsika tselatra) amin'ny 6 hariva ao amin'ny disitrikan'ny Pudong. Tsy afaka ny handeha irery aho fa mila “flash mob”, ka izany no antony anantenako fa ho avy hiaraka amiko ianao koa hanaparitaka ity hafatra ity  any amin'izay namanao rehetra tia fahafahana. Fa raha tena tsy manana fotoana hankanesana aty Shanghai moa ianao dia afaka mamorona flash mob any amin'izay faritra misy anao any. Ekena?

Ny drafitra arahana amin'ity hetsika flash mob ity dia tahaka izao: tongava any Pudong na koa any amin'izay toerana tianao ao an-tanàna misy anao amin'ny 5:50 hariva. Avy ao atombohy ny zavatra ataonao amin'ny 6 hariva. Tena tsara raha asianao soratra ny vatanao hoe “fahafahana” amin'izay maro ny olona hahatakatra tsara ny hetsdika ataontsika. Avy eo azonao atao ny mikisaka miova toerana indray amin'ny 6:05. Afaka mandeha any amin'izay toerana tianao haleha ianao fa izaho kosa aloha dia hody hanomana ny fanadinako. Azonao ve izany? Alainao ao amin'ny Youtube fotsiny ny toromarika :

Nefa mety tsy afaka miditra amin'io vohikala io ianao satria any Shina moa tsy mba manana an'izany fahalalahana milaza hevitra izany. Raha izay no mitranga dia azonao atao ny miditra ato :  http://player.youku.com/player.php/sid/XMTQ2OTA1MTM2/v.swf

Ireto misy sary izay azonao hakàna hevitra:

Sarin'i Ai Wei Wei

Io ny sariko , Tiako kokoa ny mifamihana

rantsan-tànan'i Ai Weiwei

Ny rantsaa-tànako! Ny dikany: flash mob tamin'ny 1 Jolay

Noho izany:
Ny andro: 1 Jolay (Zoma), 15:55-18:05 (18:00 “fanombohana”)
Toerana: Ao amin'ny Shanghai Pudong na izay toerana mety ao amin'ny tanànanao. (Raha hanomana ilay hetsika ihany ianao, dia azafady mba ampahafantaro aho).

Raha tianao kosa ny hanaraka anay dia azafady mba mametraha hafatra ao amin'ny toerana voatokana ho amin'izany. Alefaso any amin'izay namanao tia fahalalahana ity. Raha toa ka ao amn'ny faritra misy anao ianao no hanao manokana ilay hetsika, dia mba aza adino ny mampakatra sary sy lahatsary an'izay zavatra nitranga.

Mirary anao ho faly lalandava.
Namanao, Sven.
27 Jona, 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.