Serbia: Fanehoan-kevitra Voalohany Momba Ny Fanafahana Madiodio An'i Sandor Kepiro

Ny Alatsinainy 18 Jolay 2011, nafahan'ny fitsarana iray ao Bodapesta i Sandor Kepiro, kapitenin'ny polisy Hôngroa tamin'ny ady lehibe faharoa izay nanao raharaha miaramila tany Serbia teo ambany fibodoana sy, izay tsy voa ela akory, “anisan'ny Nazy nokarohina fatratra.” Nampangaina ho nanao heloka bevava tamin'ireo Serba, Jiosy ary Romana nandritra ny Novi Sad izy – fandripahana nataon'i Hôngroa ny volana Janoary 1942.

Loharanom-baovao Serba B92 news dia namoaka lahatsoratra iray momba izany, izay mitatitra hoe ::

Araka ny fiampangana, nandray anjara taminà heloka bevava izay niseho tao Novi Sad sy ny toerana manodidina azy izy. Fara-fahakeliny, 1200 Serba, Jiosy ary Romana no natsipy tany an-drenirano teo anelanelan'ny 21 sy 23 Janoary 1942.
Tamin'ny fiafaran'ny ady, voaheloka 10 ka hatramin'ny 14 taona an-tranomaizina i Kepiro noho ireo heloka bevava ireo, nefa afaka nandositra izany izy tamin'ny fandehanana nisidina nankany Aostralia ary avy eo tany Arzantina ny lohataonan'ny taona 1948.
Niverina tany Hôngria izy ny taona 1996 mba hanapitra ny andro sisa iainany any an-tany niaviany.

Monument to the victims of the 1942 Novi Sad massacre. Image by Zoran Jevtovic.

Tsangambato ho an'ireo maty tamin'ilay fandripahana tao Novi Sad ny taona 1942. Sarin'i Zoran Jevtovic.

Tsy ireo fianakavian'ny maty ihany fa ny fiarahamonina Serba manerana izao tontolo izao ihany koa  no tohina tamin'ilay vaovao. Nahatonga tsikera maro ny fanapahan-kevitry ny fitsarana na tamin'ny fampahalalam-vaovao mahazatra na tamin'ny fampahalalam-baovao ara-tsosialy.

Bruno Vekaric, lefitra mpampanoa lalàna momba ny heloka an'ady, dia voalaza fa nitatitra tamin'ny toerana masoivohom-baovao TANJUG hoe:

Ity dia valim-pitsarana ambaratonga voalohany ka tsy afaka haneho hevitra ny momba izany izahay. Mazava ho azy, tsy faly amin'izany izahay ary miandry ny mpampanoa lalàna Hôngroa hampakatra fitarainana.

Nampiany hoe tena zava-dehibe ny hanomezana rariny ireo tra-boina.

Efraim Zurof, talen'ny foibe Simon Wiesenthal, nilaza [sr] tao amin'ny Radio Free Europe hoe:

Nandrasako hoe mety ho helohin'ny fitsarana izy… ny fanontaniana tokana dia izao: ho voaheloka ve izy ary sazy toy n y ahoana no hanasaziana azy. Izany no nandrasako, ary mieritreritra aho fa niandry izany koa ireo mpanohana azy. Nahatohina tanteraka ilay fanafahana! Izany dia sarintsarim-pitsarana fotsiny sy vokatra ratsy handoto ny fitsarana Hôngroa. Tsy isalasalana fa faniratsirana ireo maty noho ny fanafihana ilay didim-pitsarana.

Ivan Ivanji, Jiosy iray mpanoratra tantara izay namoy fianakaviana maro nandritra ny Ady Lehibe Faharoa sy sisam-paty tamin'ny Holocaust, nilaza hoe [sr]:

…Ho faty any amponja izy, any amin'ny hôpitaly na sahala amin'ny olona afaka… mety hanampoka anao aho, nefa tsy miraharaha izay rehetra momba azy mihitsy aho. Ny làlana nofinidin'ny namantsika, Hôngria, firenena iray mpikambana ao amin'ny vondrona Erôpeana, dia mbola tena olana lehibe tokoa.

