Litoania: Ben'ny Tanàna Anaty Fiara Mifono Vy mamotika Ny Fiara Miantsona Tsy Ara-Dalàna

Lotika loatra amin'ireo fiara lafovidy miantsona amin'ny toerana tsy ara-dalàna eny amin'ny faritra natokana ho an'ny kodiaran-droa ny Ben'ny tanànan'i Vilnius. Ho fanehoany ny fa tofoka amin'ity tsy fanarahan-dalàna mivandravandra ity izy, dia notapahany ny hevitra fa hanome ohatra ranamana ka dia nohitsahany tamin'ny fiara mifono vy  ilay fiara mba ho anatra ho an'ireo tsy mpanaja lalàna izay mitombo be, araka izay azo jerena ato aatin’ity lahatsary ity. Fehezin'ilay mpanolotra izany amin'ny hoe: “Hainareo moa, ankafiziko ilay zalahy io. mizesta amin'ny scooter-ny izy, mamotika ireo fiara eny amin'ny faritra tsy azo ijanonana, mandray tànana, mamafa ny poti-pitaratra dia lasa manohy mitaingina ny scooter-ny [sic].”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.