Ana Frenkel, mpikambana ao amin'ny fiarahamonina Jiosin'i Novi Sad nilazalaza ny fomba nanaovan'i Kepiro ny habibiana. Nilaza izy, tamin'io loharanom-baovao io ihany :

Izy no nikarakara, ary noteteziny ny isan-tokantrano niaraka tamin'ireo mpiara miasa aminy, ka izy tenany mihitsy no namono sy nandripaka ny vahoaka… nefa, indrisy, tsy nisy vavolombelona nahita maso ka mbola velona izay afaka hamantatra an'i Šandor Kepiro tamin'izany fotoana izany. Azontsika izy, nefa indrisy fa ry zareo kosa maty.

Ilay bilaogera Velimir Mladenovic ao amin'ny bilaoginy B92 dia nitanisa [sr] ampahany avy amin'ny bokin'i Aleksandar Veljic, lehilahy iray izay nikaroka momba ny fandripahana mahatsiravina tao Novi Sad ary namoaka porofo maro tsy azo lavina, toy ny antotan-taratasy ofisialy avy amin'ny tahiry, sary sy lisitry ny anaran'ireo maty, ny adiresin'ny tranon-dry zareo sns, izay manondro ny fandraisan'anjaran'i Sandor Kepiro sy ny nanaovany heloka bevava.

Ireto ambany ireto dia fanehoan-kevitra vitsivitsy tao amin'ny lahatsoratr'i Mladenovic

Sesili milaza hoe:

[…] Vao henoko tamin'ny vaovao hoe nitehaka ny olona tao amin'ny trano fitsarana raha vao notononina ny fanafahana. Nefa aho amin'iny andro lohataona nafana iny dia nangorintsina namaky ny lisitry ny anaran'ny olona izay novonoina…

fanontaniana iray napetrak'i kraljmajmuna:

Fantatra ve hoe nahoana izy no nafahana madiodio? […]

Namaly an'i kraljmajmuna i yugaya :

[…] Nandritra ny fotoam-pitsarana, betsaka ny fitsipahana nivoaka momba ny tsy fitongilanana sy ny ‘maha-izy-azy’ an'ireo vavolombelona manam-pahaizana manokana avy amin'ny biraon'ny mpampanoa lalàna,  ho fanampin'izany ny tsy fahampian'ny porofo izay ahafahana manondro ny tsinin'ny voapanga manokana, tsy ampy ny fandikan-teny ary ny fahaverezan'antontan-taratasy miaty ireo didy efa navoaka tany aloha nandritra ny didim-pitsarana savaranonando hoan'i Kepiro tany Hôngria, ka araka izay voalazan'izy ireny, dia voaheloka izy [10 ka hatramin'ny 14 taona ] noho ny heloka bevava].

apacherosepeacock milaza:

[…] Midika izany, voaheloka izy, nitsoaka, [ ary avy eo] niverina [tany Hôngria] na dia 15 taona lasa aza, sa?
Raha nampiharina ny sazin'ny olona iray, ary avy eo izy nandositra ny fonja [niala ny firenena], nahoana no tsy nosanborina izy rehefa niverina?
Hatramin'izay ka hatramin'izao dia an'ireo karazana “tsy manana hazondamosina” ny firenena Serba, matoky an'i Israely aho mba hanao fanoherana.

Ny sarikely dia maneho fahatsiarovana ny fandripahana tao Novi Sad ny taona 1942, izay nandetehana an-drano ny olona 1300 Jiosy, Romana ary hafa vitsivitsy novonoin'ny Hôngroa tao amin'ny Reniranon'i Danube. Sary an'i iLikeSpoons, mpampiasa Flickr (CC BY-NC-SA 2.0).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.